Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY 1 Fiavian'ny TOMPO - TAONA A "

"Koa aoka ary ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”


Ry kristianina havana, avy nankalaza ny famaranana ny Sinaody faha-7 tapany voalohany isika ka mbola mitamberina ao an-tsaintsika ireny fankalazana maro natao nankalazana an'izany ary miaraka misaotra an'Andriamanitra isika amin'ny fahasoavana rehetra noraisintsika. Tsy tanjona anefa izy ireny fa indrindra araka ny voalazantsika hoe tapany voalohany fa dingana sarobidy amin’izao fiarahantsika dia, Sinaody, izao. Manao depart vaovao, hoy isika, ahafahantsika miroso lalindalina kokoa hahatonga antsika ho EOV, Eglizy Olo velomin’ny Batemy, miombona, miara-dalana, mandray an-tanana irahina ho tabernakla velona.
Ny fankalazana tokoa no mifarana fa ny fiainana azy dia manomboka amin'izao araka ny torolalana nosoritana amintsika ireny. Italahoantsika mandrakariva ny Fanahy Masina hahatonga antsika ho fianakaviana “eglizy kely” miara-mivavaka mandalina ny finoana......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-34 FANKALAZANA AN'I KRISTY MPANJAKA

“Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.

Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady, faha-34 mandavantaona izao, dia famaranana ny taona litorjika no sady ankalazan'ny Eglizy an'i Kristy Mpanjaka. Misy akony manokana ho antsika EOV eto amin’ny diosezy ity fankalazana an’I Kristy Mpanjaka ity satria omaly isika no namarana ny Sinaody tapany voalohany ka nanolorana an’ireo tolo-kevitra maromaro entina hanaovantsika TOROLALANA PASTORALY HIVELOMANTSIKA NY VAVAKA SY NY FINOANA KA HAHATONGA ANTSIKA HO EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIARA-DALANA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA.
Miara-misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka soa aman-tsara ny fifampitrahofana teto Vohemar. Samy nahatsapa isika fa fa Pantekoty vaovao ho antsika ka hirosoantsika hanao fiaingana vaovao : DEPART VAOVAO......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-33 MANDAVANTAONA D2022

HO AVY NY FARANDRO ARY HOTSARAIN’ANDRIAMANITRA ISIKA


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika dia nandinika bebe kokoa ny ho avy, fiainan-ko avy, ny fitsanganan-ko velona ary araka ny naverimberintska fa arakaraky ny fieretretantsika ny hoavy sy fiheverantsika ny fahafatesana no hamolavolantsika ny fiainantsika andavanandro. Raha ny fihevitr'izao tontolo izao no entintsika mamaritra ny fiainan-ko avy izany hoe ny fiafarana, ny fahalevonana dia tsy mahagaga raha manaraotra ity fiainantsika ity hanaovana ny rendrarendra rehetra. Ny fahendren'izao tontolo izao no mibaiko ny fiainantsika ka mahatonga ny fahafatesana manjaka amin'izao androntsika izao: ny herisetra, ny fitapitaka, ny lainga, ny herin'ny haizina izay manapotika ny aina ka ny fahafatesana no eo anivon'ny fiainantsika. Vantany vao mihaino radio isika na mamaky gazety na mijery fahitalavitra dia mahatsapa isika fa fahafatesana no hita matetika satria ny fahendren'izao tontolo izao no andrafetana ny fiainantsika......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-32 MANDAVANTAONA D2022

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona. 

 
Ry Kristianina havana, tamin'ny voalohan'ny volana novambra isika no nahatsiaro ireo havantsika efa ao amin'ny fahasoavana sy fiadanana eo anivon’ny Trinité masina izany no dikan’ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina. Isan’andro isika mahatsiaro ireo Olomasina hita amin'ny kalandrié fa ny 01 novambra dia natokan'ny Eglizy ho andro manokana hahatsiarovantsika ireo olomasina rehetra. Ny hoe masina dia manambara fiombonana amin'Andriamanitra satria Izy irery no hany masina, izy no manamasina antsika : fiainana misy an'Andriamanitra sy miombona aminy izany hoe fampitraofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Ny 02 novambra kosa isika dia nivavaka manokana sy nandinika ny fiainan-ko avy ary ny anjara toeran'ny fahafatesana. Notsipihintsika tamin'io koa fa arakaraky ny fieritreretantsika ny fahafatesana no hanatanterahantsika izay atao sy hivelomantsika ny fiainantsika andavanandro. Raha fiafarana na fahalevonana ny fandraisantsika ny fahafatesana dia tsy mahagaga àry raha ny fahendren'izao tontolo izao no manentana ny fiainantsika raha hitantsika fa mifarana amin’ity fiainana ity ny fiainana. Fahendrena moa no ilazana azy fa ny raha ny tena fahendrena tsy mitondra amin'ny fahafatesana nefa izao tontolo izao mitondra amin'ny fahafatesana........[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-31 MANDAVANTAONA D2022

“Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona”.


Ry Kristianina havana, izao alahady faha-31 mandavan-taona izao no andro mialoha ny famaranana ny volan'ny raozery, rahampitso ny 31 oktobra. Hiditra amin’ny volana Novambra isika izany, andro vitsy sisa dia hanatanteraka ny tapany voalohany amin’ny FIARAHAN-DIA AMIN’IZAO SINAODY FAHA-7 IZAO. Volana Novambra mampiditra antsika ihany koa amin’ny TAOM- PIKATROHANA PASTORALY. Tena anatin’nykihon-dalana tokoa isika. Tandremo àry sao ho diso lalina isika ary tandremo koa sao ho diso ady hatrehina fa “ady sady dia” ny fiainana hoy isika.
Tamin'ny Alahady lasa teo isika nandinika ny toe-panahy lehibe amin'ny maha mpivavaka, Kristianina mpanara-dia an'i Kristy antsika, tsy inona izany toe-panahy izany fa misongadina be dia be ao amin'i Masina Maria dia ny fanetren-tena. Io no hanampy antsika hiaina ny toe-panahy tena Kristianina fa tsy ho tahaka an'ilay Farisianina izay nirehareha nipoerapoera satria nihevitra ny tenany ho nahavita zavatra.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..