Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAROBIA LAVENONA TAONA A 2023

Ny Rainao izaymahitanymiafina no hamalysoaanao.


Ry Kristianina havana, amin'izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no vanim-potoana lehibe entintsika miomana amin'ny Paka izay fandalovana, miala amin'ny ratsy miditra amin'ny tsara, miala amin'ny fahafatesana miditra amin'ny fiainana, miala amin'ny fahotana miditra ao amin'ny fiadanana ary dia atombontsika androany Alarobia mamarana ny volana febroary ka mampiditra antsika koa tsy ho ela amin’ny volana Martsa, volan'I Md Josefa volana izay iatrehantsika ny pelerinajy eny amin’ny La Montagne des Français sy fanatanterahana ihany koa ny Messe Chrismale.
Tanisaina izany rehetra izany satria tena vanim-potoana lehibe tokoa ny miantomboka amin’izao fa indrindra ao anatin’ny fantanterahana ny Sinaody Tapany Faharoa. Aoka hararaotintsika ny volan’I Md Josefa handray azy ho modely amin’izao fanaovantsika ny Sinaody sady indrindra amin’izao fiomanana ny Paka amin’izao vanim-potoan’ny Karemy izao......[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-7 MANDAVANTAONA A2023

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.


Ry Kristianina havana, mitohy hatrany ny fandalinantsika ny toriteny nataon’i Jesoa teo an-tendrombohitra, izay nolazaintsika fa sata nanorenany ny fiainana maha Kristianina antsika izany hoe fiainan’ireo izay manara-dia Azy hivelona an’izay aina natolony teo amin’ny hazo fijaliana ka hahatonga an’izy ireo ho zanak’Andriamanitra, ho Fianakaviam-ben’Andriamanitra, ho Fratelli Tutti, haha-Olo Araiky antsika Jiaby. Ary io indrindra ny ezaka ataontsika amin’izao Sinaody iarahantsika manao izao ary eo amin’ny dingana faharoa isika dia ny Fianakaviana Eglizy kely miaro ny tontolo iainana ka hahatonga Tranobe Iombonana hiverina amin’ny toetra naharian’Andriamanitra azy.
Efa ho herinandro maromaro no nandinihantsika ny Toriteny teny an-tendrombohitra satria hitan’ny Eglizy fa Fanorenana ny Fianakaviana vaovao no tian’I Jesoa ho tanjona.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-6 MANDAVANTAONA A2023

 TANO AO AM-PO NY DIDIN-JANAHARY, FA FOTOTRY NY SOA - TSY MISY "DÉLÉSTAGE" AO AMIN’I JESOA

Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady faha-06 mandavataona izao dia mbola manohy ny fandalinam-pinoana isika satria izay rahateo ny maha mandavantaona azy. Ny toriteny teny an-tendrombohitra izay hahatonga antsika hivelona ny fahasambarana, hahatonga antsika ho fanasina sy fahazavana no mbola tohizantsika hodinihina. Mikasika ny fahendrena no voasongadina amin’izao Alahady faha-06 izao. Betsaka ny mitady izany fahendrena izany satria io no hahafantarana fa olona feno isika. Ny olon-kendry no afaka mitondra ny asan’Andriamanitra, ny olon-kendry no maneho amin’ny fiainana ny maha-olom-banona azy. Raha ny amin’ny sekoly, na ny fanabeazana no asian-teny eto amin'ny tanindrazantsika dia naka tena faneva isika efa fotoana maro ihany izay.....[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-5 MANDAVANTAONA A2023

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana.


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia nandinika manokana ny toriteny teny an-tendrombohitra isika ary azo lazaina fa io no sata fanorenana ny Fianakaviamben’Andriamanitra, Fratelli Tutti, Olo Araiky Isika Jiaby tahaka ny nanorenan’Andriamanitra ny vahoakany fahiny tany Sinai, nanoloran'Andriamanitra an'ireo teny folo. Ny fahasambarana valo nohalalinintsika dia sata fanorenana ny fianakaviam-ben'Andriamanitra amin'izao nidirantsika amin'ny famonjena nentin'i Kristy izao. Izany no banjinintsika amin'izao fanatanterahantsika ny Sinaody ka handalinantsika ny finoantsika hahatonga antsika ho Eglizy Olo velomin’ny batemy miara-dalana miombona mandray an-tanana ka zary Tabernakla velona, EOV MISIONERA. Vita batemy aho ka irahina”.Irahina hanorina ETA “EGLIZY TRANOBEN’ANDRIAMANITRA” hanavaozantsika ny tontolo iainana,

.......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY NANOLORANA NY TOMPO - 02 FEBROARY 2023

Ankehitriny ry Tompo vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao


Ry Kristianina havana, izao 02 febroary izao no ankalazantsika ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly izay antsointsika hoe fetin'ny Jiro masina. Fanamasinana ny jiro masina, izay mahatonga antsika rehefa manomboka ny lamesa manao ny fitondrana ny jiro ao amin'ny Eglizy. Nefa tsara ny mitadidy ary efa naverina matetika amintsika fa tsy manao "théatre" na fampisehoana isika raha manao izany fihetsika izany fa litorjia izany hoe asan'Andriamanitra ka mivelona izay ankalazaintsika isika. Tsy hoe mahatsiaro fotsiny fa noho ny asan'ny FANAHY MASINA ao amintsika dia sady mankalaza no mahatsiaro isika ka mivelona an'izay ankalazaina. Aoka àry tsy ho variana amin’ny zavatra ety ivelany isika fa ny ambaran’ny fihetsika sy ny zavatra ataontsika.
Androany dia mahatsiaro ny nanolorana ny Tompo tao an-tempoly isika, raha ny marina kokoa dia Izy no nanolotra ny tenany.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..