Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

29 septambra 2019 - ALAHADY FAHA 26 MANDAVANTAONA D19

Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana,
ny fahalemem-panahy

Ry kristianina havana, nandinika manokana araky ny fampianaran’ny Eglizy ny mikasika ny harena isika tamin’ny Alahady lasa, tsy ny harena no ratsy fa kosa tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Eglizy sy sitrak’Andriamanitra dia ny fomba nazahoana ny harena, ny fomba hampiasana ny harena ary ny tanjona ho tratrarina amin’ny harena. Mamerimberina antsika ary natao ho teny faneva sy filamatra eo anivon’ny sekoly katolika izay manabe amin’ny lafiny rehetra ny maha-olona sy maha zanak’Andriamanitra ny hoe “Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro”. Amin’izao Alahady faha 26 mandavantaona izao dia mbola asain’ny Eglizy isika amin’ny alalan’ireo vakiteny handinika tsara fa ny hoavy ihany koa dia miankina amin’ny fomba fijerintsika ny harena......[.......]

 

22 septambra 2019 - ALAHADY FAHA 25 MANDAVANTAONA D19

"Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.

Ry kristianina havana,  mbola tohizantsika hatrany amin’izao mandavantaona izao ny fandalinam-pinoana hahatonga antsika ho EOV manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra sy hahatonga antsika mpanorina tokoa. Mbola anatin’ny volam-pahasoavana isika dia ny namangian’I Papa Ray masina antsika, mbola manakoako ao ampontsika ireo teny napetraky ny Papa ka hahatonga antsika ho taranaka mpamafy fanantenana sy fiadanana fa indrindra maro ny zavatra etrehintsika amin’ny fiainantsika ka mahatonga antsika hiraviravy tanana sy ho kivy.
Mahatoky isika fa ireny teny nampitain’ny Ray aman-dRenintsika Papa Fransoa antsika ireny hanentana ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny vakiteny amin’izao Alahady faha 25 taona izao dia mampitodika antsika amin’ny fahaizana mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavanandro ka ho tena EOV isika amin’ny fiainantsika,  ho EOV MISIONERA MAMENO SINY ENINA MAMAFY FANENTANA SY FIADANANA HAHATONGA NY TENY HO MOFO ARY MOFO HO AINA....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 septambra 2019 - ALAHADY FAHA 24 MANDAVANTAONA D19

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka

Ry Kristianina havana, efa alahady maromaro no nandalinantsika sy nibanjinintsika ireo lohahevitra hahatonga ny finoana ho latsapaka ao amintsika mba ho tena fianakaviamben’Andriamanitra, ho olo araiky amin’ny Trinite masina isika, ho Kristy olona velona manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra, hahatonga antsika ho taranaka mpanorina tokoa, hanorina tontolom-piainana, tontolo iainana sy tontolom-pinoana araka ny sitrak’Andriamanitra. Mbola ao ampontsika ireny hafatra maro nafafin’i Papa ireny anjarantsika ankehitriny no mivelona azy ireny mba hamokatra tokoa ka hahatonga antsika Olo Araiky ho EOV manorina ETA ka zary taranaka mpanorina ho misionera amin’izao taona masina izao. Amin’izao alahady faha-24 mandavantaona izao dia mbola ampatsiahivin’Andriamanitra amintsika amin’ny alalan’ireo vakiteny androany fa Ray be fitiavana Andriamanitra ka na dia manao akory ny toetrantsika dia mandray antsika izy..........

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

01 Septambra 2019 - ALAHADY TSOTRA FAHA 22 - TAONA D

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra

Raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nibanjina ny hoe “isika dia antsoin’Andriamanitra dieny ety an-tany ho fianakaviana iray aminy manomana sahady koa ny maha-olo araiky antsika ao Aminy any an-danitra ka tsy misy avakavaka izany fa ny tadiavin’Andriamanitra dia isika hivelona sahady ety an-tany ny maha zanak’Andriamanitra antsika araky ny nampianarin’i Kristy. Amin’izao Alahady faha-22 mandavantaona dia antitranterin’ny vakiteny fa indrindra ny fampianaran’i Kristy ao amin’ny Evanjely, toetra roa lehibe izay tsy azo ho sarahina, azo lazaina fa toetra mampihavaka ny mpanara-dia an’i Kristy tokoa no ambarany androany dia ny fanentrentena sy ny fahalemem-panahy. Toetra anankiray ihany anefa satria ny olona malemy fanahy tsy maintsy manetry tena ary ny manetry tena tsy maintsy malemy fanahy....[.....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

07 Jolay 2019 - ALAHADY TSOTRA FAHA 14 - TAONA D

Hitoetra ao amin’izany trano izany ny Fiadanana lazainareo

Araky ny averimberintsika matetika ny fotoana litorjika mandavantaona dia fotoana fandalinam-pinoana. Katolika aho madalina ny finoako, Katolika aho mandray an-tànana ny finoako amin’ny alalan’ny hasim-pinoana sy firosohana ao anatin’ny vaomieran’asa sy fikambanana masina na ny firohotana. Katolika aho ka mankalaza ny finoako amin’ny alalan’ny litorjia, amin’ny alalan’ny “chapelle portable” sy fiainana ny fitiavana ary ny fandraisana anjara isankarazany hanehoana ny fiombonana amin’ny Eglizy. Katolika aho ka zaraiko ny finoako.

Amin’izao Alahady faha-14 mandavantaona izao dia mandalina izany finoana izany isika ka hahatonga antsika ho EOV, Kristy mpiara-belona amin’olona, fahazavana sy fanasina ka hahatonga antsika manorina Eglizy Tranon’Andriamanitra.....[......] 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..