Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY SAMPANKAZO TAONA A2023

FANDINIHANA NY FIJALIAN'NY TOMPO

Ry Kristianina havana, miditra amin’ilay herinandro lehibe amin’ny tantaram-pamonjena antsika isika amin’izao Alahady fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema izao izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Araky ny averimberina matetika amintsika dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany isika rehefa mankalaza fa noho ny fanentanan’ny Fanahy masina dia mivelona azy ary dia izany no irin’ny Eglizy sy anentanany antsika amin’izao Herinandro masina izao. Misy akony manokana izao fankalazana ny fototry ny Misterin’ny Famonjena antsika amin’izao fiatrehantsika ny Sinaody izao satria ny tanjona dia ny hahatonga antsika ho EOV, ho Eglizy Olo velomin’ny Batemy miombona miara-dalana mandray an-tanana zary Misionera Tabernakla velona.
Koa izao fankalazantsika an’i Jesoa miditra ao Jerosalema izao no mahatonga antsika manambara fa ny Alahadin’ny sampankazo dia manambara ny fidiran’ireo olona tao Jerosalema nitondra sampakazo nitsena an’i Jesoa. Niara-dia tamin’i Jesoa izy ireo niditra tao Jerosalema sady nandray
azy ho mpanjaka.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-5 NY KAREMY TAONA A2023

KRISTY NO FIAINANA SY FANANGANANA HO VELONA

Ry Kristianina havana, izao Alahady fahadimy amin'ny karemy izao no atokantsika iarahana manao pelerinajy, fivahiniana masina hiakatra eny amin’ny la montagne. Eny amin’ny “montagne de français” ho antsika eto andrenivohitry ny diosezy, hiaraka hiakatra any an-tendrombohitra isika, hiaraka handinika ny làlan'ny hazo fijaliana, hiaraka hivavaka mba hihavao tokoa ka hahafahantsika hiaraka hitsangana amin’I Kristy raha miara-maty Aminy amin'ny fahotana izany hoe hampiakatra ny fiainantsika mba tsy hirefarefa amin'ny tany. Nanaiky ho fahotana i Jesoa na dia tsy mpanota aza mba
hanavotra antsika ao anatin'ny fahotana ka hahazoantsika fiainam-baovao ao Aminy, izy tokoa ilay miara-belona amintsika.....[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-4 NY KAREMY TAONA A2023

NY FINOANA AN'I KRISTY NO FAHAZAVANA VAOVAO

 
Ry Kristianina havana, mizotra hatrany ny DIA ary miatrika hatrany ny ADY isika, Alahady fahaefatra amin'ny karemy izao. Raha ny marina dia anio 19 Mars no mankalaza an’I Md Josefa ny Eglizy nefa noho anio alahady fahaefatra amin’ny Karemy dia natao rahampitso ny fankalazana.Aoka tsapantsika ihany koa fa izao 19 Mars izao ihany koa mampiditra antsika amin’ny fhasivinianandro manomanana antsika amin’ny 25 Mars ary ny herinandron’ny fivorian’I Mompera eto amin’ny diosezy izany hoe ny messe chrismale.
Ny tsara resahana amin’izao ankatokon’ny fankalazana an’I Md Josefa dia ireo toetrany satria raha mampirisika antsika hankalaza ireo Olomasina ny Eglizy dia tiany isika sady hatsiaro no hianatra izay niaina isika......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-3 NY KAREMY TAONA A2023

MAHATOKY ANDRIAMANITRA

Ry Kristianina havana, manomboka amin’izao Alahady fahatelon’ny karemy izao dia ny Evanjely nosoratan’i Md Joany no vakintsika isan’Alahady fa indrindra ireo Evanjely izay famantarana mifandray akaiky amin’ny batemy. Handinika bebe kokoa mikasika ny batemy isika manomboka izao. Inona ny antony? Ny Paka no loharano sy fototra ny fiainantsika kristianina ka ny batemy no Paka ho antsika. Izany hoe fandalovana isika, miala amin’ny fahafatesana miditra amin’ny fiainana. Araka izany ny Alahady fahatelo sy fahaefatra ary fahadimy dia handinihantsika ireo famantarana ao amin’ny Evanjelin’I Md Joany izay ahitana ny fanazavana ataon’i Jesoa mikasika an’ireo famantarana ireo. Aoka àry hitamberina ao an-tsaintsika ny Sinaody tapany voalohany izay nandinihintsika ny FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARA-MIVAVAKA, MANDALINA NY FINOANA ka anisan’ny sakramenta lehibe nasongadintsika ny Batemy......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHAROA NY KAREMY TAONA A2023

VOAANTSO HO AN’NY FANANTENANA ISIKA

Ry Kristianina havana, mitodika any Addis-Abeba Etiopia ny fo amam-panahintsika amin’izao alahady faharoa ny Karemy izao. Anio tokoa no mamarana ny dingana kontinentalin’ny Sinaody Eran-tany faha-16. Enga anie hisogadina tokoa amin’ny fehin-kevitra entina any
Roma ny maha-Eglizy Fianakaviam-ben’Andriamanitra ny Eglizy aty Afrika miara-dia mandray an-tanana ka zary Misionera araka ny hafatry ny Papa Md Paoly faha 6 raha nanao visite pastorale taty Afrika izy tamin’ny 1975 : ianareo afrikanina izao no misionera ho anareo afrikanina.
Tsara koa ny manamarika fa ny litorjia dia entin’ny Eglizy hampianatra antsika hivelona ny finoana, ilay finoana
ankalazaina amin'ny alalan'ny litorjia ka hitondra amin’ny finoana iainana entina eo amin’ny fiainana andavandro ijoroana vavolombelon’ny finoana inoana ka hahatonga Misionera.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..