Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FIOVAN'NY TOMPO TAREHY

Ity no Zanako malalako, henoy izy

 
Ry kristianina havana, amin'izao 06 aogositra izao no ankalazain'ny Eglizy ny fiovan'i Jesoa tarehy teny an-tendrombohitra ka anolorany amintsika sahady amin'izany fankalazana izany : Voalohany ny toetran'i Jesoa rehefa tafatsangan-ko velona izy sy ny faharoa ny toetra miandry antsika, ny fahatelo dia tsy maintsy miombona ao amin'Andriamanitra Ray isika raha miaraka amin'i Jesoa.
Ireo vakiteny aroson'ny Eglizy amintsika àry androany dia fantatra fa manampy antsika tokoa hibanjina an'izay fiainana izay. Ny antony dia fantantsika fa havesatra amintsika tahaka ny nahavesarany tamin'ny mpianatra ny hahita an'i Jesoa hifantsika amin'ny hazo fijaliana satria
manambara faharesena, manambara ny fahalavoan’i Jesoa ary fantatr’i Jesoa izany.
Izay lalovany no tsy maintsy lalovantsika ihany koa ka mety ho sarotra amintsika ny hiatrika an'izay fitondrana ny hazo fijaliana izay amin'ny lafim-piainantsika maro isan-karazany.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-18 MANDAVANTAONA D2022

NY VOLA NATAO HANOMPO FA TSY HOTOMPOINA


Ry kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia nandinika sy nibanjina ary azo lazaina aza fa niezaka isika mba hahafantatra ny anjara toeran'ny vavaka eo amin'ny fiainantsika. Tsy mahagaga moa izany satria ny vavaka no tena votoatin’ny maha-Kristianina antsika. Io no tena manan-danja amintsika. Ny vavaka dia fiombonana amin'Andriamanitra ary izany no nahatonga an'i Jesoa nampianatra antsika ilay vavaka tsy manampaharoa ka antsointsika Vavaky ny Tompontsika dia ny Rainay any an-danitra izay azo lazaina fa manambara fiombonana amin'Andriamanitra sy fiombonantsika samy isika. Izay no nahatonga antsika nanipika fa tena sarobidy tokoa izao Sinaody izao satria tena manampy antsika hivelona izay voalaza ao anatin’io vavaka io. Voalaza ao daholo manko ny fiainana mahazanak’Andriamanitra antsika. Araka ny voalazantsika dia mizara roa io vavaka io dia ny voalohany mampitodika antsika amin’izay fiombonana amin'Andriamanitra izay ary ny tapany faharoa manipika izay mampiombona amin'ireo manodidina antsika......[.......]

 

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-17 MANDAVANTAONA D2022

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava,dia hahita; mandondona, dia hovohaina

 
Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa faha-16 mandavantaona isika nibanjina sy nandinika ny mety hivelomantsika ny finoana ka ho tany lonaka hiasan'Andriamanitra ka hampivelatra azy sy hampamokatra azy izany hoe hahatonga antsika ho fanasina sy ho fahazavana eo anivon'ny fiainantsika. Raha ataontsika amin’ny teny hafa ka ampifanarahantsika amin’ny teny fanevan’ny Sinaody dia zary Olon-dehibe amin’ny finoana isika. Ho EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA, MIARA-DALANA, IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Raha tamin’ny Alahady teo dia no nibanjinantsika ny fomba handraisana sy hifandraisana amin'ny manodidina antsika ka ny fomba nandraisan'i Maria sy Marta an'i Jesoa no nodinihintsika ary notsipihintsika tsara fa mifameno ny fandraisan’i Maria sy Marta an’i Jesoa. I Maria nihaino an’i Jesoa. Fahaiza-mihaino, mihaino « amin’ny sofin’ny fo » hoy isika no fototry ny fahombiazan’ny Sinaody.....[.......]

 Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-16 MANDAVANTAONA D2022

Nandray Azy tao an-tranony i Marta, fa i Maria kosa no nifidy ny anjara soa indrindra.

 
Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nandinika, nandalina sy nibanjina ny tena votoatin'ny fiainantsika isika fa indrindra amin'izao fandalinam-pinoana mandavantaona ataontsika izao dia ny fitiavana izay nasongadintsika tsara fa tsy sentosento ary lavitra ny fihatsaram-belatsihy fa mila fahafoizana, mila an'izay fitsaboana tahaka an'ilay Samaritana nikarakara an'ilay maratra ary tsy iza io Samaritana io fa i Jesoa izay nitondra tany amin’ny tranom-bahiny ary nilaza tamin'ny tompon-trano mba hikarakara ilay marary. Izay tokoa no natolotr'i Jesoa amintsika izao, isika sy ny Eglizy no
tompon-trano tsy maintsy mikolokolo fa indrindra amin’izao andro sarotra izao......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-15 MANDAVANTAONA D2022

“Mandehana àry, ka manaova toy izany koa”.


Ry kristianina havana, miroso hatrany isika. Miatrika ny Mois Sacerdotal ny pretrantsika. Anisan’ny dinihin’izy ireo manokana ny vokatry ny Sinaody faha-7 mba ahafahantsika miatrika ny Sinaody any Vohemar. Entintsika am-bavaka izy ireo mba ny Fanahy Masina no hanilo azy fa indrindra hiatrika ny laretirety izy.
Amin'izao Alahady faha-15 mandavantaona izao dia aoka ho tsarovantsika fa eo anivon'ny dia sady ady no tsy ivelomantsika ny finoantsika isika araka ny voalazantsika matetika. Ady amin’ny ratsy izay mitady handrendrika antsika amin’ny alalan’ny rafi-potoana mikiky antsika fa dia mitondra antsika amin’ny fivelaram-piainana anatin’ny rafi-pivelomana ny maha-zanak’Andriamanitra. Aza adino koa fa ny finoana dia tsy tany malemy anorenam-pangady fa tany lonaka hiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra mitondra antsika amin’ny fiainana mamokatra ho antsika sy ireo manodidina atsika ka mahatonga atsika ho fanasina sy fahazavana. Izany no tanjona ny ezaka rehetra iarahantsika manao amin’izao Sinaody izao ka hahatonga antsika ho EGLIZY VELONA VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA MIARA-DALANA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO MISIONERA TABERNAKLA VELONA......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..