Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-27 mandavantaona B2021

Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona “ (Mk. 10, 9)

 
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady 3 Oktobra 2021, Alahady tsotra faha-27 mandavantaona izao no mankalaza amin’ny fomba manetriketrika isika eto amin’ny diosezy ny faha-120 taonan’ny ETA eto amin’ny Joffre-ville ary indrindra hidirantsika amin’ny fankalazana ny SINAODY ka ny lohahevitra sady tanjona no toe-panahy manentana antsika dia ny hoe EGLIZY VELONA, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Mahavariana ny fandaharan’Andriamanitra fa ny lohahevitra amin’izao alahady faha 27 dia mikasika ny dinika irintsika atao : fianakviana iray ny Olombelona…Tsara ihany koa ny manamarika fa ao anatin’ny volana oktobra isika izao ka miaraka amin’I Masina Maria amin’ny alalan’ny raozery masina izay ibanjinana sy andalinantsika ireo mistery efatra ny misterin’ny famonjena dia ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, mistery faharoa mistery famirapiratana fahazavana, mistery izay I Md Papa Joany Paoly faharoa no namorona azy, mistery ibanjinantsika ny asam-pamonjena notanterahin’I Jesoa rehefa nitoriteny Izy, fahatelo mistery mampalahelo ibanjinantsika ny fanolorantenan’I Jesoa ho fanavotana antsika ary fahaefatra ny mistery be voninahitra izay maneho ny fitsanganan-ko velona.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-26 MANDAVANTAONA B2021

“ Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39)“

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika nanantitrantitra ireo toetra fototra lehibe nahatonga an’i Jesoa nanambara fa tsy maintsy manana ny toetry ny zazakely isika eo amin’ny fifandraisantsika andavanandro sy nilazany koa fa izay te ho lehibe aminareo aoka izy ho tahaka ny zazakely ary ho vonona hanompo satria izany no làlana hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’ny fiainana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Averintsika vetivety ireo toetry ny zazakely tsara ananana : fitokisana an’Andriamanitra, fahatsorana mitondra amin’ny marina mandrakariva ary fahadiovam-po.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-25 MANDAVANTAONA B2021

 “NY FIALONANA MANDRAVA FITIAVANA, NY FANETREN-TENA AHAVITANA SOA”

 

Ry kristianina havana malala, efa akaiky tokoa ny fankalazana ny SINAODY sy ny fankalazana ny faha-120 taona ny ETA eny Joffre-Ville. Tsy afaka misaraka ireo satria manambara fa efa mivahatra ny finoana na dia tsy lavorary ka izay indrindra anefa no hamafisintsika amin’ny SINAODY izay iombonantsika amin’ny sinaody eran-tany izay lohahevitra mifanojo amin’ny sinaody ataontsika na ny lohateny aza : fanirahana, fandraisana an-tanana, fiombonana (mission, participation, communion). Tsy ho ela dia ho eo am-pelantantsika ny taratasy fiantsoana ny Sinaody amin’ny fomba ôfisialy araka ny lalàn’ny Eglizy. Manaraka eo ihany koa ny anaran’ireo tendrena hanatrika ny sinaody araka ny sokajiny avy. Matoa imbetsaka i Jesoa no manambara ny fijaliana sy ny fahafatesany. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Marka dia intelo i Jesoa no nampianatra sy nanambara mialoha tamin’ireo mpianany ny Misterin’ny Pakany.......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-24 MANDAVANTAONA B2021

Avy ao Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo, ary teny an-dàlana dia nanontany ny mpianany izy nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa aho?


Ry Kristianina havana malala, andro sarobidy ho antsika ity andro ity, andro mialoha ny fankalazana ny Fanandratana ny Hazofijaliana satria niany isika no handray fahasoavan-dehibe amin’ny alalan’ny fanamasinana ho pretra sy diakra ireto havantsika. Manambara fa mitohy hatrany ny vanim-potoana hirosoantsika amin’ny « départ vaovao » ao anatin’ny Pantekoty Vaovao, omban’ny Fahasoavan’Andriamanitra. Anisan’izany fahasoavana raisintsika ny fametrahana ireo Masera nialoha lalana miandry ny fitsanganan-ko velona ao amin’ny fasana vaovao niaraka tamin’ny voadin’ireo zandriny, zanany. Izany no manaporofo fa Olo Araiky ao amin’Andriamanitra Isika Jiaby araka ny fiekem-pinoana ataontsika « Izaho mino ny fiombonan’ny Olomasina… ». Ataoko fa mazava amintsika tsara amin’izao ny dikan’ny litanian’ny Olomasina amin’ny fanamasinana sy amin’ny voady...[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-23 MANDAVANTAONA B2021

« Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 37)“

Ry Kristianina havana, anio alahady faha-05 n’ny volana septambra no idirantsika amin’izao fanjava vaovao izao ary mitondra amin’ny fanokafana amin’ny fankalazana ny faha-120 taonan’ny eglizy trano Masina Misely Arkanjely eny Joffre Ville ary indrindra hanokafantsika ny SINAODA ka hiarahantsika mamakivaky ny fiainantsika izany hoe HIARA-DALANA isika handinika ny fiainantsika mba hahafahantsika manao “départ vaovao” ao anatin’ny Pantekoty vaovao. Misy fotoana eo amin’ny fiainantsika iatrehana zavatra maro mifamahofaho sy manahirana ary mahakivy ka very fanahy mbola velona isika miatrika ireny zava-misy mikiky ny fiainantsika mampitebiteby antsika ireny. Lazaina izany fa indrindra isika miatrika izao fiainana mangidy amin’ny maro izao. Izany indrindra anefa no mahatonga antsika entanin’ny finoana, sy fanantenana ary fitiavana araka ny averimberintsika : OLOM-PINOANA ISIKA, OLON’NY FANANTENANA, OLOMPITIAVANA manatanteraka izao SINAODA izao mba hanome aim-baovao entanin’ny Fanahy Masina ka ahafahantsika miroso ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA MANORINA ETA.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..