Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra
Matetika ho fankalazantsika ny Eokaristia masina sady hanehoantsika ny finoantsika sy hamelombelona an'izany dia entintsika mamakivaky ny tanànantsika ny Sakramenta Masina anambarantsika fa ilay Sakramenta famantarana hita maso sy ren'ny sofintsika ka mampahazo ny fahasoavan'AndriamaNitra dia tsy sakramenta mihidy ao amin'ny tabernakla fa isika no zary tabernakla velona. Izany no antony anehoantsika amin'ny alalan'ny "procession" izay ataontsika mamakivaky ny tanàna misy antsika mba ho eo anivon'ny fiainantsika ary ho ivon'ny fiainantsika tokoa i Jesoa Kristy ka amin'ny alalany sy miaraka aminy ary ao aminy tokoa no hizarantsika ny hafalian'ny Paka, hizarantsika ny vaovao mahafaly izay tsy inona fa Andriamanitra eo anivontsika Emanoela no anarany, Andriamanitra miara-belona amintsika...[.......]
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao
Miditra amin'ny vanim-potoana mandavantaona isika manomboka amin'izao Alahady ankalazantsika ny Trinite Masina izao. Miditra amin'ny fiainana andavanandro, miditra amin'ny fampitrahaofana ny fiainana sy ny finoana, tsy mahagaga àry raha taritin'ny Eglizy isika amin'izao Alahady izao hibanjina ny Trinite Masina loharano sy fototra ny fiainantsika manontolo. Taminn'ny Alahady lasa teo Alahadin’ny Pantekôty manambara fa miditra ao anatin'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, olo araiky ao amin'Andriamanitra isika, ka izao Alahady manaraka ny Pantekôty izao no andalinantsika ny finoana mba hivelomantsika ny maha-kristianina antsika vokatry ny batemy ka hahatonga antsika ho Kristy mpiara-belona amin'ny manodidina antsika, entanin'ny Eglizy isika hibanjina ny fianakaviamben'Andriamanitra, ny Trinite Masina....[....]
MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA
Amin'izao Pantekôty izao dia azo lazaina fa fankalazana ny fahaterahantsika vita batemy izany hoe sady mahatsiaro nahaterahantsika ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra sy olo araiky ao amin'Andriamanitra isika no mankalaza ny fahaterahan'ny Eglizy. Araka ny averimberintsika matetikany fankalazana tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy masina izay ankalazaintsika androany, dia miditra tanteraka amin'izay fankalazana izany isika. Sambatra isika ry Kristianina havana fa namaly ny antson'Andriamanitra. Tsy manery antsika Andriamanitra fa ny safidintsika no mahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra. Miantso antsika izy, manolotra ny Fanahy masina izy, manolotra ny finoana izy, fanomezan-dehibe no atolotr'Andriamanitra ho antsika ka anjarantsika no mandray an'izany fanomezana izany amin'ny famaliana ny antsony....[.......]
NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka isika izao. Tamin'ny Alakamisy lasa teo isika no nankalaza ny fiakaran'i Jesoa any an-danitra izany hoe nankalaza fa nisy havantsika tafita ary dia mbola anatin'ny hafaliana amin'izany isika amin'izao Alahady fahafito ny Paka izao. Efa manampy antsika hiroso bebe kokoa amin'ny fandalinana an'i Jesoa Mpiara-belona izany fibanjinana an’I Jesoa tafita izany. Tsy iza tokoa i Jesoa amin'izao vanim-potoana iainantsika izao fa isika Kristianina, isika no Jesoa mpiara-belona amin'ireo manodidina antsika ...[........]
OMANO NY HIVERENAN’NY TOMPO
Androany isika miara-mankalaza ny niakaran'ny Tompo any an-danitra, ity fankalazana ity dia azo antsoina hoe fitsanganan-ko velona ihany koa izany hoe endrika isehoan’ny hafenoan'ny paka, tena mbola anatin'ny vanim-potoana ny paka isika.
Ny vakiteny amin'izao fankalazantsika ny fiakarana izao dia mampibaribary fa mpiara-belona amintsika tokoa i Jesoa. Manomboka amin'izao dia eo anivontsika tokoa izy ary ivom-piainantsika. Izany no antony nampanantenainy an'ireo mpianany raha nilaza hoe rehefa lasa aho ka hidinan'ny Fanahy masina ianareo dia ho vavolombeloko hatrany amparavazantany...[......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA