Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

11 febroary 2018 - ALAHADY TSOTRA FAHA-6 - TAONA B

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna ka nadio izy.

Matetika averina amintsika fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa asehony amintsika ny fitiavany ka anjarantsika no manana masom-pinoana, sofim-pinoana handray hizara ary hanely ny vaovao mahafaly ambarany amintsika dia ny fitiavany.
Amin’izao Alahady tsotra faha-6 mandavantaona izao dia mifanojo amin’ny fahatsiarovana sy fankalazana ny andron’ny marary izay natokan’i Papa Md Joany Paoly II efa 26 taona lasa izay nisafidy ny 11 febroary ankalazana an’i Masina Maria “Notre-Dame de Lourdes” Toerana feno ireo marary ny ao Lourdes, feno ireo izay maniry ny ho sitrana amin’ny aretina ananany sady mino ny vavaka ataon’i Masina Maria ho azy ireo.

Ry Kristianina havana andro lehibe ho antsika inty andro ity izay hahatsiarovantsika ambavaka ireo marary, ireo tra-pahoriana, ireo izay marofy ary miaraka amin’i Masina Maria isika no manao izao vavaka izao. Araraoty izao fotoana izao hankaherezana ireo marary am-pandriana noho ny antony maro samihafa tsy misy mpikarakara sy ireo marary rehetra koa ho entintsika ambavaka mba ho soa ho tsara ary hahay hanambatra ny fahoriany amin’Andriamanitra ho famonjena an’izao tontolo izao ...[...........]

04 febroary 2018 - ALAHADY TSOTRA FAHA-5 - TAONA B

“Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy”
Mk. 1, 29-39

tamin’ny 02 febroary isika nandinika sy nandalina mikasika ny jiro masina dia tsy iza fa isika voatokana na relijiozy no mhazatra antsika izay nanokana ny tenantsika ho an’Andriamanitra ary tsy izy ireo ihany fa isika nanokana ny tenantsika amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batemy noraisintsika ka zary Kristy mpiara-belona ami’olona.
Isika no fahazavana amin’izao andro iainantsika izao, isika no modely ho an’ny mpiara-belona amintsika ka hampamokatra ny fiainantsika ho zanak’Andriamanitra. Ny fifikirantsika amin’Andriamanitra no ambaran’ny tenin’Andriamanitra amin’izao Alahady faha 5 tsotra mandavantaona izao. Handalinany finoana isika mba hitoerantsika amin’i Jesoa tanteraka. Izany fifikirantsika amin’i Jesoa izany dia misy fotoana maharary  sy mampijaly nefa araky ny fotom-pampianarana androany : 

“Inona ny anjara toeran’ny fijaliana amin’ny maha-Kristianina antsika” izany hoe manao ahoana ny fifikirantsika amin’i Jesoa Kristy”.  [...........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

28 Janoary - ALAHADY TSOTRA FAHA-4 - TAONA B

« Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra » (Mk. 1: 24)

Amin’izao Alahady tsotra faha 4 mandavantaona izao dia mametraka fanontaniana amintsika ireo vakiteny telo : “Iza marina i Kristy ? ary inona no anjara toeran’i Kristy izay eo amin’ny fiainantsika ?”
Mitoetra ao amin’i Kristy ve tokoa isika ary i Kristy?  Izy ve no hifikirantsika ka hitondra antsika amin’ny tena famonjena sy hampamokatra ny fiainantsika dia hahazoantsika ny fiadanana sy hafaliana feno. Ireo no fanontaniana tian’ny Eglizy halalinintsika amin’ny alalan’ireo vakiteny telo izay arosony amintsika amin’izao Alahady faha 4 mandavantaona izao. Ny bokin’ny Deteronoma no mamaritra amintsika inona ny atao hoe mpaminany ? Inona no ilàna ny mpaminany eo amin’ny fiainantsika ? [.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

21 Janoary - ALAHADY TSOTRA FAHA-3 - TAONA B

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.

Tamin’ny Alahady faharoa mandavantaona lasa teo isika nilaza fa miroso amin’ny lalindalina hatrany hitoetra ao amin’i Jesoa ary izy hitoetra ao amintsika ka hamokatra be isika izay anasana antsika amin’izao taombaovao izao, samy nantsoin’Andriamanitra isika tsirairay avy ka ilaina mba hamokatra amin’ny fiainantsika. Amin’izao Alahady fahatelo mandavantaona izao kosa dia antintraterin’ireo vakiteny telo fa fotoana tsara izao sady vaninandro mitondra fahasoavana avy amin’Andriamanitra. Miantso antsika Andriamanitra mba hihavao sy hiala amin’ny toetra ratsy. Araka ny fitenin-drazantsika ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo hovana. Izany rahateo ny vontoatin’ny tenin’Andriamanitra androany. Ny toetra ratsy sy ny toe-panahin’ny fiainantsika dia irin’Andriamanitra ho tsara. Izany koa no irintsika sy antenaintsika amin’izao taona vaovao izao .....[.......]

 

14 Janoary - ALAHADY TSOTRA FAHA-2 - TAONA B

SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA

Amin’izao Alahady tsotra faharoa mandavantaona fanombohan’ny taona izao no  idirantsika tanteraka amin’ny fandalinam-pinoana araky ny teny faneva eto amin’ny diosezy hoe : “Mitoera ao amin’i Kristy satria izay itoeran’i Kristy dia mamokatra be. Raha mamokatra be ianareo dia ho lavorary ny hafalianareo sy ho feno fiadanana tanteraka ianareo”.
Ny vakiteny telo ampitainy Eglizy amintsika androany dia miresaka an’Andriamanitra miantso antsika tsirairay satria tiany isika ary ao anatin’izany hafaliana izany sady tiany hamokatra. Isika rahateo mangetaheta mba hanana ny fiadanana sy ny hasambarana ka maniry isika mba hamokatra ny fiainantsika sy hamokatra be dia be tsy ho antsika ihany fa ho an’ny firenentsika, ho an’ny fianakaviantsika, ho an’ny Eglizintsika ......[........]
 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..