Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ASABOTSY MASINA - FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN’NY TOMPO

ASABOTSY MASINA - FIARETAN-TORY ANKALAZANA NY FITSANGANAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Amin’izao alina masina indrindra izao, ry kristianina havana, no ialan’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fahafatesana hidirany amin’ny fiainana. Koa miangavy ny zanany rehetra miely patrana eran’ny vazan-tany ny Eglizy, mba hiari-tory sy hivavaka. Hiara-mahatsiaro ny Paka fandalovan’ny Tompo àry isika, ka hihaino ny Teniny sy hankalaza ny Sakramenta noforoniny, ary dia hatoky manantena fa hiombona amin’Izy Tompo nandresy ny fahafatesana ka hiara-belona aminy ao amin’Andriamanitra mandrakizay.

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

ZOMA MASINA - FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

ZOMA MASINA - FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Noratraina Izy noho ny fahotantsika.

Ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika no nanafoanan'Andriamanitra ny fahafatesana lova nifandimbiasan’ny taranaka rehetra noho ny fahotana tamin’ny fototra; koa mivavaka isika mba manahaka an’i Jesoa Kristy isika mba ho toy ny nitondrantsika tsy fidiny ny endriky ny tany niaviantsika no handraisantsika ny endriky ny lanitra noho ny hasin’ny fahasoavan'Andriamanitra [.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY MASINA - FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO

ALAKAMISY MASINA - FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO - Archidiocèse d'Antsiranana

Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo

Mankalaza ny Fanasana masina ny Tompo isika, dia ilay Fanasana nohafaran’ilay Zanany Lahy tokana tamin’ny Eglizy, fony Izy hanolo-tena ho faty mba ho sorona vaovao maharitra mandrakizay sy ho Fanasana hampiharihary ny fitiavany; koa enga anie afaka manovo fitiavana feno sy fiainana tonga lafatra isika amin’izao Alakamisy masina fankalazana ny Sakramenta Eokaristia izao [.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 09 Aprily 2017 - ALAHADY SAMPANKAZO - TAONA A

FANDINIHANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

Ry Kristianina havana, miditra amin’ny herinandro lehibe amin’ny tantaram-pamonjena antsika isika amin’izao Alahady fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema izao izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Araky ny averimberina matetika amintsika dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany isika rehefa mankalaza fa noho ny fanentanan’ny Fanahy masina dia mivelona azy ary dia izany no irin’ny Eglizy sy anentanany antsika amin’izao Herinandro masina izao fa indrindra amin’ity taona izay natokantsika handalinana an’i Jesoa mpiara-belona amintsika ity...[......]

 

Tsindrio eto  hihaino ny toriteny

Alahady 02 Aprily 2017 - ALAHADY KAREMY 5 - TAONA A

I KRISTY NO FIAINANA SY FANANGANANA HO VELONA

Ry Kristianina havana, izao Alahady fahadimy amin'ny karemy izao no iarahantsika eran'ny Eglizy iraka tsirairay ato amin’ny diosezy hiaraka hiakatra hanao ny pelirinajy. Eny amin’ny “montagne de français” ho antsika eto andrenivohitry ny diosezy, hiaraka hiakatra any an-tendrombohitra isika, hiaraka handinika  ny làlan'ny hazo fijaliana, hiaraka hivavaka mba hihavao tokoa ka hahafahantsika hiaraka hitsangana amin’i Kristy raha miara-maty aminy amin'ny fahotana izany hoe hampiakatra ny fiainantsika mba tsy hirefarefa amin'ny tany. Nanaiky ho fahotana i Jesoa na dia tsy mpanota aza mba hanavotra atsika ao anatin'ny fahotana ka hahazoantsika fianam-baovao ao aminy, izy tokoa miara-belona amintsika ....[.........] 

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..