Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

20 janoary 2019 - ALAHADY FAHA 2 MANDAVANTAONA D

 « Naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany » (Jo. 2: 11)

Androany ny lohahevitra “Ny hahasambatra antsika no sitrak’Andriamanitra” dia manasa antsika hiaina izany rehetra izany miaraka amin’Andriamanitra satria eo anivontsika I Jesoa. Miara-dàlana amintsika izy ka fantany ireo hetahetam-pontsika. Ho tanteraka izany raha miombona aminy isika izay no mahatonga antsika matetika milaza fa raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra hanao ny asantsika ary ho lavorary kokoa satria lavorary izy.

Ny mahadiso antsika matetika dia mieritreritra mahavita tena samirery, mieritreritra fa lavitra Andriamanitra ka mikofokofoka irery, farany efa tsy mahita hevitra dia mitady Andriamanin-kafa isika ka lavo amin’ny zavatra tsy mety ka vao mainka mikorontana ny fiainantsika. ...[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

13 janoary 2019 - FANKALAZANA NY BATEMIN'NY TOMPO

« Tamin’ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa i Jesoa» (Lk. 3: 21)

izao Alahady fankalazana batemin’ny Tompo izao no amaranantsika ny fankalazana ny Noely ka hidirantsika amin’ny mandavantaona. Nohalalinitsika nandritra ny noely fa Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanintsika fa eo anivontsika, eo anivon’ny vahoakany. Nandray ny toetrantsika olombelona ankoatry ny fahotana izy ary nahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Izany no mibaribary amin’izao alahady ankalazantsika ny batemin’ny Tompo izao satria ny batemy dia fantantsika dia ilay fandalovana amin’ny fahotana ka mampiditra antsika amin’ny tena fiainana. I Jesoa amin’ny maha Andriamanitra azy dia tsy manana fahotana  nefa noho izy nanaiky ho olombelona ary tsy mba sarisarin’olombelona dia nanaiky nataon’i Joany Batista batemy.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

06 janoary 2019 - FANKALAZANA NY NISEHOAN'NY TOMPO na EPIFANIA

“ Izao tontolo izao no irin’Andriamanitra ho Eglizy fianakaviany ”

Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely isika, Andriamanitra eo anivontsika, Andriamanitra miseho amintsika. Amin’izao Alahady Epifania fankalazana ny nisehoan’ny Tompo izao dia mbola anatin’ny Noely. Niseho tamin’ny vahoakany izy Tompo dia ilay vahoaka feno fahamarinana, fanentrentena sy fahatsoram-po dia i Maria sy Josefa izay fianakaviana voafidy hiainany ny maha-olombelona azy ary ireo mpiandry ondry nanambaran’ny anjely fa misy zaza teraka ao Betlehema, ny anarany atao hoe Emanoela. Fa ireo mpiavonavona kosa dia tsy afaka nandray azy, hitantsika ireo mpandray vahiny nilaza fa tsy nisy toerana ho azy ireo tao antrano, tahaka an’I Heroda izay namono ny zaza tsy manantsiny. Toetrantsika olombelona izany, vokatry ny avonavona dia mifody ny fontsika ka tsy afaka mandray izay tena fahasambarana. ....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

01 janoary 2019 - MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA - TAONA D

Renin’Andriamanitra sy mpanjakavavin’ny fiadanana i Masina Maria

Ry Kristianina Havana, ankafaliana sy ankaravoana no anolorako ny fiarahabana mitafotafo amintsika rehetra amin’izao andro voalohan’ny volana janoary mampiditra antsika amin’ny taombaovao izao. Ho taom-pahasoavana, ho taon-jina hitondra fiadanana sy fahasoavana ho antsika mianakavy anie ity taona vaovao 2019 izay hodiavintsika ity.
Raha misokatra ny fontsika ka mandray an’Andriamanitra dia ho feno fiadanana ka afaka mandray sy mizara hafaliana amin’ireo manodidina antsika. Arakaraky ny fiainantsika ny hafaliana no hahatsara ny fiainantsika. Ho taona hitondra fiadanana ho antsika mianakavy tokoa anie ity taona ity.Bonne et sainte année 2019 .....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

30 desambra 2018 - FIANAKAVIANA MASINA - TAONA D

« Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 52)

Amin’izao Alahady manaraka ny Noely izao dia mbola anatin’ny hafalian’ny Noely isika. Ny Teny Tonga Nofo no banjinin’ny fianakaviana masina izay modely ho an’ny fianakaviana rehetra.Tsy fianakaviana mikombona ny Fianakaviana Masina misy an’I jesoa, Maria, Josefa satria araky ny fantantsika dia nivelatra tamin’ny olon-drehetra izy ireo na dia tao antranon’omby no nahaterahany I Jesoa. Olona tsotra tahaka ny mpiandry ondry no nandray azy. Faly sy ravo isika mifampiarahaba satria ny fianakaviana dia isika miombona ho olona araiky ao amin’Andriamanitra ka dia miarahaba manokana ny fianakaviana tsirairay.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..