Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-14 MANDAVANTAONA D2022

Hitoetra ao amin’izany trano izany ny Fiadanana lazainareo


Ry Kristianina havana, araky ny averimberintsika matetika ny fotoana litorjika mandavantaona ohatrizao dia fotoana fandalinam-pinoana fa indrindra ao anatin’izao Sinaody faha- 7 izay efa hamarana ny dingana voalohany isika izay niarahantsika nanao tamin’ny Eglizy eran-tany. Marina tokoa izao ny fotoana tsara. Katolika aho mandalina ny finoako, Katolika aho mandray an-tànana ny finoako amin’ny alalan’ny hasim-pinoana sy firosoana ao anatin’ny vaomieran’asa sy fikambanana masina na ny firohotana. Katolika aho ka mankalaza ny finoako amin’ny alalan’ny litorjia, ka mahatonga ahy ho “TABERNAKLA VELONA” mamafy fiadanana sy fanantenana. Miroso manorina ny Trano Be Iombonana izay hita fa tena potika ankehitriny. Miroso miala amin’ny rafi-pahotana fa miroso manorina rafi-pivelomana hahitan’ny rehetra fivelarana ny mahaolona sy olona manontolo.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-13 MANDAVANTAONA D2022

IZAY MANARA-DIA AN’I JESOA NO TENA OLONA AFAKA….

 
Ry Kristianina havana, ao anatin’ny mandavan-taona isika ary atolotry ny Eglizy ho banjinintsika ny vôkasiona mba ahafahantsika tsirairay handinika ny vôkasiontsika. Indrindra miatrika izao sinaody izao isika ary manomana ireo fanamasinana sy voady eto anivon’ny diosezintsika. Samia àry samy mandini-tena ary indrindra fa manana adidy amin’ny vôkasion’ny hafa ianao. Izany indrindra no hafatra ao amin’ny vakiteny voalohany.
Ny tantaran’ny fiantsoan’i Elizea ho mpaminany mandimby an’i Elia no rentsika tamin’ny vakiteny voalohany. Andriamanitra no miantso, mifidy azy ho mpitondra ny hafany. Tamin’ny alalan’i Elia no nifìdianan’ny Tompo azy: Hosory ho mpaminany handimby anao i Elizea zanak’i Safata, avy any Abela Meholà. Fantatry ny Tompo tsara ny momba azy : sady mpamboly no mpiandry omby ; avy amin’ny fiianakaviana manana ny ampy tamin’ny fotoan’androny......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY FO MASIN'I JESOA

NY FON’I JESOA NO ILAY FO FATRA-PITIA NY OLOMBELONA.

 
Ry Kristianina havana, fotoan-dehibe ho antsika tokoa ity andro anio ity satria miaraka amin'ny Eglizy maneran-tany isika olo araiky ato amin'ny diosezy izay faly mifampiarahaba manokana satria andro ankalazantsika ny Fo masin'i Jesoa mpiaro antsika eto amin'ny Katedraly. Amin’ny Alahady no hankalazantsika an'izany toy ny isan-taona nefa noho ny daty mifanindry dia ataontsika amin’izao zoma izao ka mifanaraka tsara amin’ny andro fankalazana eran'ny diosezy, eran-tany koa ka an-kafaliana sy an-karavoana no iarahabana antsika mianakavy androany fankalazana ny Fo masin'i Jesoa mpiaro ny diosezintsika izao satria izay Mpiaro ny Katedraly Renin’ny Eglizy eto amin’ny diosezy no Mpiaro antsika tsiraikiray sy ISIKA OLO ARAIKY JIABY. Misy akony manokana ny fankalazana amin’ity taona ity satria ao anatin’ny fiatrehantsika ny Sinaody izao.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA VATANA AMAN-DRAN'I KRISTY

« Dia nihinana izy rehetra ka voky » (Lk. 9: 17)


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny Trinite Masina Andriamanitra tokana olona telo isika, isika jiaby dia oloaraiky ao amin’ny Trinite Masina, Fratelli Tutti hoy ny Papa François, Mpiray Tompo isika Jiaby. Sambatra isika mahalala fa anisan’ny Trinite Masina tsy noho ny fahamendrehantsika fa noho ny Famindrampon’Andrimanitra sy Fitiavany izay mibaribary tamin’ny fahafoizan’i Jesoa ny ainy teo amin’ny hazofijaliana. Nampihavanin’i Jesoa isika ka rava ny efitrefitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, efitrefitra mampisaraka antsika samy isika, efitrefitra mampisaraka antsika amin’ny zava-boary. Olom-baovao ao amin’ny Trinite Masina isika ka irahina hanorina ny Tranobe Iombonana. Izany ny antom-pisian’ny Sinaody ataontsika izao: Eglizy Olona Velo Velomin’ny Batemy miombona, mandray an-tanana, irahina ho Tabernakla velona. Io no départ vaovao andrasana amintsika jiaby.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

ALAHADY FANKALAZANA NY TRINITE MASINA TAONA D2022

« Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra » (Jo. 16: 13)


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny Pantekôty tamin’ny fomba manokana tany Andapa. Isaorana Andriamanitra. Lazaintsika fa tsy tanjona fa dingana lehibe. Départ vaovao hoy isika. Pantekôty Vaovao eto amin’ny diosezy. Ka amin’ny maha Pantekôty dia maniraka antsika hiroso amin’ny lalindalina koa. Raha tadidintsika dia enga anie ny fankalazana notanterahantsika nahatsapantsika ny asan’ny Fanahy Masina izay mampiombona antsika
amin’Andriamanitra ka mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ao amin’ny Trinité Masina. Izany no ankalazantsika rehefa mandray ny batemy isika satria mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra, ho fahariana vaovao.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..