Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo ny Epifania nisehoan'ny Tompo izany hoe eto anivontsika tokoa Andriamanitra, sady mbola tanatin'ny fankalazana ny Noely isika no hiditra sahady amin'ny mandavantaona satria i Jesoa ilay miara-dàlana amintsika, eo anivontsika. Mibanjina an'i Jesoa isika rehefa miditra amin'ny vanim-potoanan'ny mandavantaona tahaka izao. Fandalinam-pinoana no ataontsika izay hisontonan'ny Eglizy ny saintsika mba hiezaka hahalala bebe kokoa an'i Kristy mba hahatonga atsika ho tena Kristianina marina...[......]
IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny fankalazana ny Noely Andriamanitra eto anivontsika isika izao ary izany rahateo ny lohahevitra entintsika mamakivaky an’izao taonan’ny fandalinam-pinoana hibanjinantsika an’i Jesoa Mpiarabelona amintsika miara-dalana amintsika.
Izao fankalazana ny Epifania Andriamanitra miseho eo anivon’izao tontolo izao dia mampibaribary amintsika ny hoe Andriamanitra eto anivontsika. Raha mankalaza an’izao Epifania izao isika dia mankalaza ny lahatr’Andriamanitra hatramin’ny voalohany dia izao tontolo izao irin’andriamanitra ho Eglizy fianakaviany, ho olo araiky aoaminy ..[....]
RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKAVAVIN’NY
FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, mbola anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika amin’izao andro voalohany taona “1er janvier” izay ankalazantsika an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra ka ankaravoana sy ankafaliana no hiarahabana atsika oloaraiky jiaby.
Izao voalohan-taona izao dia fankalazana telo sosona no ataontsika :
1- Andro voalohany Janoary, voalohan’ny taona araka ny “calendrier civil” fa araka ny calendrier liturgique dia efa nankalazaintsika izany tamin’ny Alahady voalohan’ny Fiaviana
2- Hibanjinantsika bebe kokoa ka hampidirintsika i Jesoa amin’ny ataontsika sy ny fiainantsika rehetra, tsy i Jesoa lavitra fa i Jesoa eto anivontsika, miara-dàlana amintsika izy.
- Ankalazantsika an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra...[........]
Mankalaza manokana ny fianakaviana masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an’i Jesoa, Maria ary Josefa. Fianakaviana masina no iantsoana azy satria eo anivony ilay masina dia i Jesoa. Maro ny ohatra tsara tiana asongadina sy ny toetra tsara izay azontsika tarafina ary horaisintsika modely amin’ny alalan’ny fianakaviana masina, anisan’izany ireto manaraka ireto :
1- Fianakaviana mivavaka
2- Josefa raim-pianakaviana modely amin’ny fitiavam-bady sy fitiavan-janaka
3- Fianakaviana manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.
4- Fianakaviana mahay mifanaja
" MIANTSO ANTSIKA MBA HO IRAY TAM-PO AMINY NY ZANAK’ANDRIAMANITRA”
Ry kristianina havana, ankafaliana sy ankaravoana no anolorana ny fiarahabana sy ny firariantsoa ho antsika olo araiky jiaby amin'izao Noely Andriamanitra eto amintsika izao. Tsy misy vaovao mihoatra noho izany, Emanoela Andriamanitra miara-monina amintsika. Izany no ankalazaintsika amin'izao Noely izay efa nomanintsika nandritra ny herinandro maromaro ary nisy aza ireo modely natoron'ny Eglizy mba ho entintsika nanomana an'izany Noely izany dia i Md Joany Batista, i Md Josefa ary i Masina Maria. Tsy mitsahatra isika no mamerimberina fa ny fankalazana ho antsika dia tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy Masina dia mivelona an'izany fahatsiarovana izany isika...[.....]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA