Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-22 MANDAVANTAONA D2022

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


Ry kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia natintraterin'i Kristy amintsika fa tsy maintsy miditra amin'ny varavarana ety isika raha te-hiditra amin'ny fianakaviamben'Andriamanitra, ho olo araiky ao amin'Andriamanitra. Araka ny antiranterintsika fa izay safidy izay no ambaran'i Jesoa amin'izay varavarana ety tsy maintsy hidirantsika izay. Mila toetra manokana izany hahatonga antsika ho Olo Araiky ao amin'ny Trinité masina. Izany koa ry Kristianina havana amin'izao Alahady faha-22 mandavantaona izao ny votoatin'ireo tenin'Andriamanitra izay halalinintsika fa indrindra moa anatin'ny mandavantaona fandalinam-pinoana isika izao ary indrindra miatrika izao Sinaody faha-7 izao izay efa akaiky dia akaiky ny famaranana ny dingana voalohany. Ny faniriantsika dia ny ho EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA, MIARA-DIA, MANDRAY AN-TANANA KA ZARY MISIONERA TABERNAKLA VELONA......[..........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-21 MANDAVANTAONA D2022

Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefanahipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra


Ry kristianina havana, raha tamin'ny herinandro lasa isika nandinika sy nibanjina an'i Masina Maria nampakarina any an-danitra vatana sy fanahy ary any tokoa no toerana iombonantsika dia olo araiky amin'ny Trinité Masina tokoa isika. Ny fampianarana androany Alahady faha-21 mandavantaona izao dia manatitrantitra fa sady noharian'Andriamanitra ho fianakaviana iray eto an-tany isika no fianakaviana iray any an-danitra. Io ilay averimberintsika Olo Araiky isika Jiaby ary am-panetren-tena no ilazana azy fa nohamafisin’ny Papa tamin’ny Antsikilikany Fratelli Tutti izany.
Ny vakiteny voalohany dia manambara amintsika fa antsoin'Andriamanitra hiverina sy hiombona aminy ny firenena rehetra ho Olo araiky ao aminy na ny avy atsimo, na ny avy avaratra, na ny avy antsinanana na ny avy andrefana dia hiombona ho iray ao amin'Andriamanitra ary izay ny voninahitr'Andriamanitra : isika ho Olo Araiky ao Aminy......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 AOGOSITRA - FANKALAZANA NAMPAKARANA AN'I MASINA MARIA AN-DANITRA

MASINA NAMPAKARINA VATANA SY FANAHY ANY AN-DANITRA


Ry Kristianina havana, omaly Alahady, Alahady tsotra faha-20 mandavantaona dia nolazaintsika fa na dia somary manahirana aza ny Tenin’Andriamanitra dia nasongadintsika fa mitaky safidy ny fiainana ary io safidy io no afo, motro mandoro manavaka ny ratsy ka mametraka antsika amin’ny tena lalana. Aoka tsy ho varimbariana tokoa isika fa mila safidy matotra izao fiainana izao fa ady sady dia ny fiainana. Aoka hitodika sy hifikitra mandrakariva amin’i Kristy izay hany harena sarobidy. Miantso antsika sy maniraka antsika koa i Kristy amin’izao vanim-potoana iainantsika izao satria isika no Kristy mpiara-belona, taranaka manorina ny fiainana araky ny sitrak’Andriamanitra fa tsy taranaka mandrava. Izany no ezaka tanterahantsika amin’izao sinaody izao. Ho tody soa aman-tsara isika amin’ny fikarakarantsika ny tranobe iombonana ka afaka hivelona sy hivelatra anatin’ity tranobe ity ary hahita ny tena fampandrosoana marina dia ny fampandrosoana ny maha-olona sy ny olona manontolo........[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-20 MANDAVANTAONA D2022

Tsy tonga hitondra fihavanana Aho, fa fampisarahana aza.

 
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-20 mandavantaona izao dia somary manahirana ny mandre ny tenin'Andriamanitra noho izy mifanohitra amin'ny mahazatra antsika. Matetika ny teny ampiasain'i Jesoa dia ny fitiavana , ny fiombonana, ny fihavanana, ny hasambarana, nefa ny teny amin'ny vakiteny telo atolotry ny Eglizy androany dia toa mifanohitra amin'izany ; herisetra, hetraketraka no azo lazaina itambaran'izy telo. Ny ao amin'ny vakiteny voalohany, i Jeremia dia voahetraketraka iadian'olona sy tadiavin’ny olona hovonoina aza. Ny ao amin'ny vakiteny faharoa dia manambara ny hetraketraka ihany koa, ary amin'ny Evanjely dia i Jesoa milaza fa " tsy tonga hitondra fihavanana
aho fa fampisarahana aza, hitondra afo eto ambonin'ny tany aho". Ahoana izany fa hafahafa ny teniny? Izy ilay mpanjakan'ny fiadanana, tonga izy nanolotra ny ainy hampihavana.
Ry Kristianina havana, tsy hoe hampiady i Jesoa, sanatria na miteny an'io izy, na misy ny hetraketraka sy ny fanapotehana aza....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-19 MANDAVANTAONA D2022

MANOMÀNA VATSY SAHAZA NY MANDRAKIZAY

 
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-19 mandavantaona izao dia manentana antsika ny eglizy hanomana vatsy ho an’ny mandrakizay.fa indrindra ireo Tanora izay miomana hanao fivaniana masina any Antsirabe hiatrika ny JMJ. Tsy tanjona izany fa fanirahana fa indrindra moa ho antsika eto anivon’ny diosezy miatrika ny Sinaody fa “nouveau depart”. Izany no dikan’ny voady izay atrehintsika izao. Ny voady tokoa dia manambara fahafoizana ka manolo-tena amin’I Jesoa mba hanara-dia Azy akaiky kokoa. Hivelona ireo toe-panahy mampiombona amin’I Jesoa. Noho ny voadin’ny fahadiovana dia tokam-pilana ny fo ka amin’ny alalan’I Jesoa sy miaraka Aminy ary ao Aminy no itiavana sy anompoana ny manodidina fa indrindra ireo eo anivon’ny fiaraha-miaina. Torak’izany koa noho ny fahantrana dia tokana ny harena dia I Kristy. Noho ny voadin’ny fanekena sy fankatoavana dia ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no zary fiainana. Mitaky “rupture” izany rehetra izany. Izany hoe tsy maintsy “tapaka” eo amin’ny fiainana mahazatra sy ny fiainana voatokana......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..