Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAROBIA LAVENONA TAONA D 2022

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.


Ry Kristianina havana, amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no hanombohantsika ny fotoanandro hiomanantsika sy hivelomantsika ny misterin’ny famonjena antsika izay mitondra antsika amin’ny fankalazana ny Paka. Fotoana izay hamakivakiantsika mandritra ny 40 andro ny karemy handalinana ny finoantsika, katolika aho ka halaliniko tokoa izay inoako. Karemy izay mifanojo amin’izao fiatrehantsika ny Sinaody faha-7 iombonantsika amin’ny Sinaodin’ny Eglizy Erantany. Vanimpotoana lehibe ho antsika eto amin’ny diosezy handalinantsika ny finoana ka irintsika hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA izay amin’ny Sabotsy Masina no hanavaozantsika azy. 40 andro hanararaotantsika hidirana lalindalina kokoa amin’izao Sinaody izao ka hahatonga antsika tsy ho mpitan-damba, na mpitazana fotsiny (spectateur) fa ho mpiantsehatra tokoa (acteur). HO EGLIZY OLO MIARA-DIA VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA KA MANDRAY AN-TANANA ZARY MISIONERA TABERNAKLA VELONA.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-08 MANDAVANTAONA D 2022

NY TENY LAZAINA NO AMANTARANA NY FO

 
Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo Alahady faha-7 mandavantaona dia nandinika sy nandalina isika ny momba ny fifandraisantsika samy isika ka napetraka ho fototr’izany fifandraisana izany ny famindram-po sy ny famelan-keloka hanahafantsika an’i Kristy hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin’olona, hampanjaka ny marina ao anatin’ny fanetren-tena, rehefa manjaka tokoa ny famindram-po sy ny fifamelan-keloka dia ho hisy tokoa ny tena fihavanana marina fa tena fihavanana mifototra amin’ny fahamarinana izany hoe fihavanana sady kristianina no Malagasy ary tsy anatin’ny henamaso. Izany fihavanana sady Kristianina no Malagasy izany no tena marina satria ao amin’Andriamanitra izay mitondra antsika amin’ny tena fiadanana sy fandriam-pahalemana izay irintsika mafy tokoa amin’ny fiainana andavanandro eo anivon’ny fiainan’ny fiaraha-monina, ny firenena sy izao tontolo izao.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-07 MANDAVANTAONA D 2022

SOAVY IREO TSY TIA ANTSIKA

 
Ry Kristianina havana, averimberintsika fa ny mandavantaona tahaka izao fandalinam-pinoana mba hanampy antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA izany hoe hanahaka an’i Kritsy ka ho kristianina azo tavandraina, tsy “spectateur” fa tena “acteur”. Izany no tanjon’izao Sinaody izao.
Ny foto-kevitra amin'ity Alahady ity dia ny famelana. Anisan’ny toetran’i Jesoa izay tena manaitra tokoa io. Irin’ny Eglizy mba hivelona izany toetra izany isika vita batemy jiaby. Ny famelan-keloka, izay vokatry ny fiainana miombona tanteraka amin’i Jesoa. Mamindra fo amin'ny namana, araka ny ohatra tsara nomen'i Jesoa antsika. Midika izany fa ny lalan’ny fitiavana no asandratsika amin'ny toerana ambony dia ambony. Ary ny fahaizantsika mamela heloka, na mamindra fo amin'ny hafa no mampiavaka antsika kristianina, fa indrindra mampiavaka antsika katôlika amin'ireo finoana hafa. Satria ny famelan-keloka dia tsy tokony hatao fotsiny amin’ny namana, fa tsy maintsy hatao indrindra amin'ireo mitsangan-ko fahavalontsika. Izany no mahatonga ny Papa François milaza fa raha maniry fiadanana sy fandriam-pahalemana dia tsy maintsy mamboly famelan-keloka ary famindram-po.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-6 MANDAVANTAONA D 2022

ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBATRA FA TSY NY HAREN’NY TANY

 
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady tsotra mandavantaona anaovantsika fandalinam-pinoana izao dia nibanjina manokana ny fiantsoan’Andriamanitra isika tamin’ny alahady lasa teo, nirahin’Andriamanitra isika ho mpanarato olona tahaka an’i Simona Piera, nirahina mba hamokatra tokoa isika raha miara-miasa amin’Izy Andriamanitra. Raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra no hanao ny asantsika. Izany tokoa, ny “vocation” dia ny fanatanterahana ny sitrak’Andriamanitra. Nilaza tamintsika I Jesoa tamin’ny Alahady lasa faha-5 mandavantaona teo hoe “Alatsaho ny harato, mirosoa amin’ny lalindalina kokoa”. Amin’izao Alahady faha-6 mandavantaona izao dia manasa antsika koa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy mba hiroso lalindalina kokoa isika eo anivon’ny fiainantsika satria irahina isika hikatsaka ny hasambarana. Mifanaraka tsara amin’izao tanjon’ny Sinaody izao izany. Tsy inona tokoa fa raha OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA DIA MIROSO AMIN’NY FANORENANA NY EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY KA MANDRAY AN-TANANA ZARY TABERNAKLA VELONA.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-5 MANDAVANTAONA D 2022

Antsoiny Andriamanitra tsirairay isika sy irahiny

 

Tsy mitsahatra isika mivolagna fa izao vanim-potoana mandavan-taona izao no handalinana ny finoana mba ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ISIKA araka ny averimberintsika amin’izao Sinaody izao. Izao Alahady faha-5 mandavan-taona izao raha fintinina dia maniraka antsika handinika bebe kokoa mikasika ny Vôkasiona. Azo lazaina fa manohy ny resaka batemy isika amin’izany ary azo lazaina fa tena fototry ny dinika amin’izao Sinaody izao ny resaka vôkasiona : EGLIZY OLO, VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA, MANDRAY AN-TANANA, IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Matetika rehefa miresaka vôkasiona dia ao an-tsaina ny vôkasion’ny pretra sy relijiozy. Nefa ny vôkasiona dia mikasika ny olon-drehetra fa indrindra ho antsika kristianina ho an’izay vita batemy rehetra. Izany no mahatonga antsika milaza fa tena mifaningotra amin’ny resaka Sinaody ny lohahevitra amin’izao Alahady faha-5 mandavan-taona izao....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..