Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

01 JANOARY - MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA

Renin’andriamanitra sy mpanjakavavin’ny fiadanana i Masina Maria

 
Ry Kristianina Havana, an-kafaliana sy an-karavoana no anolorako ny fiarahabana mitafotafo amintsika rehetra amin’izao andro voalohan’ny volana janoary mampiditra antsika amin’ny Taombaovao izao. Ho taom-pahasoavana, ho taon-jina hitondra fiadanana sy fahasoavana ho antsika mianakavy anie ity taona vaovao 2022 izay hodiavintsika ity. Manana akony manokana ny fiarahabana sy firarian-tsoa iarahantsika manao amin’ity Taombaovao ity satria tsy misy miafina amin’ny tsirairay ireo hamafin’ny adim-piainana natrehina namakivaky an’iny taona lasa iny. Mendrika sy rariny tokoa raha mifampiarahaba isika, mifanolotra firarian-tsoa. Bonne et sainte année 2022. Inona àry ny hataontsika mba ho taona masina sy ho taom-pahasoavana ity 2022 ity?......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA Taona D2021

« Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 52)


Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady manaraka ny Noely izao dia mbola ao anatin’ny hafalian’ny Noely isika. Ny Teny Tonga Nofo no banjinin’ny Fianakaviana masina izay modely ho an’ny fianakaviana rehetra. Tsy fianakaviana mikombona ny Fianakaviana Masina misy an’I Jesoa, Maria, Josefa satria araky ny fantatsika dia nivelatra tamin’ny olon-drehetra izy ireo na dia tao anaty tranon’omby no nahaterahan’I Jesoa. Tsara anefa ny manaraka fa ireo olon-tsotra tahaka ny mpiandry ondry no nandray azy.
Faly sy ravo isika mifampiarahaba amin’izao noely izao fa indrindra amin’izao fankalazana ny Fianakaviana Masina izao satria ny fianakaviana dia isika miombona ho Olo Araiky ao amin’Andriamanitra. Io no ambaran’I Papa François ao amin’ny Ansiklikany “Fratelli Tutti”. Na izany aza dia faly miarahaba manokana ny fianakaviana tsirairay. Enga anie ho fianakaviana misy an’Andriamanitra ny fianakaviantsika satria midika izany fa eo anivontsika ny loharano sy fototry ny fiadanana......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY NAHATERAHAN'NY TOMPO TAONA D2021

« Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny » (Jo. 1, 1)


Ry Kristianina havana, na dia efa natao tamin’ny fomba manetriketrika ny fiarahabana tamin’ny alina mialoha ny Noely dia an-kafaliana, an-karavoana no amerenana ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana. Tahaka ny fary lava vaniny tokoa ny firarian-tsoa fa indrindra amin’izao fankalazana manetriketrika ny Noely izao ary hafaliana no amerenana azy amintsika olo araiky jiaby. Bonne et sainte fête de Nôel antsika jiaby e, enga anie ho Noely hitondra fiadanana tanteraka izao Noely 2021 izao. Tanteraka eo anivon’ny fiainantsika izany fiadanan’ny Noely izany raha manome voninahitra an’Andriamanitra ny fiainantsika manontolo. Araky ny fantantsika ao amin’ny vakiteny faharoa taratasin’I Hebrio, efa ela tokoa isika olombelona no naniry sy nangetaheta mba hiova ny fiainantsika......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

ALAHADY FAHA-4 FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

"Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. " Lioka 1, 42

 
Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady fahaefatra iomanantsika amin’ny fahatongavan'ny Tompo izao, ireo tenin'Andriamanitra dia mampiditra antsika tanteraka amin'ny fankalazana ny Noely. Tsy inona izany fa Andriamanitra eto anivontsika, ary izay Andriamanitra eto anivontsika izay no Vaovao mahafalin’ny Noely ka ny tenin'Andriamanitra manomana ny fo amam-panahintsika fa indrindra moa amin'izao fiatrehantsika ny Sinaody izay tsy inona fa fiezahantsika hampivahatra tsara eo amin’ny fiainantsika ny finoana ka hahatonga an’Andriamanitra miara-monina amintsika. Raha monina eo anivontsika Andriamanitra dia miova ny fifandraisana mandrafitra ny mahaolona izay lazain’ny Eveka tamin’ny hafatra farany fa potika tanteraka....[..........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-3 FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

"Izaho manao batemy anareo amin ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho" Lk 3,16a

 
Ry Kristianina havana, Alahady fahatelo aminy fahatongavan'ny Tompo isika izao ka dia tonga eo anivon'ny fotoana fankalazana ny fiavian'ny Tompo izany. Tsy mahagaga raha ireo vakiteny telo androany ireo raha azo fintinina amin'izany fankalazana lehibe amin’ny finoantsika izany, manasa antsika hivelona sahady, higoka sahady ilay hafaliana raha tonga ny Tompo eo anivontsika. Toa manahirana anefa mandinika an'izany satria ireo zava-misy manodidina antsika dia toa mifanohitra amin'izany.
Izany indrindra ry Kristianina havana no antony nahatongavan'ny Tompo satria mila azy isika na marimarina kokoa ny fitiavany antsika dia tsy misy fetra ary tsy afaka handao antsika nohariana izy noho ny fitiavana. Koa noho io fitiavany io dia tiany ho ao anatin'ny fiadanana isika, ary izany fiadanana izany no entiny eto amintsika.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..