Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

07 aprily 2019 - ALAHADY FAHA-4 KAREMY - TAONA D

« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »

Efa manakaiky dia akaiky tokoa ny fankalazantsika ny Paka, roa Alahady sisa dia mankalaza ny paka isika ary amin’ny alahady hoavy dia hankalaza ny sampankazo izay mampiditra antsika amin’ny herinandro lehibe, ny herinandro masina. Izao Alahady izao amin’ny toerana maro dia alahady fanaovana pelerinajy izay handinihantsika ny lakroan’i Kristy, miombona amin’I Jesoa amin’ny làlan’ny hazo fijaliana lehibe. Miakatra eny amin’ny la montagne isika manao pelerinajy, entintsika hiakatra ny fiainantsika fa tsy hirefarefa amin’ny tany izay feno lainga sy fitapitaka ary herisetra. Izany rehetra izany no nahafaty an’I Jesoa teo ambony hazofijaliana noho ny etraketrakantsika olombelona....[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

31 marsa 2019 - ALAHADY FAHA-4 KAREMY - TAONA D

« Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy » (Lk. 15: 2)

Amin’izao Alahady faha efatra amin’ny Karemy izao, manambara fa efa akaiky tokoa ny Paka, I Jesoa nandalo tamin’ny ratsy indrindra dia ny fahafatesana nefa nitsangan-ko velona. Raha miara-maty aminy amin’ny fahotana isika dia hitsangana hiaraka aminy. Paka hitondra aim-baovao ka hanova ny fifandraisantsika samy antsika, ny fifandraisantsika amin’ny zava-boahary, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ny fanoharana ataon’I Jesoa amintsika amin’ny Evanjely androany Lk 15, izay matetika fintinintsika amin’ny hoe tantanran’ny zaza mpandany. Ny tena ny tena lohateny marina anefa dia Andriamanitra tsy lany fitiava ka manambara fa Andriamanitra Ray be famindrampo, izany no tian’ I Kristy ambara amintsika eto. Na manao akory na manao akory ny toetrantsika, Andriamanitra tsy lany famindrampo.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

24 marsa 2019 - ALAHADY FAHATELO KAREMY - TAONA D

" Indro efa telo taona izay no tonga nitady voa amin’ity aviavy ity aho "

Amin’izao Alahady fahatelo ny karemy dia ambaran’ireo vakiteny fa tsy ho tanteraka na oviana no oviana izany fiovam-penitra antenaintsika sy andrandraintsika izany ka hahatonga antsika EOV (Eglizy Olona Velona) manorina ETA (Eglizy Tranon’Andriamanitra) ka ho taranaka mpanorina tokoa.  raha tsy mibebaka isika. Tsy ho tanteraka ilay Paka andrandraintsika amin’izao taona 2019 izao raha tsy mibebaka isika miala amin’ny fahotana manpotika ny fiainana hoy ny Papa. Ho Paka hitondra fihavaozana tokoa ho antsika amin’ny fiainana andavanandro, amin’ny fiainam-pianakaviana, amin’ny fiainan’ny Eglizy fiombonana, amin’ny Eglizy fototra, Eglizy iraka, amin’izao Paka vaovao ka entintsika hanorenana tontolom-piainana vaovao hahatonga antsika hanana fivelarana amin’ny tontolo iainantsika sy amin’ny tontolom-pinoana.....[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

17 marsa 2019 - ALAHADY FAHAROA KAREMY - TAONA D

« Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny » (Lk. 9: 29)

Nasongandintsika tamin’ny Alahady voalohany Karemy lasa teo fa Ady sady Dia ny fiainana izay hitondra antsika amin’ny fankalazana an’i Kristy nitsangan-ko velona. Ady amin’ny ratsy hampivelatra antsika ka hahatonga ho Zanak’Andriamanitra miaraka amin’I Kristy nandresy ny ratsy. Sady Dia mankany amin’ny fiainana tsara misy an’Andriamanitra. Ady amin’ny fahotana araka ny voalazan’i Papa amin’izao karemy izao fa ny fahotana no mahatonga antsika tsy mivelona ny maha zanak’Andriamanitra antsika ary manapotika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ka noho izany potika ny tontolom-pinoana Hitantsika izany amintsika amin’ireny fifangaroan’ny fiainantsika ireny.......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

10 marsa 2019 - ALAHADY VOALOHANY KAREMY - TAONA D

« Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra » 

Amin’izao Alahady voalohan’ny Karemy izao dia apetraky ny Eglizy mazava amin’ny alalan’ireo vakiteny fa ADY sady DIA ny fiainana. Averimberintsika matetika izany teny izany ary io tokoa no fiainam-pinoantsika. Izao Karemy izao dia fivelomantsika izany finoana izany satria ny fototry ny finoantsika dia ny fitsanganan’i Jesoa ho velona izay hankalazaintsika amin’ny Paka. Izao no fotoana antenaintsika sy iainantsika izany finoana izany, tsy tany malemy anorenam-pangady ny finoana fa tany lonaka iasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka hamokatra be araky ny sitrak’Andriamanitra  isika ary sitrany ny hahavelona sy hahasambatra antsika .....[.......] 

 

Tsindrio eto hihaino ny teny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..