« Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy » (Jo. 20: 3 – 4)
Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana no anolorako fiarahabana sy firarian-tsoa omban-tsodrano ho antsika Olo Araiky , “Fratelli Tutti” amin’izao Paka 2021 izao. Tsy mihambahamba aho fa tena Paka manokana sy miavaka ity Paka satria iarahantsika mianakavy midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fankalazana an’i Kristy tafatsangan-ko velona fa indrindra hanambarantsika amin’ny feo manakoako ny fandresen’ny ratsy ary matoky isika fa anisan’ny ratsy ho resy ity KORONTANAVIRUS ITY. Paka fandalovana araka ny naverimberintsika matetika nandritra ny karemy fiomanantsika amin’ny Paka. “Ady sy Dia” “Ady” amin’ny ratsy dia ny fahotana manapotika ny fiainantsika ary ity areti-mandoza niteraka korontana maro amin’ny fiainantsika ity dia anisan’ireo ratsy nirintsika ho potika tokoa ary “Dia” mankany amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy ka hanaovantsika “départ vaovao”, “Fiaingana vaovao”......[........]
Efa nitsangan-ko velona i Jesoa Nazareanina, Ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho an’izay manaiky Azy.
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny hateloana masina isika. Omaly isika no nankalaza sy nandinika ary niaraka niditra tamin’i Jesoa amin’izao hateloana masina izao tamin’ny fankalazana ny Alakamisy masina izay nanorenan’i Jesoa ny famonjena antsika. Tanteraka izany famonjena izany raha nanolotra ny ainy tamin’ny alalan’ny vatany sy ny ràny Izy tamin’ny Eokaristia sy nanasa ny tongotry ny mpianany anambarany fa ny làlam-pamonjena dia ny fanompoana, nilaza Izy hoe :”ataovy izao ho fahatsiarovana ahy”. Izany indrindra no tanteraka amin’izao Zoma masina izao izay zoma voalohany volana ihany koa. Mahavariana fa tian’Andriamanitra ho tsapantsika fa miara-mijaly amintsika amin’izao krizy mafy atrehintsika izao Izy. Mangina tokoa àry ny tany satria mahatsiaro ny fijaliana sy nahafatesan’ny Tompo, izany no foto-kevitra lehibe ankalazaintsika androany. Toa resy isika satria maty tokoa ny Tompontsika nefa ny ankalazaintsika dia tsy ny fahafatesana mankany amin’ny faharesena sy fahaverezana ary ny fahalòvana fa fahafatesana manambara fandresena ny ratsy, fandresena ny fahotana......[...........]
Dia fara fitiavana no nataony taminy
Ry Kristianina havana, manomboka amin’izao Alakamisy masina hariva izao ny fankalazana fanaontsika ka antsointsika mahazatra hoe “Tridium Pascal” izany hoe ny hateloana masina hankalazantsika ny Paka. Ho antsika ny fankalazana dia sady fahatsiarovana no zary fiainana izay ankalazaintsika ary izany no ataontsika amin’ny litorjia izay asan’Andriamanitra satria miaina izay ankalazaintsika isika. Izao hateloana masina izao no maro fihetsika indrindra hanehoana io “asan’Andriamanitra”. Tsy sanatria manao teatra isika fa kosa noho ny Asan’ny Fanahy Masina dia manatanteraka ny tenin’I Kristy “Ataovy izao fahatsiarovana ahy”.
Andro lehibe ho antsika tokoa ity androany ity fa indrindra amin’izao andro sarotra atrehintsika izao KORONTANAVIRUS izao. Feno tebiteby isika mianakavy. Tsy Krizy ara-pahasalamana fotsiny fa krizy mandrava hatramin’ny fototra maha olona mihitsy araka ny fantatsika. Mampahatsiaro ny faharavana tamin’ny fahotana fototra.......[.........]
Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho.
Ry Kristianina havana, hatramin’ny nanombohan’ny karemy no nanomana ny fontsika tamin’ny ezaka maro samihafa isika ho fanoherana ny ratsy mba hanaovana ny soa misimisy kokoa. Ady sady Dia no nametrahantsika ny làlana nianantsika an’izao karemy izao. “Ady” amin’ny ratsy rehetra izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia ny fanapotehana, ny famonoana, na amin’ny teny ataontsika amin’ny mpiara-belona aza izany na amin’ny eritreri-dratsintsika, na amin’ny adidy tsy vitantsika, na amin’ny fanapotehina ny tontolo iainana ka hitantsika ny vokany. “Dia” mankany amin’ny fiainana miaraka amin’i Kristy Ilay tsy miova omaly anio ary mandrakizay. Raha mamakivaky ny fiainana miaraka Aminy isika ka miara-maty Aminy amin’ny fahotana dia hiara-hitsangana Aminy koa miditra amin’ny fiainam-baovao. Io fidirantsika amin’ny fiainam-baovao io no lazaintsika “DEPART VAOVAO”, fiaingana vaovao hirosoantsika ho EOV MISIONERA VITA BATEMY KA IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Mitaky safidy matotra io firosoantsika io. Izany no ataontsika amin’ity herinandro masina ity ka iarahantsika amin’I Jesoa.....[.........]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA