Dia fara fitiavana no nataony taminy
Ry Kristianina havana, manomboka amin’izao alakamisy masina hariva izao ny fankalazana ataontsika izay mahazatra antsoina hoe “Tridium Pascal” izany hoe ny hateloana hankalazana ny Paka. Ho antsika ny fankalazana dia sady fahatsiarovana no fiainana izay ankalazaintsika ary izany no ataontsika amin’ny litorjia izay asan’Andriamanitra satria miaina izay ankalazaintsika isika. Andro lehibe ho antsika androany satria mankalaza ny Paka isika mandritra ny hateloana. Paka izay midika fandalovana ka miala amin’ny fiainana tsizarizary mitondra amin’ny fahafatesana mba hiditra amin’ny fiadanana lavorary. Ny evanjely androany mampahatsiahy antsika ny sakafo farany niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany ary tian’ny Eglizy ho tsapantsika lalina tokoa ny fihetsika nataon’I Jesoa raha nanasa ny tongotry ny mpianany izy izay manambara fa i Jesoa dia maneho manontolo ny fahavononany hanompo ary izany no làlana hahafahantsika mampiova hihatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izay mihapotika sy ny fifandraisantsika amin’ny namantsika sy ireo manodidina antsika ary amin’ny tontolo iainantsika ....[..........]
Tsy nafeniko tamin’ireo nandatsa Ahy ny tavako, ary fantatro fa tsy ho menatra Aho
Amin’izao Alahady sampankazo izao dia miara-miditra amin’i Jesoa ao Jerosalema isika, Jerosalema tanàna masina, tanànan’ny fahandriam-pahalemana, tanànan’ny fiadanana. Isika koa miara-miditra amin’i Jesoa isika ankehitriny mba hiombona aminy koa amin’ny fijaliana ka amin’izay manantena ny hiara-hitsangana aminy koa. Izany ny misterin’ny Paka ankalazaintsika.
Mankalaza ny nijalian’i Jesoa isika ka mankalaza koa ny fitsanganany velona amin’ny Paka. Paka fandalovana passage.
Nobanjinintsika izany fijalian’i Jesoa izany isaky ny nanao ny làlan’ny hazo fijaliana isika fa indrindra tamin’ny niarantsika nanao ny pelerinajy teny amin’ny “montagne de français”. Ka amin’izao Alahady sampankazo izao dia miara-miditra amin’ny herinandro masina isika handinika bebe kokoa ny fitiavan’Andriamanitra, ny famindrampon’Andriamanitra.....[........]
« Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay » (Jo. 12: 21)
Amin’izao Alahady fahadimy amin’ny karemy izao no anatanterahintsika ny pelerinajy na ny fivahiniana masina eny amin’ny ‘la montagne” arakaraky ny toerana misy antsika. Fivahianiana izay entintsika mandinika bebe kokoa ny tampon’ny kalivery mba hiara-mifantsika amin’i Kristy isika mandevina ny ratsy rehetra ka hiaraka hitsangana aminy.
Amin’izao taona hankalazantsika ny fanambarana olontsambatra an’i Lucien Botovasoa izao dia hiaraka aminy isika hamakivaky ny làlan’ny hazo fijaliana izay handinihantsika ny fijalian’i Kristy. Izany hoe ny pelerinajy izay tontosaintsika androany dia iainantsika ny “làlan’ny hazo fijalian’i Lucien Botovasoa” tsy hoe hamorona isika fa ho dinihintsika ahoana ny niainan’i Lucien Botovasoa ny hazofijalian’i Kristy tamin’izy natolotra ho faty noho ny finoany an’i Kristy ...[.......]
Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra
Ry Kristianina havana, tonga amin’ny ivon’ny DIA sy ny ADY isika amin’izao karemy 40 andro irosoantsika tsikelikely amin’ny fiainam-baovao izay andrandraintsika amin’ny Paka. Amin’izao Alahady faha-4 ny karemy izao dia abaribarin’Andriamanitra amintsika fa na dia manao akory ny toetrantsika na korontan-dava ny fiainantsika dia i Kristy tonga nanolotra ny ainy ary vonona hanavotra antsika sy hanolotra ny fahasoavany, handrindra ny zava-drehetra fa anjarantsika kosa no miditra sy manaiky handray ny fahasoavana avy aminy fahasaovana izay omeny maimaim-poana. Izany no azo amintinana ny tantaran’ny fihaonan’i NIkodema tamin’i Jesoa. Nanomboka nahatsapa i Nikodema fa i Jesoa no i Kristy ka nanantona mangingina an’i Jesoa izy satria te-hahafantatra ny marina ny momba azy ....[........]
« Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana » (Jo. 2: 19)
Amin’izao Alahady fahatelon’ny karemy izao dia mampiditra antsika tanteraka amin’ny fiomanana ny fankalazana ny Paka. Noho izany dia mampiroso antsika amin’ny Ady sy Dia izay mitondra antsika amin’ny Paka izay fandalovana (passage) satria miala amin’ny ratsy miaraka amin’i Kristy isika ka miditra amin’ny fiainam-baovao miaraka aminy koa. Izy nandresy ny fahafatesana no hankalazaintsika amin’ny Paka.
Manomboka izao Alahady fahatelo amin’ny karemy izao dia tantaran’i Jesoa mankany Jerosalema araky ny evanjelin’i Md Joany no vakina amintsika satria io no tandindon’ny fialantsika amin’ny fiainana mirefarera amin’ny tany ka miakatra amin’ny fiainam-baovao ao Jerosalema ilay tànana masina, tànanan’ny fiadanana ....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA