Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA -3 FANKALAZANA NY PAKA - TAONA D 2022

« Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo » (Jo. 21 : 13)»


Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny Alahady fankalazana ny Paka isika. Isaky ny Alahady dia omen’ny Eglizy lohahevitra iray isika hibanjinantsika ny toetran’i Kristy mba hianarantsika hiaina ny toetrany ka hahatonga antsika ho Kristianina, Kristy mpiara-belona amin’olona, HO OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA miatrika ny zava-misy fa indrindra izao sinaody. Raha OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ISIKA dia irahina hanova ny rafi-pahotana mangeja antsika, hanova azy ho rafi-pivelomana mitondra antsika hanana fivelarana, fivelaran’ny zanak’Andriamanitra araka ny naharian’Andriamanitra antsika hatramin’ny voalohany. Izany no mahatonga antsika manambara fa ny Paka mira FAHARIANA VAOVAO. Vokatr’io fahariana vaovao io no mahatonga antsika ho “GENERATION MPANORINA”......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA -2 FANKALAZANA NY PAKA - TAONA D 2022

« Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana » (Jo. 20 : 23) »

 
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny herinandro fankalazana ny Paka isika izao. Namakivaky ny havaloana masina isika nanomboka ny Alatsinainy amin’ny Paka ka tonga amin’izao Alahady faharoan’ny Paka izao izay antsoina hoe “Quasimodo” izany hoe mbola pakas satria mitantara ny fitsanganan’I Jesoa ho velona. Izy miseho amin’ny mpiantra.
Antritantrerin’ny tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy ho sakafo mamelona antsika ny fototry ny finoantsika dia I Jesoa nandresy ny ratsy ka nitsangan-ko velona. Tafatsangan-ko velona tokoa ny Tompo, Aleloia. Ny Aleloia dia fankalazana ny fandresen’Andriamanitra. Tian’ny Eglizy ho tsapantsika mandritra izao vanimpotoan’ny Paka ireo toe-panay fototra hivelomantsika ny finoan’ny Paka mba haha-OLON-DEHIBEN’NY FINOANA ANTSIKA.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY PAKA TAONA D 2022

Nitsanga-ko velona aho ka tafaraka aminao indray


Ry Kristianina havana, an-kafaliana an-karavoana tokoa no anolorana ny fiarahabana, ny firarian-tsoa amin'izao Paka izao, raha misy ny fankalazana ho antsika Kristianina dia ny Paka no farantampony satria ao no fototry ny fiainantsika sy ny finoantsika dia i Kristy tafatsanga-ko velona. Araka ny voalazan’i Md Paoly : « raha tsy nitsangana i Kristy dia foana ny finoantsika… » ‘I Ko 15, 17. Noho izany rehetra izany dia faly manolotra ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika rehetra tsy ankanavaka na mpivavaka na tsy mpivavaka, na kristianina na tsy kristianina fa fototry ny fiainana maha-olombelona no ankalazaintsika amin'izao Paka izao, nandresy ny fahafatesana i Kristy. Fantantsika fa io fahafatesana io no olana faran-tampony amintsika, misy la clé sy vaha-olana izy ankehitriny satria nandresy ny fahafatesana ny zanak'Andriamanitra. Fantatr'Andriamanitra fa izany tokoa no tena olana amintsika olombelona ary mitady vahaolana mikasika ny fahafatesana io isika olombelona. Iray ihany ny "solution" dia i Kristy tafatsangan-ko velona......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY MASINA - TAONA D 2022

" Dia fara fitiavana no nataony taminy "

 
Ry Kristianina havana, izao Alakamisy Masina izao no anombohantsika ny Hateloana Masina izay mitondra antsika amin’ny fankalazana ny paka izay antsointsika hoe Tridiuum Pascal, telo andro hankalazantsika ny famonjena antsika ka hiampitantsika miaraka amin’i Jesoa amin’ny fiainana vaovao, fahariana vaovao, olombaovao, FIAINGANA VAOVAO hoy isika amin’izao Sinaody izao. Izany no ankalazaintsika amin’ny Asabotsy masina rehefa avy namakivaky izao karemy izao izay niadiantsika tamin’ny ratsy, ady amin’ny fahotana izay manapotika ny fiainantsika, ADY AMIN’NY RAFI-PAHOTANA , hoy isika raha mandinika ny fiainantsika. Rafi-pahotana satria maro ny tsy mahatsapa ka mihevitra fa “normaly”. Nefa indrisy tena manapotika antsika vokatry ny lojikan’izao tontolo izao. Raha lojika tokoa dia tokony hitondra amin’ny tsara nefa indrisy milaza miara-mahita isika fa noho io lojikan’izao tontolo izao izay “mikolokolo” fahafatesana. Misy ny tokoa fahotana vokatry ny rafitra efa mipetraka ka manapotika mihintsy ny fiaraha-monina misy antsika. Ireny no tsy maintsy tilintsika, tsy maintsy sivantsika amin’izao Herinandro Masina mitondra antsika amin’ny Paka, amin’izao Sinaody izao. Ady amin’ireny ratsy rehetra ireny no tsy maintsy ataontsika.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY SAMPANKAZO TAONA D 2022

« Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra » (Lk. 19: 38)

Ry Kristianina havana, izao Alahadin'ny sampankazo izao no mampiditra antsika amin'ny herinandro masina izay ankalazantsika ny famonjena antsika dia Jesoa nanaiky ho fahotana, Izy izay tsy nanota mba hanafaka antsika amin’ny fahotana. Ny famonjena ankalazaintsika dia Andriamanitra nanaiky hanavotra antsika, nanaiky nanolotra ny ainy ho antsika, nanaiky ho faty hanafaka antsika amin'ny fahotana, amin’ny fahafatesana. Antsointsika herinandro Masina satria Masina izay miombona amin'Andriamanitra. Masina izao herinandro izao satria mampiombona antsika amin'Andriamanitra. Masina isika rehefa miombona amin'Andriamanitra. Hararaoty àry izao herinandro masina izao hiombonantsika bebe kokoa amin'Andriamanitra.
Maro ireo famantarana hibanjinantsika mandritra izao herinandro masina izao hanampy antsika hamelombelona ny finoantsika ary ny finoana no
hahaizantsika mandray izao herinandro izao ho masina ka mitondra antsika amin'ny Paka ......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..