Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY PANTEKOTY TAONA D 2022

« Rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)


Ry Kristianina havana, mitodika any Andapa ny fo amam-panahintsika Olo Araiky Jiaby eto amin’ny diosezy satria mivory any ny Voatokana Jiaby eto amin’ny diosezy. Mivory any koa ireo solontenantsika jiaby miatrika ny famaranana ny sinaody iombonana eran-tany hanomezana ny
fehin-kevitra hoentina any Tana sady hanomezana ny fitaovana entina miasa «INSTRUMENTUM LABORIS» amin’ny sinaody faha-7 dingana voalohany : Fianakaviana Eglizy kely miara-mivavaka, miara-mandalina ny finoana. Azo lazaina fa tena Pantekoty tokoa izay iainantsika any Andapa. Eglizy
miara-dia miombona mandray an-tanana ka irahina ho misionera tahaka tamin’ny Pantekoty voalohany. Manantena àry isika EOV mba hivelona io Pantekoty Vaovao hanaovantsika eo amin’ny diosezy «nouveau départ» io tokoa......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA -7 FANKALAZANA NY PAKA - TAONA D 2022

« Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao »


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza manetriketrika an’i Kristy niakatra any an-danitra manambara tanteraka fa nandresy tokoa Izy ary ny lanitra koa no tanjona ho antsika. Raha miresaka ny lanitra isika eto aoka hazava amintsika fa tsy hoe “lanitra” eo ambonin’ny lohantsika fa ilay toerana misy an’Andriamanitra ka hiaina ao anatin’ny fahasambarana sy fiadanana satria miara-miaina amin’Ilay hany Masina. Voalazan’i Md Paoly amintsika fa izay misy an’i Kristy no katsaho ary ny misy an’i Kristy dia any an-danitra toerana hasambarana ka izany ny mahatonga antsika milaza sy mino fa any ambony izy, any no misy ny fahasambarana. Ny lanitra dia ny fiombonana amin’Andriamanitra. Masina izay miombona amin’Andriamanitra.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY FANKALAZANA NY NIAKARAN'NY TOMPO - TAONA D 2022

« Raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra »


Ry Kristianina havana, efapolo andro lasa izay no nankalazantsika ny Paka, nankalazantsika ny nitsanganan’i Jesoa ho velona, izy izay tsy nanota dia nanaiky ho fahotana mba hanapotika ny fahotana ao am-pasana. Nalevina izy ka nalevina niaraka Aminy ny fahotana Nitondra fiainam-baovao ho antsika izy ka nahatonga antsika ho zava-boahary vaovao, ho Eglizy Olona Velona tokoa imanorina Eglizy Tranon’Andriamanitra dia ilay tranobe iombonantsika nolazain’ny Papa Ray masina tamin’ny Karemy. Fa noho ny fahotantsika dia potika ny tontolom-piainantsika satria tsy voakolokolontsika noho ny fitiavan-tena noterentsika manaraka ny sitrapontsika ka lasa fahavalo ny zava- boahary ary izany no mahatonga antsika ho sahirana.........[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA -6 FANKALAZANA NY PAKA - TAONA D 2022

« Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo » (Jo. 14 : 27) »

Ry Kristianina havana, Alahady faha-6 amin’ny Paka izao ka tsy mahagaga raha mampitodika antsika sahady amin’ny aorian’ny Paka izany hoe ny hivelomantsika ny Paka ka ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amintsika nandritra izay Alahady dimy izay dia nentina nanampy antsika nandalina ny toe-panahin’i Kristy sy ny toe-piainan’i Kristy mpiandry ondry tsara, Kristy endriky ny famindram-po, Kristy velona eto amintsika, Kristy foto-boaloboka. Koa amin’izao ny vakiteny dia manampy antsika hiaina, hivelona ireo toe-panahy rehetra ireo ka hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA araka ny averimberintsika mandritra izao Sinaody izao. Mino aho fa efa manomboka ho takatsika tsara ny tanjon’ny Sinaody.
Tsy hoe hiady irery isika na hikombona rehefa eo anivon’izao tontolo na dia tsy anisan’izao tontolo izao fa nomen’i Jesoa ny Fanahiny Masina, ilay Fanahy izay niasa tao Aminy ka nampibaribary ny fiombonan’ny Trinite masina ka ho Olo Araiky tokoa, ho Ray, Zanaka, Fanahy Masina
......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA -5 FANKALAZANA NY PAKA - TAONA D 2022

« Didy vaovao no omeko anareo, dia izao : Mifankatiava » (Jo. 13 : 34) »

 
Ry Kristianina havana, araky ny efa naverimberintsika, isaky ny Alahady dia atolotry ny Eglizy amin’ny alalan’ireo vakiteny ny endrik’i Kristy, ny toe-piainany sy ny toe-panahiny izay ho sakafom-panahintsika sy ho banjinintsika ary indrindra hiainantsika ka hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA, zary ho mpiara-belona amin’olona satria isika izao no Kristy velona, Kristianina mpanara-dia an’i Kristy. Izany ny vokatry ny Paka ka hahatonga antsika ho EOV manorina ETA dia ilay tranobe iombonana ka hahatonga antsika ho taranaka mpanorina hizara sy hamafy fanantenana ary ny fiadanana. Azontsika ognona tsara ny anton’ny hanaovantsika izao Sinaody izao mba hahaizantsika hamahatra tsara amin’ny finoantsika na dia tsy lavorary fa efa miroso amin’ny fampitrahofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro........[..........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..