Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-3 NY PAKA TAONA A2023

« Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny andàlana sy ny nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo"


Ry Kristianina havana, tena mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka tokoa isika ka asiantsika Aleloia ny fiainana, izany hoe miara-dàlana amintsika i Jesoa nitsangan-ko velona, mpiara-belona amintsika.Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Eo anivon’ny fiainantsika miatrika krizy. Miara-dalana amintsika mamakivaky ny tontolom-piainantsika manahirana. Izany no ankalazaintsika amin'izao Alahady fahatelo amin’ny Paka izao. Ny Evanjely androany tokoa dia mitantara an’ireo
mpianatra roalahy avy tany Emaosy, avy any Jerosalema ilay tanàna masina. Tena maneho ny endriky ny fiainantsika ny
tantaran’ireo Mpianatra roalahy. Namakivaky ny Herinandro masina isika tamin'ny lohahevitra hoe :"miara-miditra amin'i Jesoa ao Jerosalema isika". Jerosalema
ilay tanàna masina sy fiadanana, ka raha miara-maty amin'i Jesoa tokoa isika amin'ny fahotana dia miara-mitsangana aminy ka handray ny fiadanana tena izy araka ny voalazany fa tsy ny fiadanana araky ny omen'izao tontolo izao. Mamakivaky ny fiainana miaraka amin'i Jesoa àry isika, mpiara-belona amintsika Izy, tsy lavitra Izy na lasa any an-danitra aza.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA-2 NY PAKA TAONA A2023

"Sambatra izay tsy nahita ka nino”.


Ry Kristianina havana, izao Alahady manaraka ny Paka izao no antsoina amin’ny teny latina hoe "Quasimodo". Mbola Paka ihany koa ho antsika satria ny Paka dia tsy inona fa i Kristy nitsangan-ko velona. Ity Alahady faharoan'ny Paka ity no andrenesantsika ny Evanjely mikasika an'i Md Tomà izay nanambara hoe "Tompoko sy Andriamanitro". Tahaka an’i Md Tomà isika tsirairay avy rehefa miaiky ny fahalementsika ka manaiky an'i Kristy sy miaina ny famindrampon'Andriamanitra.
Nantsoin'i Papa Md Joany Paoly II ho Alahadin’ny Famindram-pon’Andriamanitra ity Alahady faharoa amin’ny Paka ity nanomboka tamin'ny 30 aprily 2000, andro nananganana ho olomasina an'i Mb Faustine izay nambaran’ny Fo masin’i Jesoa hampibaribary ny famindrampon’Andriamanitra......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY PAKA TAONA A2023

NITSANGAN-KO VELONA TOKOA I JESOA


Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana ary am-pitiavana no anolorana ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa ho antsika olo araiky jiaby, ho antsika mianakavy, ho antsika eglizy kely, eglizy fiombonana, eglizy fototra, eglizy iraka, isika diosezy jiaby, isika Fianakaviamben’Andriamanitra, Isika Olo Araiky Jiaby, Fratelli Tutti ary izay rehetra afaka mamaky izao hafatra sy fampianarana amin’izao andron’ny Paka izao. Nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo Aleloia. Tamin’ny Alahadin’ny sampankazo isika no nanomboka ny dingana lehibe rehefa avy nanao ny ezaky ny karemy dia tsy inona fa ny fidirantsika ao Jerosalema izany hoe i Jesoa mpiara-belona amintsika ka miaraka Aminy isika miditra ao Jerosalema. Paka misy dikany manokana izao Paka 2023 izao. Voalohany, ao anatin’ny Sinaody dingana faharoa isika. Araka ny averimberintsika tsy hoe Sinaody par étapes fa étapes du synode izany hoe mifameno sy mifaningotra ireo dingana tanterahantsika. Nahavita dingana faharoa isika nandinika ny finoana.......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny 

ZOMA MASINA TAONA A2023

Noratraina Izy noho ny fahotantsika

Ry Kristianina havana, ny Zoma masina no hibanjinantsika bebe kokoa ny fijalian’ny Tompontsika. Marina fa isan’andro isika rehefa manao ny famantarana ny hazofijaliana dia mibanjina ny fijalian’ny Tompo sy mandray ny vokatry ny fijaliana dia ny dinam-pitiavana izay tanteraka tamin’ny alalan’i Jesoa sy ilay fampihavanana ao amin’Andriamanitra Ray Trinite masina. Fampihavanana amintsika olombelona, fampihavanana amin’ny tontolo iainana, fahariana vaovao ny
dikan’ny fijaliana niainan’i Jesoa Tompontsika. Fantantsika nefa fa Izy izay tsy nanota nanaiky ho fahotana mba ho tanteraka ny dinam-pitiavana sy fanekem-pihavanana. Fahariana vaovao ho antsika ny fankatoavan’i Jesoa ny sitrak’Andriamanitra, izany no fototra amin’izao fankalazana ny Zoma masina izao. Noharian’Andriamanitra hitovy endrika Aminy isika. Tanteraka indray izany ankehitriny tamin’ny fanoloran’i Jesoa ny tenany teo amin’ny Lakroa.......[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY MASINA TAONA A2023

Dia farafitiavana no nataony taminy…..


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahadin'ny sampankazo dia nankalaza ny fidiran'i Jesoa tao Jerosalema isika izay manambara koa fa miditra amin'ny fiainantsika i Jesoa, mpiara-belona amintsika, miara-dalana amintsika fa indrindra amin’izao fanatanterahantsika ny Sinaody izao. Tsy afenina koa fa miatrika fitsapana mafy isika araka ilay Taratasy Fankaherezana nosoratan’ny Eveka sy ny pretra. Tsy Andriamanitra lavitra tokoa ny Andriamantsika fa Andriamanitra miara-miaina amintsika ka tsy mamela antsika ho irery. Izany indrindra no banjinintsika amin’izao hateloana masina izao. I Jesoa tokoa ilay Famonjena antsika. Izy afaka manova ny fiainantsika tsizarizary ho fiainana mendrika ny Zanak’Andriamanitra: Jesoa miara-dàlana sy mpiara-belona amintsika, miditra amin'ny fiainantsika no Paka ho antsika...........[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..