Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-30 MANDAVANTAONA D2022

 Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho!’


Ry Kristianina havana, efa manakaiky tokoa ny fankalazana ny Sinaody. Araka ny efa nasongadintsika dia atolotry ny Eglizy amin’ny alalan’ny vakiteny fandalinana ny mikasika ny finoana sy vavaka. Ireo ihany koa no fototra ny dinika ataontsika amin’izao Sinaody izao. Manampy antsika amin’ny fiarahan-dia ataontsika miroso amin’ny Sinaody izany. Isaorana Andriamanitra. Anjarantsika ny manararaotra mikatroka amin’ny dinika ataontsika, amin’ny fifampitraohofana iarahantsika manao.
Izao Alahady faha-30 mandavantaona izao sady amin’izao volana Rozery izao no iarahantsika mitalaho amin’I Masina Maria ireo fahasoavana maro samy hafa mba hahatonga antsika ho tabernakla velona mpamafy famindram-po tahaka azy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Efa nohazavaintsika koa rahateo ny mikasika ny fivavahana, marina mila mivavaka isika ary mila an’izay fahasoavan’Andriamanitra izay fa ny marina ihany koa dia Andriamanitra mila antsika mba handray ny sitrapony ka afaka hizara ny sitrapony eo amin’ny mpiara-belona.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

01 N0VAMBRA - FANKALAZANA NY OLOMASINA REHETRA

Ry Kristianina havana, amin’izao voalohan’ny volana novambra izao no ankalazan’ny Eglizy amin’ny fomba manetriketrika ireo olomasina rehetra. Ny antony dia tsotra ihany satria tsy izay voasoratra ao amin’ny kalandrie mahazatra antsika ihany no olomasina fa izay miombona amin’Andriamanitra nandritra ny fiainany. Izay niainany teto ihany koa no iainany any an-koatra ka miombom-piainana miaraka amin’ny anjely midera an’Andriamanitra ireo havantsika olomasina sady reharehantsika satria tody soa aman-tsara any izy ireo no sady voninahitr’Andriamanitra. Izany tokoa no anton’ireny fankalazana ireny, ny fankalazana ny olomasina dia ny fankalazana ny voninahitr’Andriamanitra satria ireo olomasina ireo tsy hoe izy ireo no mendrika fa nandray an’Andriamanitra izy ireo, nantsoin’Andriamanitra hiombona Aminy ka nomen’Andriamanitra fahasoavana manokana ho fanehoana ny voninahiny satria ny antony voalohany indrindra ny fiainan’olomasina dia fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Masina tokoa izay miombona amin’Andriamanitra......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-29 MANDAVANTAONA D2022

Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy ?


Ry Kristianina havana lazaintsika matetika fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra. Amin’izao isika manomana akaiky dia akaiky ny fanatanterahana ny Sinaody faha-7 ho antsika izao dia atolotry ny Eglizy isaky ny Alahady tato ho ato avy amin’ireo Vakiteny ny fandalinana mikasika ny FINOANA izay fototra lehibe amin’ny dinika ataontsika : FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARA-MIVAVAKA MANDALINA NY FINOANA. Misaotra an’Andriamanitra isika noho izany. Anjarantsika no miroso lalindalina satria efa asehon’Andriamanitra antsika ny sitrany.
Tamin’ny Alahady lasa teo isika nibanjina manokana ny finoana izay nahitantsika taratra ny zava-niseho tamin’i Naàmana ilay Jeneraly Sirianina raha niditra tao amin’ny ranon’ny Joridany izy ka nadio ary afaka ny aretin-kodiny, niverina tamin’ny toe-batany teo aloha izy. Izany ny asan’ny fahasoavan’Andriamanitra vokatry ny finoana.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-30 MANDAVANTAONA D2022

Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho!’


Ry Kristianina havana, efa manakaiky tokoa ny fankalazana ny Sinaody. Araka ny efa nasongadintsika dia atolotry ny Eglizy amin’ny alalan’ny vakiteny fandalinana ny mikasika ny finoana sy vavaka. Ireo ihany koa no fototra ny dinika ataontsika amin’izao Sinaody izao. Manampy antsika amin’ny fiarahan-dia ataontsika miroso amin’ny Sinaody izany. Isaorana Andriamanitra. Anjarantsika ny manararaotra mikatroka amin’ny dinika ataontsika, amin’ny fifampitraohofana iarahantsika manao.
Izao Alahady faha-30 mandavantaona izao sady amin’izao volana Rozery izao no iarahantsika mitalaho amin’I Masina Maria ireo fahasoavana maro samy hafa mba hahatonga antsika ho tabernakla velona mpamafy famindram-po tahaka azy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Efa nohazavaintsika koa rahateo ny mikasika ny fivavahana, marina mila mivavaka isika ary mila an’izay fahasoavan’Andriamanitra izay fa ny marina ihany koa dia Andriamanitra mila antsika mba handray ny sitrapony ka afaka hizara ny sitrapony eo amin’ny mpiara-belona.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-28 MANDAVANTAONA D2022

“Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.


Ry Kristianina havana ao anatin’ny volana oktobra izay ibanjinantsika manokana ny maha-misionera antsika sy ny maha-iraka antsika isika. Vita batemy aho ka irahina ho vavolombelona eo anivon’ny mpiara-belona. Ny volana oktobra no ibanjinantsika koa amin’ny alalan’ny fanaovana ny raozery ny misterin’ny famonjena antsika iarahana amin’i Masina Maria. Izany no maha-misionera antsika, manorina EOV sy ETA ka manitatra ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly izay mahatonga antsika Kristianina, ho Kristy mpiara-belona amin’ireo manodidina antsika ka ho génération mpanorina. Ao anatin’izany indrindra isika no manomana akaiky dia akaiky ny fankalazana ny Sinaody faha-7 tapany voalohany : EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY, MIARA-DIA, MIOMBONA, MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Amin’izao tapany voalohany izao indrindra dia mifantoka amin’ny Fianakaviana Eglizy kely miara-mivavaka mandalina ny finoana isika.......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..