Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-32 mandavantaona B2021

« Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra » (Mk. 12: 43)

 
Ry Kristianina havana, raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nandinika ny fitsipika volamena mba hialantsika amin’ilay fivavahana ety ivelany sy ny fanatanterahana fitsipika fotsiny izay nanomezan’i Jesoa tsiny an’ireo mpanora-dalàna sy Farisiana tamin’ny fotoanandrony, amin’izao Alahady faha-32 mandavantaona izao dia miditra lalindalina amin’izany fandinihana ny fitsipika volamena izany isika. Nilaza i Jesoa : “Mihainoa ry Israely, ny Tompo Andriamanintsika no Tompo Andriamanitra tokana ka tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao, amin’ny fanahinao, amin’ny sainao ary herinao manontolo”, izany no didy voalohany, ny faharoa mitovy amin’izany : “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Nolazaintsika àry fa io no làlam-piainana ho antsika raha te ho taranaka mpanorina isika ka hanorina ilay tontolo iainana izay mila harenina, hanorina ny tontolom-piainana izay tsapantsika fa efa potika ka mila harenina koa ary ny tontolom-pinoana izay tena mila harenina tokoa.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-31 mandavantaona B2021

Izany no didy voalohany ary ny faharoa dia mitovy aminy ihany koa

 
Ry Kristianina havana, ity alahady ity no mamarana ny volana oktobra. Volana lehibe eo anivon’ny Eglizy satria maro ny fankalazana niarahantsika nanao. Tsara manao jery todika amin’izy ireny mba hahafahantsika maka lesona ary indrindra hamahatra ny finoantsika. Volana Oktobra no mivalona, volan’ny Raozery. Matetika eo anivon’ny fianakaviana no fanaovantsika Raozery. Asa nanao akory ? fa indrindra miatrika izao Sinaody izao isika. Sinaody eto anivon’ny diosezy sy Sinaody eo anivon’ny Eglizy Erantany ka ny lohahevitra rahateo mifanojo : Mba ho Eglizy Miara-dia, Miara-dalana amin’ny fiombonana, amin’ny fandraisana an-tanana, amin’ny fanirahana. Ny eto amin’ny Diosezy : Eglizy Olo, Velomin’ny Batemy mba ho Tabernakla velona. Sinaody izay manomboka araka ny fanentanana ataontsika any amin’ny Fianakaviana Eglizy kely ary amin’ity taona ity ny lohahevitra iaraha-midinika dia eglizy kely ma-mivavaka, miara-mandalina ny finoana. Mifanojo tsara amin’ny volan’ny Raozery volana hiara-mivavaka amin’I Masina Maria mibanjina ireo misterin’ny famonjena antsika.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-30 mandavantaona B2021

« Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao » (Mk. 10, 49)

 
Ry Kristianina havana, izao Alahady izao no alahady ankalazana ny andron’ny misiona sady mbola eo ampanaovana ny volan’ny Raozery no miatrika ny SINAODY ka miaraka amin’i Masina Maria isika mitalaho ny fahasoavan’Andriamanitra hanampy antsika amin’ny fiaraha-midinika ataontsika. Enga anie ho SENAKLA tokoa ny fihaonantsika ka sady hahay hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika no hahay hifampihaino ka hahita ny sitrak’Andriamanitra, hitondra antsika amin’ny fiainam-baovao, hahatonga antsika ho EGLIZY VELONA VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA ho “génération mpanorina”.
Manambara zava-dalina ny Evanjely atolotry ny Eglizy niany alahady faha-30 mandavantaona. Maro ny zavatra maha-jamba antsika eo amin’ny fiainantsika fa indrindra vokatry ny KOTONTANAVIRUS.....[...........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-29 mandavantaona B2021

Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Mk. 10, 45)


Ry Kristianina havana, efa roa alahady sahady izao no niarahantsika niatrika ny Sinaody ary mampisaotra an’Andriamanitra fa indrindra ny fankalazana ny faha-120 taona teny ETA ambany fiarovan’I Masina Misely Joffre Ville. Mankasitraka mankatelika isika EOV Jiaby samy nandray an-tanana. Miara-dalana amin’ny Eglizy eran-tany isika amin’izao Sinaody izao, izany rahateo moa ny dikan’ny atao hoe “sinaody” (miara-dalana jereo logo). Ny Teny fanevan’ny Sinaody eran-tany dia ny hoe : EGLIZY MIARA-DALANA MIATRIKA SINAODY FIOMBONANA, FANDRAISANA AN-TANANA, IRAKA. Fa ny antsika eto amin’ny diosezy kosa, EGLIZY OLO, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Miroso ny dia na dia mideza aza satria tsy misaraka amin’ny ady isan-karazany vokatry ny sakana maro. Tsy irery isika amin’izany satria eo Ilay Reny tsy mandao. Ao anatin’ny volan’ny raozery isika izao. Manohy ny fibanjinana ireo misterin’ny fanavotana antsika olombelona isika amin’ny alalan’ny Rozery izay iarahantsika amin’i Masina Maria dia ny mistery fahatongavana ho nofo, mistery mampalahelo, mistery mamira-pahazavana, ny mistery fitsanganan-ko velona dia ny mistery be voninahitra.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-28 mandavantaona B2021

METY HISAKANA TSY HO TAFIDITRA ANY AN-DANITRA NY MIFIKITRA AMIN’NY HARENA

 
Ry Kristianina havana, herinandro izay no nankalazantsika ny faha-120 taona ny ETA Masina Misely Arkanjely ary ny nidirantsika amin’ny SINAODY izay ny teny faneva manentana antsika dia ny hoe : EGLIZY VELONA, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Miara-dalana amin’ny Eglizy Erantany isika ka ny teny faneva dia tena mifanaraka amin’ny sinaodantsika : FOMBA FISAINANA NY SINAODY MBA HO FIOMBONANA (Eglizy velona), FANDRAISANA AN-TANANA (velomin’ny Batemy), IRAKA (Tabernakla). Ny tena mahavariana dia fomba fiasa : samy miainga avy amin’ny fototra ary mampiasa ny « mijery, mitsara, mankalaza »…. Fa ny fotoana no samihafa satria ny sinaoda eran-tany mandritra ny telo taona fa ny antsika kosa mandritra ny dimy taona satria tiantsika hivahatra bebe kokoa ny finoana mba ho tena Olon-dehibe amin’ny finoana, fanantenana, fitiavana satria isika izao no misionera ary isika izao no génération mpanorina....[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..