Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-29 mandavantaona A2020

NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA

Ry Kristianina havana, ao anatin’ny volana oktobra, volan’ny mission izany hoe handinhintsika manoka maha EOV MISIONERA antsika ary tsy irery isika fa miaraka amin’I Masina Maria mibanjina ireo mistery mandrafitra ny famonjena antsika. Ao anatin’izany no anaovantsika DEPART VAOVAO hirosoantsika miatrika ity KORONTANAVIRUS ity izay naverintsika mitaky “changement radical” fiovam-penitra mahery vaika. Manantena isika fa ho tena Pantekoty vaovao. ADY sady DIA ny fiainana ADY amin’izay ratsy manakorontana sy manapotika DIA mitondra antsika amin’ny fiainana. Fantaro hoy ny Papa François eo anatrahan’izao krizy mafy dia iray alahany na resy io korontana raha mahay miray hina isika na rendrika isika raha samy mandeha samy mitady (io no andikako ny tenin’I Papa tamin’ny audience Générale tamin’ny 23 septembre : soit nous travaillons ensemble pour sortir de la crise, soit nous n’en sortirons ensemble). Io no velabelarany ao amin’ny Taratasy Encyclique “Mianadahy Jiaby isika… : Tutti Fratelli…. Tsy ho tanteraka izany raha tsy miova ny fontsika. Io indrindra no tain’ireo tenin’Andriamanitra amintsika amin’izao alahady faha 29 mandavantaona.......[...........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-28 mandavantaona A2020

ANTSOIN’NY TOMPO HANKEO AMIN’NY FANASANY ISIKA

Ry Kristianina havana, raha nahary antsika olombelona Andriamanitra dia nahary antsika ho sambatra. Ny vokasiontsika dia ny ho sambatra miaraka Aminy. Antsoin'Andriamanitra isika ho ao anatin’ny hasambarana miaraka Aminy, ho Olo Araiky sy fianakaviambe ao Aminy. Koa amin'izao Alahady faha-28 mandavantaona izao dia antsoiny isika amin'ny fanasana lehibe iombonana Aminy mba hahazahoantsika ny tena hasambarana ary efa mampitsinjo antsika sahady ny amin'ny fiafarantsika koa Izy. Tsarovy fa efa ao anatin’ny volana oktobra isika. Averimberintsika matetika fa ady sady dia ny fiainana, ADY amin'ireo fakam-panahy manapotika sy mitady handrendrika antsika, tsy ahaizantsika mandavorary ny fiainantsika, tsy ahazoantsika ny tena fiadanana sy ny hasambarana, DIA mankany amin'ny tena fiainana, dia ny fiainana maha zanak'Andriamanitra ka anasan'ny Tompo antsika ankehitriny. Ry Kristianina havana, aoka ho fantantsika fa ny lohahevitra momba ny fampakaram-bady dia lohahevitra lehibe ao amin'ny Baiboly fa indrindra ao amin'ny Testamenta Taloha. Ambaran'Andriamanitra ny fifandraisana sy ny fifampitondrana ao amin'ny fifanekem-pihavanana izay manambara fa iray aina Aminy isika, ka io fanasana io no manambara ny fiombonana amin'Andriamanitra......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-27 mandavantaona A2020

TANIMBOALOBOK’ANDRIAMANITRA ISIKA

Ry Kristianina havana, tsy mitsahatra isika fa indrindra amin’izao volana oktobra volan'ny raozery izao hibanjina miaraka amin'i MASINA MARIA ireo misterin'ny famonjena antsika ka hahatonga antsika tokoa ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA, HO MPANORINA ETA vokatry ny “départ vaovao” nitaky fiovam-penitra mahery vaika, “changement radical” hoy ny Papa. Mitondra amin’ny fifandraisana vaovao amin’ny zava-boaary “lohataonan’ny fahariana”, hoy ny Papa, fifandraisana vaovao eo anivon’ny tontolom-piainantsika andavanandro ka hahatonga ny tena fivelaran’ny mahaolona sy mahaolona manontolo, fifandraisana vaovao eo anivon’ny tontolompinoana. Amin'izao Alahady faha-27 mandavan-taona izao dia, mampitodika antsika bebekokoa amin’io resaka fifandraisana io ireo vakiteny atolotry ny Eglizy amintsika, fifandraisana eo anivon’ny fiainantsika, eo anivon’ny firenentsika, eo anivon’ny fiaraha- monintsika, eo anivon’ity tanintsika ity. Tsy iza tokoa ny tanim-boalobok'Andriamanitra fa isika Olo Araiky ihany. Izany no lohahevitra tian'ny Eglizy ho banjinintsika ka hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona eo anivon'ny tanim-boaloboka izany.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-26 mandavantaona A2020

NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA

Ry Kristianina havana, miditra amin'ny lalindalina kokoa amin'ny fandalinam-pinoana isika izay hitondra antsika ho Kristy mpiara-belona amin'olona hitondra ny hafalian'ny vaovao mahafaly sy hizara ny vaovao mahafaly eo amin'ny mpiara-belona ka ho vavolombelona manambara ny marina, mizara ny fifankatiavana, hampanjaka ny fihavanana marina ka hahatonga ny fiaraha-monintsika hitoeran'ny fiadanana ka ho lavitra antsika ireny hetraketraka sy fanapotehana ireny fa ho taranaka mamokatra voatsara isika ary ho taranaka manorina Eglizy velona ka ho vavolombelona eo anivon'ny fiaraha-monina tokoa. Amin'izao Alahady mamarina ny volana septembra, alahady ny lahika izay efa nanaovantsika fanentanana tamin’ny alahady lasa teo. Alahady ihany koa mampiditra antsika amin’ny volana oktobra volana oktobra izay ibanjinantsika manokana’i Masina Maria , oktobra voalan’ny Rozery. Manasa antsika hiombona amin’I Masina Maria mba ho tena départ vaovao entanin’ny Fanahy Masina ka ho Pantekoty Vaovao ho antsika tokoa ny taompikatrahoana pastôraly.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

14 septambra - Fankalazana ny FANANDRATANA NY LAKROA

Fankalazana Fanandratana ny Hazo Fijaliana

Ry Kristianina havana, amin'izao 14 septambra izao no ankalazan'ny Eglizy ny fanandratana ny lakroa, ny hazo fijalian'i Kristy. Asaina ary isika androany araky ny hafatra ao amin'ny Evanjely hibanjina ny lakroa izay loharanom-pamonjena ho antsika. Lazain'i Jesoa ao amin'ny Evanjely : "Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy anandratana ny zanak'olona koa ka ao aminy no loharanon'ny fiainana mandrakizay ho an'izay mino azy". Finoana izany no hahatsapantsika fa ny lakroa no hanovozantsika tokoa ny tena fiainantsika ary ao no mivahatra sy mifototra ny fiainantsika manontolo ary dia izany no mahatonga antsika manao ny famantarana ny hazo fijaliana isaky ny mivavaka isika ary hanambarantsika ny finoantsika izany. Tsy hoe famantarana fotsiny ho antsika io ataontsika io ary izay no mahatonga ny Eglizy manokana an'ity andro anio ity 14 septambra hibanjinana sy handinihana ary handalinana manokana momba ny anjara toerana izay famantaram-pamonjena ho antsika izany.....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..