Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-12 MANDAVANTAONA B 2021

ANDRIAMANITRA NO VONJINTSIKA SY ARONTSIKA….

Ry Kristianina havana, tsy mbola vita ny « ady » ary tsy mbola vita ny « dia ». Mbola tena ao anatin’ny KORONTANAVIRUS isika izao. Tsy mbola tafita ny ala ka tsy afaka misioka. Io Evanjely io no novakian’i Papa François tamin’ny taon-dasa teo amin’ny kianjan’i Md Piera raha niantso vavaka isika. Nohariny amin’izay nitranga tamin’ireo Apostoly ny zavatra iainantsika izao. Tsy nisalasa izy nilaza fa ny TRANOBEN’ANDRIAMANITRA io sambo voafofon’ny rivo-mahery ka mitady ho rendrika. Niantso vonjy tamin’i Jesoa ny mpianatra satria nahita an’i Jesoa matory. Very fanahy mbola velona isika amin’izao ary maro no mitady hanome tsiny an’Andriamanitra. Misy ihany koa ny milaza fa ozona avy amin’Andriamanitra…. Andeha ho dinihintsika ny Tenin’Andriamanitra ahafahantsika hahafantatra ny sitrak’Andriamanitra. Torolalana amin’izany ny « vavaka lehibe » nataon’i Papa tamin’ny 27 Mars 2020. Tsara ny manamarika araka ny efa averimberintsika fa rehefa mandavantaona tahaka izao dia mitohy vakiteny ary amin’ny taona B dia ny Evanjelin’i Md Marka no vakiantsika. Raha velona ny finoantsika. Mialoka amintsika ny olona maro. Izany no dikany hoe : EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA ZARY TABERNAKLA VELONA. Mialoka amintsika ny manodidina izany tena Baba isika ka matoky antsika ny manodidina. Raha atao teny hafa izany dia ny hoe raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra no hanao ny asantsika.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA 11 - NY FO MASIN’I JESOA TAONA B 2021

« Miderà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany; torio amin'ny firenena ny asany lehibe, ataovy antso avo, fa tafasandratra ny anarany» (IZ. 12: 4)

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika no niara-nibanjina fa tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanitsika fa Andriamanitra eo anivontsika. Raha ny marina dia tokony nanao prôsesio isika namakivaky ny tanana sady nanambarantsika ny finoantsika fa tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanitsika fa mpiara-belona amintsika no nitalahoantsika an’Andriamanitra Be Famindram-po handrotsaka ny tsodranony. Nataontsika an’eritreritra, am-panahy io dia mivavaka” namakivavky ny tanànantsika. Azo lazaina fa fanehoam-pinoana lehibe no ataontsika ka matoky isika fa tsy havelan’Andriamanitra isika. Mamelona antsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny vatany sy ny ràny anambarany fa be fitiavana tokoa Izy. Izany fankalazana izany koa dia maniraka antsika ho Eokaristia......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY VATANA SY RAN'I KRISTY - TAONA B 2021

« Raiso, fa Vatako ity... Ary nolazainy taminy hoe: Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro » (Mk. 14: 22, 24)

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika niara-nankalaza ny Trinite Masina izay maniraka antsika hibanjina ny fiombonan’ny Ray Zanaka sy Fanahy Masina. Izany fibanjinana izany dia antso ho antsika tokoa mba ho fianakaviana iray ao amin’ny Trinite Masina isika. Io no asongadin’I Papa ao amin’ny Ansiklika FRATELLI TUTTI, izay manasa antsika hiroso amin’ny fanorenana ny maha OLO ARAIKY ISIKA JIABY fianakaviam-ben-janahary, fianakaviam-ben’Andriamanitra. Tsy ho tanteraka izany raha tsy mivelona ny fahafoizana isika, raha tsy miaina ny fanompoana ao anatin’ny fahamarinana, marina tsy misy fihatsaram-belatsihy. Izany no nahatonga antsika milaza fa ilaina ny fihavanana ho voadio araka ny Evanjely izany hoe zary “fihavanana évangélisé”.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TRINITE MASINA TAONA B 2021

« Koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Mt. 28: 19)

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo niara-nankalaza ny Pantekôty isika. Amin’izao andro izao sarotra tena mavesatra izao no nankalazantsika ny Pantekoty. Araka ny averimberintsika dia tena maniry Pantekoty vaovao mihitsy isika. Maniry “depart vaovao”, fiaingana vaovao hahatonga antsika araka ny annexe 3 ho “FIANAKAVIANA “EGLIZY KELY” MIFAMPITSIMBINA, MIFANASOA MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA ka tanteraka amin’izay ny hiaka, ny antso vonjy nataon’I Papa tao amin’ny Ansikilika FRATELLI TUTTi, ho OLO ARAIKY ISIKA JIABY zary FIANAKAVIAN-JANAHARY, FIANAKAVIAMBEN’ANDRIAMANITRA.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY PANTEKOTY TAONA B 2021

« Rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)

Ry Kristianina havana, 50 andro lasa izay no nankalazantsika ny Paka izay fandalovana amin’ny ratsy miaraka amin’i Kristy. Miara-maty amin’i Kristy amin’ny ratsy dia ny fahotana isika ary indrindra ity “demony KORONTANAVIRUS” ity ka mitsangana miaraka Aminy mandresy ny ratsy ka miditra amin’ny fiainam-baovao maha-zanak’Andriamanitra antsika. Namakivaky izany 50 andro izany isika ka tonga amin’izao fankalazana ny Pantekôty izao. Pantekôty midika dimampolo andro taorian’ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ka nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ireo Apôstôly izay natahotra ka nijanona tao amin’ny senakla. Niseho tamin’izy ireo matetika i Jesoa nankahery azy ireo ary indrindra fa nampanantena ny fiavian’ny Fanahy Masina. Fanahy mampiombona azy ireo amin’i Kristy ka hahatonga azy ireo ho Kristianina marina tokoa, ho Apôstôly hitory ny Vaovao Mahafaly. Jesoa tsy anivon’izy ireo intsony fa ny Fanahy no miombona amin’izy ireo, izany hoe izy ireo no tonga Kristy velona amin’izao fotoana izao ary izy ireo no Kristy mpiara-belona amin’olona. Kristy mpiara-belona amin’olona no mahatonga antsika ho génération mpanorina, « génération de bâtisseurs », « constructeurs » fa tsy mpanapotika. Mpanorina Eglizy Tranon’Andriamanitra sy Eglizy Olona Velona isika ary izany ny Pantekôty.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..