Noratraina Izy noho ny fahotantsika
Ry Kristianina havana, ny Zoma masina no hibanjinantsika bebe kokoa ny fijalian’ny Tompontsika. Marina fa isan’andro isika rehefa manao ny famantarana ny hazofijaliana dia mibanjina ny fijalian’ny Tompo sy mandray ny vokatry ny fijaliana dia ny dinam-pitiavana izay tanteraka tamin’ny alalan’i Jesoa sy ilay fampihavanana ao amin’Andriamanitra Ray Trinite masina. Fampihavanana amintsika olombelona, fampihavanana amin’ny tontolo iainana, fahariana vaovao ny
dikan’ny fijaliana niainan’i Jesoa Tompontsika. Fantantsika nefa fa Izy izay tsy nanota nanaiky ho fahotana mba ho tanteraka ny dinam-pitiavana sy fanekem-pihavanana. Fahariana vaovao ho antsika ny fankatoavan’i Jesoa ny sitrak’Andriamanitra, izany no fototra amin’izao fankalazana ny Zoma masina izao. Noharian’Andriamanitra hitovy endrika Aminy isika. Tanteraka indray izany ankehitriny tamin’ny fanoloran’i Jesoa ny tenany teo amin’ny Lakroa.......[.........]
Dia farafitiavana no nataony taminy…..
FANDINIHANA NY FIJALIAN'NY TOMPO
Ry Kristianina havana, miditra amin’ilay herinandro lehibe amin’ny tantaram-pamonjena antsika isika amin’izao Alahady fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema izao izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Araky ny averimberina matetika amintsika dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany isika rehefa mankalaza fa noho ny fanentanan’ny Fanahy masina dia mivelona azy ary dia izany no irin’ny Eglizy sy anentanany antsika amin’izao Herinandro masina izao. Misy akony manokana izao fankalazana ny fototry ny Misterin’ny Famonjena antsika amin’izao fiatrehantsika ny Sinaody izao satria ny tanjona dia ny hahatonga antsika ho EOV, ho Eglizy Olo velomin’ny Batemy miombona miara-dalana mandray an-tanana zary Misionera Tabernakla velona.
Koa izao fankalazantsika an’i Jesoa miditra ao Jerosalema izao no mahatonga antsika manambara fa ny Alahadin’ny sampankazo dia manambara ny fidiran’ireo olona tao Jerosalema nitondra sampakazo nitsena an’i Jesoa. Niara-dia tamin’i Jesoa izy ireo niditra tao Jerosalema sady nandray
azy ho mpanjaka.....[......]
KRISTY NO FIAINANA SY FANANGANANA HO VELONA
Ry Kristianina havana, izao Alahady fahadimy amin'ny karemy izao no atokantsika iarahana manao pelerinajy, fivahiniana masina hiakatra eny amin’ny la montagne. Eny amin’ny “montagne de français” ho antsika eto andrenivohitry ny diosezy, hiaraka hiakatra any an-tendrombohitra isika, hiaraka handinika ny làlan'ny hazo fijaliana, hiaraka hivavaka mba hihavao tokoa ka hahafahantsika hiaraka hitsangana amin’I Kristy raha miara-maty Aminy amin'ny fahotana izany hoe hampiakatra ny fiainantsika mba tsy hirefarefa amin'ny tany. Nanaiky ho fahotana i Jesoa na dia tsy mpanota aza mba
hanavotra antsika ao anatin'ny fahotana ka hahazoantsika fiainam-baovao ao Aminy, izy tokoa ilay miara-belona amintsika.....[.......]
NY FINOANA AN'I KRISTY NO FAHAZAVANA VAOVAO
Ry Kristianina havana, mizotra hatrany ny DIA ary miatrika hatrany ny ADY isika, Alahady fahaefatra amin'ny karemy izao. Raha ny marina dia anio 19 Mars no mankalaza an’I Md Josefa ny Eglizy nefa noho anio alahady fahaefatra amin’ny Karemy dia natao rahampitso ny fankalazana.Aoka tsapantsika ihany koa fa izao 19 Mars izao ihany koa mampiditra antsika amin’ny fhasivinianandro manomanana antsika amin’ny 25 Mars ary ny herinandron’ny fivorian’I Mompera eto amin’ny diosezy izany hoe ny messe chrismale.
Ny tsara resahana amin’izao ankatokon’ny fankalazana an’I Md Josefa dia ireo toetrany satria raha mampirisika antsika hankalaza ireo Olomasina ny Eglizy dia tiany isika sady hatsiaro no hianatra izay niaina isika......[.........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA