Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

Alahady 11 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-24 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Alahady 11 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-24 TSOTRA MANDAVANTAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebeka

Amin'izao Alahady faha-24 mandavantaona izao dia asongadin'ireo vakiteny amintsika fa Ray aman-dReny tsy mahafoy zanaka Andriamanitra. Isika no be siasia ka te handeha amin'ny varavarana malalaka any amin'ny fahaverezana ka manadino an'Andriamanitra fa izy kosa Ray be famindram-po. Ny tadiavin'Andriamanitra dia isika hiverina aminy, hanokatra ny fontsika aminy, hitoetra eo an-tongotr'i Jesoa, handray ny  fahendren'Andriamanitra. Izany tokoa ry Krisitianina havana no matetika mahatonga atsika very lalana satria isika tsy mihaino an'i Jesoa, tsy manokatra ny fontsika amin'ny famindrampon'Andriamanitra, tsy mandray ny fampianaran'i Jesoa fa mirona amin'ny fampianarana izay mahatonga atsika very fanahy mbola velona ka tsy mahita intsony ny lalan-kombana...[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

Alahady 04 septambra 2016 - ALAHADY FAHA-23 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Alahady 04 septambra  2016 - ALAHADY FAHA-23 TSOTRA MANDAVANTAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro

Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an’ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy isika ary izay ny fanahafana an'i Kristy. Toetra anankiray ambaran'i Jesoa koa amin'izao Alahady izao dia ny fahafoizana, tsy hanana an'izay toetra izay isika raha tsy manetry tena sy malemy fanahy. Izay tia dia mahafoy hoy i Jesoa. Toetra lehibe tsy maintsy hananantsika izany raha tiantsika ny hifanasoa, hikatsaka ny soa iombonanana, io no mitondra atsika amin'ny fiombonana tanteraka ao amin'i Jesoa. [........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 28 Aogositra 2016 - ALAHADY FAHA-22 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Alahady 28 Aogositra 2016 - ALAHADY FAHA-22 TSOTRA MANDAVANTAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra

Ry Kristianina havana amin'izao Alahady faha-22 mandavantaona izao ny votoatin'ireo tenin'Andriamanitra izay halalinintsika fa indrindra moa anatin'ny mandavantaona fandalinam-pinoana isika izao. Tsy inona ary ny toetra fototra tsy maintsy ananantsika ary hitantsika taratra amin'ireo izay nivelona an'izay hoe fampitrahofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro izany  izay tsy mora satria tsy mifanaraka amin'ny fahendren'izao tontolo izao dia ny FANENTRENTENA. Io no votoatin'ireo vakiteny aroson'ny Eglizy androany. Ny fahendren'izao tontolo izao no mampianatra atsika ny fireharehana fa ho an'ny zanak'Andriamanitra, ny mpanara-dia an'i Kristy dia ny fanentrentena no làlana tian'i Kristy ambara amintsika...[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Alahady 21 Aogositra 2016 - ALAHADY FAHA-21 TSOTRA MANDAVANTAONA D

Alahady  21 Aogositra 2016 - ALAHADY FAHA-21 TSOTRA MANDAVANTAONA D - Archidiocèse d'Antsiranana

Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. 


Ny fampianarana androany Alahady faha-21 mandavantaona izao dia manatitrantitra fa noharian'Andriamanitra ho fianakaviana iray eto an-tany isika no fianakaviana iray any an-danitra. Ny vakiteny voalohany dia manambara amintsika fa antsoin'Andriamanitra hiverina sy hiombona aminy ny firenena rehetra ho olo araiky ao aminy na ny avy atsimo, na ny avy avaratra, na ny avy  antsinanana na ny avy andrefana dia hiombona ho iray ao amin'Andriamanitra ary izay ny voninahitr'Andriamanitra. Noharian'Andriamanitra isika ho ao aminy. Ry Kristianina havana, Andriamanitra dia mikatsaka mandrakariva ny hahasoa atsika, izao anefa tsy maintsy mahay mamaly ny antsony isika ..[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

15 Aogositra - FANKALAZANA MASINA MARIA VIRJINY NAMPIAKARINA ANY AN-DANITRA

Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa; nasandrany ireo manetry tena

 
Faly isika mianakavy amin'ity andro 15 Aogositra ity satria andro fankalazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra izany hoe olona iray rà amintsika no tafita nampakarina any an-danitra ka faly mifampiarahaba isika satria manaporofo izany fa tsy nofinofy ho antsika izao finoantsika izao. Betsaka ny mitady hanome tsiny hoe : "manonofy ianareo" ary dia hitan'Andriamanitra fa mety misy hanana an'izay eritreritra izay mitady hanakivy atsika, inona ny nataony? Ilay Renin'Andriamanitra nampiakariny any an-danitra ao amin'ny voninahitr'Andriamanitra. Tsy hoe noho ny fahamendren'i Maria fa noho ny fahasoavana vokatry ny fanavotan'i Jesoa dia tanteraka ao amin'i Masina Maria izay tsy maintsy ho tanteraka amintsika mianakavy..[.....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..