Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-17 MANDAVANTAONA B2021

Velomin’Andriamanitra amin’ny mofo avy aminy isika

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo Alahady tsotra faha-16 mandavantaona no nanamasinantsika ireo pretra izay manamarika ny fidirantsika amin’ny sinaody, hoy isika. Mbola hisy fotoana hamakafakana ireo dinika maro samihafa tsy maintsy hiatrehantsika an’izany sinaody izany, izany hoe ny fankalazana ny sinaody. Mbola hisy fanokafana ny fanombohana hidirantsika amin’ny fiarahana mamakivaky ny lalan’ny sinaody ka amin’izay isika no manoratra ny lohahevitra, ny fomba entina miasa sy kalendrie hiainana ary indrindra ny vavaka hanentanana antsika. Ny zava-dehibe dia samy fola-kevitra isika fa mila manao “nouveau départ”, Pantekoty vaovao isika tolagna ka hiroso mba ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Ny faniriana sy ny tanjona dia mba hiroso ho génération Mpanorina tokoa manorina Fianakavian-janahary, ho fianakaviamben’Andriamanitra isika Jiaby ho FRATELLI TUTTI ho OLO ARAIKY ISIKA JIABY......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-16 MANDAVANTAONA B2021

« Ary nony nivoaka avy tao antsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy » (Mk. 6: 34)

Ry Kristianina havana, izao Alahady tsotra faha-16 mandavantaona izao no no hanamasinantsika ireo pretra izay manamarika ny fidirantsika amin’ny sinaoda. Mbola hisy fotoana hamakafakana ireo dinika maro samihafa tsy maintsy hiatrehantsika an’izany sinaody izany, izany hoe ny fankalazana ny sinaody. Mbola hisy fanokafana ny fanombohana hidirantsika amin’ny fiarahana mamakivavaky ny lalan’ny sinaody ka amin’izay isika ny manoratra ny lohahevitra, ny fomba entina miasa sy kalendrie hiainana ary indrindra ny vavaka hanentana antsika. Ny zavadehibe dia samy folan-kevitra isika fa mila manao “nouveau départ”, Pantekoty vaovao isika tolagna ka hiroso mba ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA......[...........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-15 MANDAVANTAONA B2021

« NOFIDIN’ANDRIAMANITRA ISIKA MBA HIRAHINY”

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady tsotra faha-14 mandavantaona lasa teo isika nibanjina an’i Jesoa teo anivon’ny mpiray tanindrazana aminy kanefa tsy nahay nandray azy izy ireo na dia nitolagaga aza tamin’ny fahaizany niteny ka nahatonga an’i Kristy nanambara fa tsy misy mpaminany tsy henin-kaja hafa tsy amin’ny taniny sy ny fianakaviany ihany. Araka ny voalazan’ny Evanjely ao amin’i Md Marka dia tsy nanao famantarana firy i Jesoa tamin’ny tanindrazany. Izany zava-niseho tamin’i Jesoa izany dia mety mitranga koa amin’ny fiainantsika andavanandro ka mahatonga antsika madini-tena fa na dia maro aza ny fanenjehana sy fanaratsiana dia tsy maintsy mijoro ho vavolombelona isika, mijoro ho EOV fa indrindra amin’izao andro sarotra diavintsika izao noho ity KORONTANAVIRUS ity. Mitodika any Tsiroamandidy ny Eglizy eto Madagasikara. Any Tsiroanimandidy tokoa amin’ity Alahady 11 Jolay ity izay andro ahatsiarovana an’I Md Dominique Mpanorina Fikambanana no hanamasinana ho Eveka an’I P Gabriel. Mahazo Eveka ny diosezin’I Tsiroamandidy rehefa niandry ny Mpiandry ondry nandritra ny taona maromaro. Manantena isika fa tsy ho ela koa ireo diosezy tsy mbola manana eveka ary indrisy aty amin’ny Prôvensy eklesiastika avaratra no diosezy kamboty. Manentana antsika hanao vavaka totoafo mba ho tendren’I Papa tsy ho ela ireo eveka ireo.......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-14 MANDAVANTAONA B2021

« NA OSA AZA ISIKA EO I KRISTY HO HERINTSIKA… »

Ry Kristianina havana mitohy hatrany ny dia na dia eo aza ny ady amin’ity KORONTANAVIRUS ity izay mitady hanapotika hatrany ny fiainantsika manontolo. Krizy maro lafy, hoy isika, fa tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny. Raha ny Evanjely tamin’ny Alahady lasa teo no jerena dia maro ireo olona natoky sy nino an'i Jesoa ho Andriamanitra, ka nahazo fanasitranana sy ny fahasoavana tamin'ny fanahy amam-batana. Matokisa hatrany isika fa na dia mila ho rendrika aza isika « na osa sy malemy aza isika fa raha eo anivontsika i Jesoa dia izy no herintsika ». Izany no fotokevitra amin’izao Alahady faha 14 mandavantaona izao. Matetika diso fomba fijery isika. Matetika tokoa isika fa isika no mila an’Andriamanitra fa indrindra rehefa tojo fahasahiranana. Raha ny marina Andriamanitra no mila antsika. Izany hoe mila antsika mino azy Izy mba ahafahana manatantanteraka amin’ny alalantsika ny sitrapony ary tokana ny sitrapony dia isika ho voavonjy, ho sambatra. Izany ihany koa ny dikan’ny fivavahana. Raha ny tena marina mivavaka isika satria ilain’Andriamanitra hatoky Azy ka ahafahany miasa amin’ny alalantsika......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-13 MANDAVANTAONA B2021

« Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao ; mandehana amim-piadanana » (Mk. 5: 34)

Ry Kristianina havana, omaly isika no niaraka nankalaza ny fetim- pirenentsika. Ao anatin’izao fotoana mangidy izao no hibanjinintsika ny fiainan’ny firenentsika. Milaza miaramahita fa tsy mbola vita ny ady, mbola manjaka indrisy ny fahantrana izay tena mikiky antsika. Mananatra antsika sahady ny tenin’Andriamanitra izay atolotry ny Eglizy amin’izao Alahady faha-13 izao fa indrindra ny taratasin’I Md Paoly amin’ny vakiteny faharoa. Mbola hiverenantsika lalindalina rehefa avy eo. Izao Alahady tsotra faha-13 mandavantaona izao ihany koa no alahady amaranantsika an’ity volana Jiona volan’ny Fo Masin’I Jesoa ity ary anombohantsika ihany koa ny fanjava satserdotaly ny mois sacerdotal, volana manandanja ho antsika eto amin’ny diosezy satria fotoana hivorian’ny pretra rehetra eto amin’ny diosezy. Entintsika am-bavaka mba hizotra izany fihaonana izany......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..