Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-4 MANDAVANTAONA D 2022

« Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity? » (Lk. 4: 22)


Ry Kristianina havana, tena ao anatin’ny fivelomana ny mandavantaona tokoa isika izao, izany hoe vanim-potoana amin’ny fandalinam-pinoana, katolika aho ka halaliniko izay inoako. Tsy hoe halalinina fotsiny ka hikombona samirery fa ho tahaka an’I Jesoa tao an-tempoly nilaza hoe “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, irahinao hitory ny Vaovao mahafaly aho” izany no namaranantsika ny fandalinam-pinoana tamin’ny Alahady lasa faha-3 teo. Amin’izao Alahady faha-4 izao dia miditra lalindalina isika, miantso antsika Andriamanitra mba hampiombona ny olona rehetra satria Andriamanitra araka ny lohahevitra halalinintsika androany dia “Masoandro be lohataona ny fitiavany ka tsy mifidy olona hosoavina” izany hoe miantso antsika ho olo araiky ao Aminy Andriamanitra. Tsy mikombona ny finoana, katolika aho ka zaraiko izay inoako, katolika aho ankalazaiko izay inoako. Izany voalaza rehetra izany no votoatin’ny atao amin’ny Sinaody atrehintsika izao ary miainga any amin’ny fianakaviana “eglizy kely”. Any isika no MIARA-DIA, MIARA-DALANA KA MANDINIKA INONA MARINA MOA NY VOTOATIN’NY VAVAKA, NY VOTOATIN’NY FINOANA? NY MAHA-KATOLIKA ? ......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-3 MANDAVANTAONA D 2022

« Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra » (Lk. 1: 15)


Ry Kristianina havana, amin’izao mandavantaona izao dia fandalinam-pinoana no ataontsika izany hoe miainga amin’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao taonan’i Md Lioka izao, dia halalinintsika ny fiainan’I Jesoa mba ho zary fiainantsika, izany ny maha-kristianina mpanara-dia an’i Kristy antsika. Izany indrindra no ezaka tiantsika atao sy tanterahina amin’izao SINAODY IZAO hahatonga antsika ho EGLIZY OLONA VELONA MIARA-DIA VELOMIN’NY BATEMY KA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA ZARY TABERNAKLA VELONA. Raha atao amin’ny teny hafa ny tanjona dia ny hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ; Katolika aho ka mivelona ny finoako. Katolika aho ka raisiko an-tànana izay inoako, ankalazaiko izay inoako, Eglizy Olona Velona tokoa aho.
Amin’izao Alahady faha-3 mandavantaona dia manohy ny fianarana ny fiainan’I Jesoa isika mba ho KRISTIANINA. Miaraka amin’I Md Lioka isika amin’ity taona D ity fa I Md Joany kosa no novakiana tamin’ny Alahady lasa, mitantara ny fanovan’I Jesoa ny rano ho divay, izay manambara fa eo anivontsika I Jesoa.....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-2 mandavantaona D 2022

« Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany » (Jo. 2: 11)

Ry Kristianina havana, azo lazaina fa mihazakazaka ny fizotry ny litorjia tamin’ity taona ity satria vao avy nankalaza ny noely dia nankalaza ny Epifania dia tamin’ny Alahady lasa teo no namarana ny vanim-potoan’ny noely isika. Eo am-pamaranana ny Eokaristia no lazaina ny datin’ny Paka. Izany hoe ny vanim-potoana mandavantaona manomboka izao dia fandalinam-pinoana mitondra antsika amin’ny Paka. An-kafaliana àry no anambarana amintsika eto fa ny FANKALAZANA NY PAKA AMIN’ITY TAONA 2022 ITY dia ny ALAHADY 17 AVRIL 2022 KA NY ALAROBIA LAVENONA FANOMBOHAN’NY KAREMY DIA 2 MARS 2022. Araka izay voalaza izay dia nofaranantsika tamin’ny Alahady lasa teo tamin’ny fankalazana ny batemin’ny Tompo ny vanim-potoanan’ny Noely. Batemin’I Jesoa izay manambara ihany koa fa ny batemintsika tsy batemy fibebahana fotsiny fa batemy mampiditra antsika ho zanak’Andriamanitra......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TORITENY ALAHADY FANKALAZANA NY BATEMIN'NY TOMPO - TAONA D 2022

« Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa» (Lk. 3: 21)


Ry Kristianina havana, izao Alahady fankalazana ny batemin’ny Tompo izao no amaranantsika ny fankalazana ny Noely ka hidirantsika amin’ny mandavantaona. Nohalalinintsika nandritra ny Noely fa Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanitsika fa eo anivontsika, eo anivon’ny vahoakany. Andriamanitra miara-dia amin’ny vahoakany tokoa, amin’ny fianakaviana. Izany no ataontsika sy tanjony tratrarintsika amin’izao Sinaody izao. Ho Eglizy Miara-dia, miara-dalana amin’ny mamakivaky ny fiainana. Atomboka any amin’ny fianakaviana, “eglizy kely” izany eglizy miara-dia izany ka “eglizy kely” miara-dia amin’ny zavaboary satria fianakaviana mikolokolo sy miaro ny tontolo ianana. Eglizy kely miara-dia miara-mivavaka sy mandalim-pinoana, miombona, mandray an-tanana amin’ny alalan’ny fifanajana sy fahafoizana ary fanompoana ka mivelona ny fihavanana sady kristianina no Malagasy.......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY EPIFANIA TAONA D 2022

“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”


Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. TSY ANDRIAMANITRA LAVITRA NY ANDRIAMANITSIKA. Ary Izy Andriamanitra no misahirana noho ny fitiavana ka manaiky hitoetra eto anivontsika. Andriamanitra miara-monina amintsika no Andriamanitsika. Mibaribary izany amin’izao Alahady ny Epifania izao. Izao Alahady izao tokoa no hankalazantsika ny nisehoan’ny Tompo. Mbola anatin’ny Noely izany izao alahady izao. Niseho tamin’izay vonona handray Azy izy Tompo. Raha mandinika isika dia ireo feno faniriana ka nitady Azy nefa raha ny tena marina Izy Tompo araka ny voalazantsika no misahirana. Tonga izy ho an’izay feno fahamarinana, fanentren-tena sy fahatsoram-po, toa an’ i Maria, Josefa ka zary fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona Azy ary torak’izany koa ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela : Andriamanitra eto amintsika. Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy toerana ho azy ireo tao an-trano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny......[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..