Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

08 DECEMBRE - IMMACULÉE CONCEPTION DE LA VIERGE MARIE

“ FANKALAZANA MANETRIKETRIKA AN'I MASINA MARIA VIRJINY NOTORONTORONINA TSY AZON-KELOKA ”.

 
Ry Kristianina havana, faly isika miara-mankalaza amin’ny fomba manetriketrika an’I Masina Maria notorontorinona tsy azon-keloka, mpiaro voalohany an’i Madagasikara iombonantsika amin’ny Eglizy Erantany amin’izao isika Olo Araiky Jiaby, isika EOV mikatroka manatanteraka ny Sinaody izao. An-kafaliana sy an-karavoana no itondrana ny firarian-tsoa, ny fiarahabana ho antsika tsirairay satria mpiaro antsika i Masina Maria virjiny, Immaculée Conception izay tamin’ny fotoan’andro efa ela no nofidiny ireo eveka ho mpiaro ny tanindrazantsika, izany heo Mpiaro antsika tsiraikiraiky. Tsara raha miara-misaotra an’Andriamanitra isika satria ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy amin’izao fotoana ankalazantsika ny Immaculée Conception izao dia mampitodika antsika amin’ny batemy izay noraisintsika, vita batemy aho ka irahina......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-2 FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

"Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry" Lk 3,5


Ry Kristianina Havana, tena tafiditra ao anatin'ny fiomanana amin’ny fiaviana na Avent isika. Araka ny volagnintsika matetika dia manokana ity fankalazana ny Avent, fankalazana ny fiavian'ny Tompo ity satria tena mampiditra antsika amin’ny fiatrehana ny Sinaody izay azo lazaina fomba lehibe handraisantsika ny Tompo eo anivon’ny fiainantsika ka hanaovantsika « DEPART VAOVAO », fiaingana vaovao hoy isika. Ary izay no hahatongavan’ny Tompo eto anivon’ny fiainantsika. Ny Noely no fanombohan’ny misterin’ny famonjena antsika. Vanimpotoan-dehibe ho antsika izany izao Avent izao. Tena « Temps fort » tokoa amin’ny fankalazana ny Sinaody : « Eglizy Olo, miara-dia, miombona, velomin’ny Batemy, mandray an-tanana ka zary Tabernakla velona ».
Ireo vakiteny rahateo dia tena mampiditra antsika amin’izay voalazantsika teo ka manomana antsika amin'izany fiavian'ny Tompo.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY VOALOHANY FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »


Ry Kristianina havana, nankalaza an’i Kristy mpanjaka isika tamin’ny Alahady lasa teo izay namaranantsika ny taona litorjika ary amin’izao Alahady hamaranantsika ny volana novambra izao ka mampiditra antsika amin’ny taoana litorjika vaovao dia I Md Lioka no Evanjely ho banjinintsika manokana amin’ity taona D ity. Md Lioka izay mampisongadina bebe kokoa mikasika ny famindrampon’Andriamanitra sy i Masina Maria. Mandritra ny taona isika no handalina izany. Faly sy ravo miarahaba antsika amin’izao taona vaovao litorjika izao izay taona ho entintsika Olo Araiky Jiaby, Fratelli Tutti miatrika izao Sinaodin’ny diosezy izay miara-dalana amin’ny diosezy eran-tany : Eglizy Miara-dalana, Eglizy Olo, velomin’ny Batemy ka miombona mandray an-tanana, ka zary Iraka Tabernakla velona. Ny tanjona araka ny voalazantsika mba ho fiaingana vaovao, Pantekoty Vaovao ho an’ny diosezintsika. Ny irina dia ho samy ho “OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ìsika ka na dia mafy ny rivotra mety handrendrika dia tsy matory ny finoantsika fa mandroso hatrany ny sambom-piainantsika.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-34 MANDAVANTAONA B2021

« Dia hoy i Pilaty taminy: Koa Mpanjaka izany Ianao ? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho » (Jo. 18: 37)


Ry Kristianina havana, anio no Alahady mamarana ny taona litorjika ka asain’ny Eglizy isika androany hibanjina ny faran’izao rehetra izao sady volana novambra izay volana hibanjinantsika ny fiainan-ko avy. Tsarovy fa nanantitrantitra isika tamin’ny Alahady lasa teo fa mbola hiverina amin’ny fomba manetriketrika I Kristy. Izao alahady faha-34 izao tokoa no famaranana ny taona litorjika ka ankalazantsika an’i Kristy Mpanjakan’izao rehetra izao. Fombantsika ny mifampiarahaba rehefa mifarana ny taona ka isika Kristianina katolika dia androany no mamarana ny taona litorjika, niaraka namakivavky ny taona B iny isika nandinika ny maha Kristianina antsika, nandinika ny maha Kristy mpiara-belona antsika eo amin’ireo manodidina antsika ka mahatonga antsika ho mpanorina ny Eglizy Olona Velona sy ny Eglizy Tranon’Andriamanitra. Nodinihintsika ireo fiainan’i Kristy arakaraky ny vanim-potoana nolalovantsika : ny vanim-potoana manokana sy ny vanim-potoana tsotra mandavantaona. [ ..........]

 

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-33 mandavantaona B2021

« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Mk. 13: 26)


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady faha-32 mandavantaona lasa teo ny fampianarana azontsika dia ny hoe izay tia mahafoy, fototry ny fiainantsika sy ny maha zanak’Andriamanitra antsika ny fahafoizana, fototry ny maha Kristianina antsika ny fahafoizana eo amin’ny mpiara belona amintsika, fototry ny maha mpanorina antsika EOV sy ETA. Averimberintsika matetika araka ny fampianaran’I Papa François fa ny “politika lavorary” dia ny fahafoizana sy fanompoana. Miatrika izao Sinaody faha-7 izao isika ary ao anatin’ny fiomanana hanatanteraka ny hasim-pinoana amin’ny Alahady ho avy izao, Alahadin’ny fankalazana an’I Kristy mpanjaka. Ary izao Alahady faha-33 izao no nofidin’ny Papa ho andro fanasoavana ny mahantra. Indrisy fa vokatr’ity KORONTANAVIRUS ity dia mihamaro ny mahantra eto amintsika ka ity andro anio ity, izay andro hankalazantsika sy hirosoantsika bebe kokoa amin’ny asa fanasoavana an’ireo voahiliky ny fiarahamonina no henointsika izany hafatra izany.....[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..