Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FETIN'NY FO MASIN'I JESOA - Taona A2020


Mankanesa atý amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho.

Ry Kristianina havana, fotoan-dehibe ho antsika tokoa ity andro anio ity satria miaraka amin'ny Eglizy maneran-tany isika olo araiky ato amin'ny diosezy izay faly mifampiarahaba manokana satria andro ankalazantsika ny Fo masin'i Jesoa mpiaro antsika eto amin'ny Katedraly fa indrindra amin’izao vanim-potoana tena mavesatra ho antsika mianakavy noho ity areti-mandoza ity.  Amin’ny Alahady anefa no hankalazantsika ny Fo Masin’I Jesoa amin’ny fomba manetriketrika fa eran'ny diosezy miaraka amin’ny Eglizy eran-tany dia ny Zomà no fankalazana ny Fo masin'i Jesoa ka an-kafaliana sy an-karavoana no iarahabana antsika mianakavy niany  fankalazana ny Fo masin'i Jesoa mpiaro ny diosezintsika izao....[....Lire la suite ]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY VATANA MASIN’I KRISTY - Taona A 20

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra

Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny misterin'ny Trinite masina. Nantitranterintsika fa tsy Andriamanitra lavitra fa Andriamanitra miara-dàlana amintsika i Kristy, mpiara-belona amintsika ny Trinite masina. Marina fa mistery lehibe tokoa ny Trinite Masina ary sarotra takarina ny heviny kanefa mampibaribary fa ny lahatr'Andriamanitra ho antsika olombelona dia ny ho iray Aminy, ho fianakaviana iray Aminy, ho olo araiky Aminy ka ny fibanjinantsika ny Trinite masina dia mampiditra antsika ho anisan'izany olo araiky ao amin’Andriamanitra izany. Tsy lavitra izany rehetra izany fa eo anivontsika, entintsika amin'ny fiainana andavanandro. Izany no nahatonga antsika nilaza fa tena MODELY HO ANTSIKA TOKOA NY TRINITE MASINA. Nampitandrina antsika aho fa misy “modèle piraté” dia “andriamanitra vola”.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TRINITE MASINA - Taona A2020

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao

 
Ry Kristianina havana, miditra amin'ny vanim-potoana mandavantaona isika manomboka amin'izao Alahady ankalazantsika ny Trinite Masina izao. Miditra amin'ny fiainana andavanandro, miditra amin’ny fivelomanana ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA manorina ETA miezaka ho “tabernakla velona” fa indrindra miatrika izao areti-mandoza  izao. Izao indrindra ny vanim-potoana fampitrahaofana ny fiainana sy ny finoana, tsy mahagaga àry raha taritin'ny Eglizy isika amin'izao Alahady izao hibanjina ny Trinite Masina izay Loharano sy fototry ny fiainantsika. Tamin'ny Alahady lasa teo, Alahady ny Pantekôty no nanambarana fa miditra ao anatin'ny fianakaviamben'Andriamanitra tokoa isika, olo araiky ao amin'Andriamanita isika. Izao Alahady manaraka ny Pantekôty izao no handalanintsika ny finoana hivelomantsika  ny maha-kristianina antsika vokatry ny batemy ka hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ny manodidina antsika.  Entanin'ny Eglizy isika hibanjina ny fianakaviam-ben'Andriamanitra, ny Trinite Masina.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

ALAHADY FANKALAZANA NY PANTEKÔTY - Taona A20

MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA


Ry Kristianina havana, amin'izao Pantekôty izao dia azo lazaina fa fankalazana ny fahaterahantsika vita batemy, izany hoe sady mahatsiaro ny nahaterahantsika ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra sy olo araiky ao amin'Andriamanitra isika no mankalaza ny fahaterahan'ny Eglizy. Araka ny averimberintsika matetika ny fankalazana tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy masina izay ankalazaintsika androany, dia miditra tanteraka amin' izany fankalazana izany isika.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-7 PAKA Taona A20

NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA


Ry Kristianina havana, mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka isika izao na dia mbola miatrika an’ity fahavalo tsy hita maso ity izay tena manapotika tokoa satria zary “fahavalo avokoa izay manodidina”.  Miseho izany satria tsy afaka mifandray tanana ny rehetra….. Matoky anefa isika fa nandresy tokoa I Jesoa ka hopotehin’ny Fanahy Masina io “fahavalo tsy hita maso” io. Tamin'ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny fiakaran'i Jesoa any an-danitra izany hoe nankalaza fa nisy havantsika tafita ary dia mbola anatin'ny hafalian’izany isika amin'izao Alahady fahafiton’ny Paka izao. Efa manampy antsika hiroso bebe kokoa amin'ny fandalinana an'i Jesoa Mpiara-belona izany fibanjinana an’I Jesoa tafita izany. Tena niavaka tokoa ho antsika teto amin’ny diosezy ny fankalazana ny Fiakaran’I Jesoa satria nankalazana ny fanamasinana ny Menaka Masina sy ny Fanavaozana ny Tokim-panompoana nataon’ny pretra eto amin’ny diosezintsika.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..