Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-22 MANDAVANTAONA B2021

“Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » (Mk. 7: 15) 

Ry Kristianina havana, nofaranantsika tamin’ny Alahady faha-21 tsotra mandavantaona lasa teo ny fandalinana ny evanjelin’i Md Joany toko faha-6 izay azo lazaina ho fandalinana mikasika ny Eokaristia miainga avy aimn’ny famantarana nataon’i Jesoa tamin’ny fampitomboana ny mofo ka nanambarany fa Izy tokoa no Mofon’aina mahavelona sy Rà loharano mamelona antsika ka izay misotro ny ràny sy mihinana ny nofony dia hanana ny fiainana mandrakizay. Maro ny tafintohina araka ny voalazantsika : tao ireo vahoaka izay mijery ny zavatra manaitra ety ivelany, tao ihany koa ireo liana nihaino ny fampianarana fa tsy latsa-paka ka tafintohina, tao koa ireo Jody mifikitra amin’ny fomban-drazana, tao ihany koa ireo nilaza ho mpianatra satria efa nandray ny fampianaran’I Jesoa ; izy ireo no niaiky fa tsy mbola nisy olon-kendry mahay miteny toa azy, nefa nahatsapa fa tsy mahazaka ny fampianarany. I Piera sy ireo Apôstôly namany irery ihany no nisafidy sy natoky fa i Jesoa no tena Teny mahavelona.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-21 MANDAVANTAONA B2021

“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ”.

Ry Kristianina havana, raha tamin’ny alahady lasa teo nankalaza an’I Masina Nampakarina vatana sy fanahy any an-danitra isia, dia omaly kosa niara-nankalaza an’I Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra. Fahasoavan-dehibe ho antsika izany rehetra. Noho ny fankalazana an’I Masina Maria Nampakarina vatana sy fanahy any an-danitra dia niato kely ny fandalinantsika ny toko faha 6n’I Md Joany. Tohizantsika indray ny fandalinantsika azy izany hoe ny fandalinana ny Eokaristia miainga amin’ny Evanjely Joany toko faha-6 izay manambara ny famantarana nataon’I Jesoa dia ny fampitomboana ny mofo ka niainga avy amin’izany Izy no nampianatra ny fanorenana ny Eokaristia loharano sy fototra ny fiainantsika. Anatin’izao fiainantsika miatrika an’ity KORONTANAVIRUS ity izao sy amin’izao fiomanana akaiky ny fidirantsika amin’ny Sinaoda izao isika miaraka amin’ireo fanamasinana sy fankalazana ny faha-120n’ny eglizy trano eny offre Ville no mihaino ny fampianarana lalina atolotr’I Jesoa. Henontsika tsara fa tafintohina tamin’ny fampianaran’i Jesoa ireo Jody......[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 AOGOSITRA – Fankalazana an’i MASINA MARIA NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena.


Raha ny marina Alahady faha 20 mandavantaona izao alahady izao nefa noho izy mifanindra amin’ny fankalzana lehibe dia ny faha 15 aogositra izany hoe miombona ny Eglizy eran-tany mankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny Nampakarina an’i Masina Maria any an-danitra. Fety lehibe ho an’ny Eglizy izany satria ny fidiran’i Masina Maria ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra no ankalazaintsika anio. Tsara marihina fa hafa ny fomba fiteny raha hilaza an’i Jesoa nitsangan-ko velona sy niakatra any an-danitra. Fa Masina Maria kosa lazaina hoe Nampakarina any an-danitra izany hoe tsy vokatry ny famendrehan’i Masina fa vokatry ny fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa Zanany no ampakarana azy. Finoana no andraisantsika an’izany satria i Masina Maria no Renin’i Jesoa ary i Jesoa dia zanak’Andriamanitra ka noho izany dia Renin’Andriamanitra i Maria. Ao amin’ny voninahitry ny zanany izany i Masina Maria ary fanomezam-pahasoavana manokana avy amin’i Jesoa zanany.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-19 MANDAVANTAONA B2021

“ILANA FINOANA NY EOKARISTIA”

Ry Krisitianina havana, mitohy ny fandalinana momba ny Eokaristia, momba an’i Kristy ilay manome ny Nofony ho fiainan'izao tontolo izao (Jn 6). HItantsika fa tsy mandeha ho azy ny ady hevitra. Izany ihany koa ny mety hitranga amin’izao sinaoda hiarahantsika miatrika izao. Aza gaga raha misy fotoana mafimafy ny ady hevitra. Fanafintohinana ho an’ireo iray firenena aminy ny fampianaran’i Jesoa... ary mazàna zava-mitranga amin’ny fiainantsika ny mitsara ny teny sy ny hafatra ampitaina, tsy amin’ny maha-hafatra azy fa noho ilay niteny azy. Andeha ho jerentsika tsirairay ireo vakiteny isika miditra amin’ny sinaoda izao. Ny Vakiteny voalohany dia mitantara ny zavanitranga tamin’i Elia, Izy Ilay Mpaminany nifikitra amin’Andriamanitra ary nitarika ny olona tsy hiala amin’Andriamanitra na dia mafy ny fakam-panahy aterak’ireo mpanompo sampy izay ohatra ny mahomby. Tsy mankaiza an’izany koa ny zava-misy iainantsika amin’izao. Miatrika zavatra maro ny Eglizy. Maro ny fanenjehena.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-18 MANDAVANTAONA B2021

Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho

Ry Kristianina havana, miroso ny fiarahan-diantsika. Miara-dalana tokoa isika amin’izao sinaoda izao. Tsy irery isika fa miara-dalana amintsika i Kristy. Tsy miafina fa tsy mandeha ho azy ny fanatanterahana ny sinaody. Henontsika ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amin’izao Alahady tsotra mandavan-taona izao. Maro no tsy mbola fola-kevitra ary misy aza no mametraka fanontaniana. Tsy zava-boavao izany zava-mitranga izany. Navotan’ny Tompo tamin’ny fanandevozana tany Ejipta ny vahoaka. Nefa rentsika fa nimonomona tamin’i Moizy sy Aarona izy ireo raha mafimafy ny fiainana tany an’efitra. Inona no nahatonga azy ireo hanana izany fihetsika izany ? Anisan’ny antony nahatonga ny vahoaka Israely nivadika tamin’Andriamanitra ny fanadinoana ireo zava-mahagaga sy mahatalanjona nataony. Toa vahoaka be fanadinoana, mafy fo, tsy natoky sy tsy niankina tamin’ny Tompo. Efa nasehon’ny Tompo tamin’ny fahagagana nanasarahany roa ny ranomasina mena ny heriny. Tamin’izay dia nandia tany maina ny vahoaka Israely .....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..