« Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Mk. 10, 45)
Ry Kristianina havana, efa roa alahady izao no anatin’ny volan’ny raozery isika ka amin’izao Alahady faha 29 tsotra mandavantaona izao dia mbola manohy ny fibanjinana ireo misterin’ny fanavotana antsika olombelona isika izay iarahantsika amin’i Masina Maria dia ny mistery mampalahelo, mistery fahazavana, ny mistery fitsanganan-ko velona ary ny mistery be voninahitra.
Ny toetrantsika olombelona anankiray indray manapotika ny fiainantsika no asongadin’ny tenin’Andriamanitra indrindra ny vakiteny voalohany bokin’Izaia mpaminany sy ny evanjely tsy inona fa ny fitadiavantsika voninanahitra......[....]
“ Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona "
Amin’izao Alahady tsotra faha 27 mandavantaona izao dia anatin’ny volana oktobra isika izay hibanjinantsika sy handalinantsika miaraka amin’i Masina Maria amin’ny alalan’ny raozery ireo mistery efatra ny mistrin’ny famojena dia ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, mistery faharoa mistery famirapiratana fahazavana, mistery izay I Md Papa Joany Paoly faharoa no namorona, mistery ibanjinantsika ny asam-pamonjena notanterahan’I Jesoa rehefa nitoriteny izy, fahatelo mistery mampalahelo ibanjinantsika ny fanolorantenan’I Jesoa ho fanavotantantsika ary fahaefatra ny mistrery be voninahitra izay maneho ny fitsanganan-ko velona. ....[.....]
“ Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39)
Tamin’ny Alahady faha 25 tsotra mandavantaona lasa teo isika nanantitrantitra ireo toetra fototra lehibe nahatonga an’i Jesoa nanambara fa tsy maintsy manana ny toetran’ny zazakely isika eo amin’ny fifandraisantsika andavanandro sy nilazany koa fa izay te ho lehibe aminareo aoka izy ho tahaka ny zazakely ary ho vonona hanompo satria izany no làlana hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’izay fiainana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Averintsika vetivety ireo toetry ny zazakely tsara anana : fitokosina an’Andriamanitra, fahatsorana mitondra amin’ny marina mandrakariva, fahadiovampo. Amin’izao Alahady faha 26 mandavantaona izao rehefa mijery ny zava-misy isika dia mety milaza hoe ahoana àry hanatanterahana an’izany fiovana ho toy ny zazakely izany ? ......[........]
“« Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 37)“
Ry Kristianina havana, misy fotoana eo amin’ny fiainantsika maro ny zavatra mifamahofaho sy manahirana ary mahakivy ka very fanahy mbola velona isika miatrika ireny zava-misy mikiky ny fiainantsika mampitebiteby antsika ireny. Tsy Andriamanitra lavitra nefa ny Andriamanintsika fa akaiky sy miara-dàlana amintsika mandrakariva ary nanolotra ny ainy ho fanavotana antsika sy mikarakara ary mikolokolo antsika ny Andriamanintsika. Izany ny tian’ireo vakiteny telo asongadina amin’izao Alahady faha 23 tsotra mandavantaona handalinantsika ny finoantsika .....[.......]
“Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » (Mk. 7: 15)
raha nifaranantsika tamin’ny Alahady faha 21 tsotra mandavantaona lasa teo ny fandalinana ny evanjelin’i Md Joany 6 dia ny fandalinana ny Eokaristia miainga avy aimn’ny famantarana nataon’i Jesoa tamin’ny fampitomboana ny mofo ka nanambarany fa Izy tokoa no Mofon’aina mahavelona sy Rà loharano mamelona antsika ka izay misotro ny ràny sy mihinana ny nofony dia hanana ny fiainana mandrakizay. Amin’izao Alahady tsotra faha 22 mandavantaona izao dia miverina amin’ny Evanjelin’i Md Marka isika izay vakiana mandritra izao taona B izao ka mifanojo tsara ary manohy ny fampianarana nataon’i Jesoa nohalalinintsika mikasika ny Eokaristia. Tsy maintsy manara-dia azy isika ka izany indrindra ny lohahevitra aroson’ny Eglizy androany : “Tsy mora tokoa ny manaraka an’I Jesoa” fa tsy maintsy mitondra ny hazofijaliana, tsy maintsy misy fijaliana.....[.......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA