Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-27 MANDAVANTAONA D2022

NY OLONA MANAM-PINOANA TSY MIANDRY VALISOA EO NOHO EO

 
Ry Kristianina havana, tamin’ny alahady lasa teo ny andron’ny lahika izay nandalinantsika manokana ny adidy miandry antsika amin’izao Sinaody faha-7 izao. Tany Lourdes niaraka tamin’ireo Zanaky ny diosezy any ivelany aho ary niaraka tamin’izy ireo namakafaka mikasika ny anjara toeran’izy ireo eo anivon’ny diosezy niaviany. Raha tena marina mba ho Eglizy velona velomin’ny Batemy, miara-dalana miombona mandray an-tanana irahina ho Misionera ho Tabernakla velona dia nihaino, nitandregny azy ireo ny amin’ny fahitana an’izany Fianakaviana Eglizy kely miara-mivavaka mandalina finoana izany. Nasaiko izy ireo mba handefa ny vokatry ny dinika natao amin’ny fifampitraofana any Vohemar izay efa tsy ela intsony ny hanaovantsika azy. Miroso isika. Tsy irery isika amin’izany satria ao anatin’ny volana Rozery isika izao ka miaraka amin’I Masina Maria, miaraka amin’I Mb Terezy kely......[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-26 MANDAVANTAONA D2022

Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana,ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ny fahalemem-panahy


Ry kristianina havana, nandinika manokana araky ny fampianaran’ny Eglizy ny mikasika ny harena isika tamin’ny Alahady lasa teo, tsy ny harena no ratsy ary anisan’ireo tsy maintsy katsahina izy. Ny tsara tsy maintsy tsipihina eto dia avy aiza io harena? Fomba ahoana ny fampiasaina azy? Ary toe-panahy ahoana no entina mivelona satria raha ny harena no zary Andriamanitra dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy. Raha lainga sy fitapitaka ary risoriso no nanangonana harena dia tsy azo ekena. Raha entinao hanilikilihana ny hafa dia tsy azo eken’ny ny Eglizy ihany koa. Raha fintinina dia tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy sy sitrak’Andriamanitra ny fomba nahazoana ny harena, ny fomba hampiasana ny harena ary ny tanjona ho tratrarina amin’ny harena. Naverimberina tamintsika ary natao ho teny faneva sy filamatra eo anivon’ny sekoly katolika izay manabe amin’ny lafiny rehetra ny maha-olona sy maha-zanak’Andriamanitra ny hoe : “Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro”......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-25 MANDAVANTAONA D2022

Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.


Ry kristianina havana, efa manakaiky ny fankalazana ny famaranana ny dingana voalohany amin’ny Sinaody faha-7 atrehintsika eto amin’ny diosezy ka hararaotintsika hatrany ny fifampitrahofantsika isaky ny Alahady tahaka izao hiarahan’ny fianakaviana Eglizy kely mivavaka sy mandalina ny finoana fa indrindra moa amin’ny mandavantaona dia mitohy ny vakiteny ka manosika amin’ny fandalinam-pinoana hahatonga antsika ho EOV manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra sy hahatonga antsika mpanorina tokoa araka ny lohahevitry ny Sinaody Eglizy Olo velona velomin’ny Batemy miombona miara-dia mandray an-tanana irahina ho Tabernakla velona.
Tsy hadino koa ny vokatry ny sinaody iombonana ka mbola mandalina azy ihany koa isika mba hahatonga antsika hanao “depart vaovao” tokoa.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-24 MANDAVANTAONA D2022

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka

 
Ry kristianina havana, raha Alahady maromaro izay no nandalinantsika sy nibanjinantsika fa raha te ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra, Fratelli Tutti, Mpiray tampo ao amin’ny Tompo, raha te-ho Olo araiky Isika Jiaby ao amin'ny Trinite masina dia tsy maintsy miditra amin'ny varavarana tery, tsy maintsy misy fahafoizana. Tsy mandeha ho azy ny finoana, hoy isika, tsy tany malemy anorenam-pangady fa tany lonaka iasan'ny fahasoavan'Andriamanitra izany ka io asan’ny fahasoavan’Andriamanitra io no tsy maintsy varavarana èty satria safidy no ataontsika ka mila fahafoizana. Tsy azo atao ny misabaka ka mitaky toe-panahy izany fahafoizana izany, mila fanetren-tena sy halemem-panahy ary fahatsorana lavitry ny fitsaraham-belatsihy izay heverin’ny maro ankehitriny “normaly”. Tsy afenina koa fa eo anatrehan’ny hetraketrak’izao tontolo izao izay toa mahomby raha jerena ety ivelany dia misy fotoana mila ho kivy isika ka amin'izao Alahady faha-24 mandavantaona izao dia asongadin'ireo vakiteny amintsika fa Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka tokoa Andriamanitra...[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-23 MANDAVANTAONA D2022

Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

 

Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy ho Fratelli Tutti ka Mpiray Tampo ao Aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an'ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy ary fahatsorana isika ary izay ny fanahafana an'i Kristy. Amin'izao Alahady faha-23 mandavantaona izao dia miombona amin'ireo hohamasinana pretra any Andapa amin’ny herin’ny niany. Enga anie hanahaka an’I Kristy izy ireo ka ho tanteraka amin’izy ireo tokoa ny foto-kevitra amin’izao alahady izao : “Izay tia mahafoy”. Mitaky fanetren-tena sy halemem-panahy ny fanarahan-dia an’I Jesoa....[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..