ANDRIAMANITRA TSY TIA RATSY FA NY OLOMBELONA NO BE SIASIA
Ambaran’ny Eglizy amin’izao Alahady 1 Karemy izao fa tsy ny angovontsika no handresentsika ny fakam-panahy, marina tsy maitnsy miezaka isika fa tsarovy anefa fa Andriamanitra no hahafahantsika mandresy an’izany. Ny mahadiso atsika dia ny manao ny kibontsika ho Andriamanitra ka lasa mifanapotika isika. Noho ny fitadiavana voninahitra dia te-ho ambony isika, io voninahitra io dia matetika mahatonga atsika manilika ny hafa. Ambaran’i Jesoa fa tsy ny voninahitra no sarobidy indrindra fa aoka isika hivelona ny teniny, “Aoka tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitra ianao “, aoka isika hahatoky an’Andriamanitra, ny fitokiana an’Andriamanitra dia ny finoana, ka izy no hitarika atsika ....[......]
Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao
Amin’izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no vanim-potoana lehibe entintsika miomana amin’ny Paka izay fandalovana, miala amin’ny ratsy miditra amin’ny tsara, miala amin’ny fahafatesana miditra amin’ny fiainana, miala amin’ny fahotana miditra ao amin’ny fiadanana ary dia atombontsika androany Alarobia voalohany volana marsa izao ihany koa ny volan’i Md Josefa mifanojo amin’ny fanombohantsika ny karemy. Fantantsika ny anjara toerany amin’ny famonjena, izy ilay lehilahy marina sy tia vavaka ka noho izany azo lazaina fa i Md Josefa dia modely ho antsika amin’izao hamakivakiantsika ny karemy izao ....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny
RAY AMAN-DRENY TSY MAHAFOY ZANAKA ANDRIAMANITRA
Tsy manery Andriamanitra, tsy manery i Jesoa fa isika no tsy maintsy misafidy hanaraka azy ka hivelona ny hafatra rehetra avelany amintsika ka hahatonga atsika ho Kristianina, mpanara-dia azy, mivelona an'izay nampianariny fa tsy hanaraka an'izao tontolo izao : ny vola, ny harena, ny voninahitra, poerapoera, azo lazaina fa filamatra ka anjarantsika no misafidy handeha any amin'ny fitapitak'izao tontolo izao asan'ny ratsy sy ny demony ao anatin'ny haizina sa hanaraka ny fahazavana dia i Jesoa làlana sy fahamarinana ary fiainana ?
Izany indrindra no averin'i Jesoa amintsika androany Alahady faha - 8, : TSY MISY OLONA MAHAY HANOMPO TOMPO ROA fa ny anankiray alany....[.......]
Mbola ny fampianaran’i Jesoa teo an-tendrombohitra hatrany no aroson’ny Eglizy hodinihintsika amin’izao Alahady Faha-7 tsotra Mandavantaona izao. Ao amin’ny Evanjely toko faha-5 n'i Md Matio no hahitantsika ny hafatr’i Jesoa ho an’izay te-hanaradia azy. Aoka ho masina tahaka ny Ray isika raha te hanaradia azy, izy izay mampiposaka ny masoandro ho an’ny rehetra tsy misy avakavaka ary dia izay koa no tian’i Kristy hiainantsika ; hanana ny fitiavana izay fitiavana lavorary ao amin’Andriamanitra dia ilay fitiavan’Andriamanitra tsy manavakavaka. Tiany isika hanana an’izany fitiavana izany ary hitia hatramin’ireo fahavalo aza. Izany no fomba tian'i Kristy hitiavantsika. Hasoavintsika ary amin’ny alalan’izany fitiavana izany na dia ny fahavalo aza, ny hampiova ny fony no tanjona ...[......]
TSY MISY DÉLÉSTAGE AO AMIN’I JESOA
Matetika isika varimbariana amin’ny zavatra maro ka adinontsika ny "essentiel", ny tena izy amin’ny fiainantsika. "Encombré" loatra ny fontsika ka tsy hahita izay tena fahendren’Andriamanitra isika. Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady faha-06 mandavataona izao mbola manohy ny fandalinam-pinoana isika satria izay rahateo ny maha mandavantaona azy. Ny toriteny teny an-tendrombohitra izay hahatonga atsika hivelona ny fahasambarana, hahatonga atsika ho fanasina sy fahazavana no mbola tohizantsika ho dinihina. Mikasika ny fahendrena no voasongadina amin’izao Alahady faha-06 izao...[......]
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA