Home » FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA - 7 NY PAKA TAONA A2023

NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA


Ry Kristianina havana, marina mandalo fotoan-tsarotra ny fiainantsika. Samy naheno ny hafatra na ny avy amin’ny Commission Justice et paix na ilay hafatra avy Fivondronamben’ny Eveka dia manasongadina fa ao anatin’ny Krizy marolafy isika izay mitady hanapotika ny fiainantsika. Hoy indrindra ny Eveka milaza izany : « miharihary ny fahantrana lalina sy amin’ny lafiny maro izay mampikaikaika tokoa hatraiza hatraiza. Saika ny lafiny rehetra mihitsy no isehoan’ny fahantrana mahazo antsika, na ara-toe-karena izany na ara-piaraha-monina na ara-pitondran-tena sy toe-tsaina, ara-tontolo iainana ... Miova tsikelikely hatramin’ny kolontsaina izay manefy ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana ary ny fomba fifandraisana. Ary miova hatramin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana izay mihavana tsikelikely amin’ny vono olona sy herisetra, fitsaram-bahoaka, kolikoly, fanariana ny zaza nateraka, halatra mason’ny varira sy taolam-paty, doro tanety sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny fidorohana zava-mahadomelina sns.......[......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAKAMISY FANKALAZANA NY FIAKARAN'I JESOA ANDANITRA

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.


Ry Kristianina havana, faly sy ravo isika mianakavy amin'izao andro ankalazantsika ny fiakaran'ny Tompo izao satria nisy havantsika tafita, nisy iray lio amintsika tafita. Rehefa misy havantsika tafita tokoa na eo amin'ny fanadinana na eo amin'ny fiainana dia mifampiarahaba ny mpianakavy . Ka androany olo araiky amintsika, iray lio amintsika, iray rà amintsika no tafita ka mifampiarahaba isika satria tafita i Jesoa lohan'ny Eglizy ary isika no vatany, Eglizy fianakaviamben'Andriamanitra, Olo Araiky isika Jiaby. Niakatra any an-danitra i Jesoa, any izany no hitoerantsika rehetra. Efapolo andro izao no nihiboka ny Apostoly. Marina tokoa isika koa nanao expérience ny fihibohana tamin’ny fotoanan’ny Korontanavirus. Sahirana isika tamin’izany. Tsy afenina tsy misy intsony ny fihibohana fa ny krizy eo ary indraidray toa mafimafy.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FAHA -6 NY PAKA TAONA A2023

Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo aho


Ry Kristianina havana, efa herinandro maromaro isika no nivelona ny hafalian'ny Paka na dia ao anatin’ny KRIZY MARO LAFY AZA isika aza. Sahirana tokoa isika. Raha mason’izao tontolo izao dia very fanahy mbola velona isika. Manana an’I Kristy Mandresy isika, izy no Alpha sy Omega ka matoky isika fa afaka miarina. Izany indrindra no anaovantsika Sinaody amin’izao fa ahafahantsika miara-dalana manorina ny Tranobe Iombonana izay robaka noho ny hetraketraka. Isika EOV manana an’I Kristy lalana sy fahamarinana sy Fiainana ka na dia mafy ny tolona tsy very isika fa hitantsika ny lalana aleha, manana ny fahamarinana itokisana isika ka na dia mafy aza ny rivotra dia mivahatra amin’I Jesoa Ilay hany Marina. Sambatra isika na dia mbola anatin’ny fanantenana manana ny fiainana.....[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny ......[........]

 

ALAHADY FAHA-5 NY PAKA TAONA A2023

Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jo. 14: 6)


Ry Kristianina havana, matetika isika eo amin'ny fiainantsika no very hevitra noho ny zava-misy, mety sahiran-tsaina tokoa ka manontany tena hoe : mbola misy ve izao Andriamanitra izao, aiza ny lalan-kombàna, aiza ny hiafarana ? Very fanahy mbola velona isika matetika. Ary raha misy fotoana tena hivolagnantsika fa indrindra miatrika izao krizy mafy ary maro lafy iatrehantsika izao ity dia ny hafatra sy fehin-kevitra navoakan’ny Vaomiera Episkopaly mikasika ny Justice et paix teo no mampisongadina an’izany.
Androany Alahady fahadimy amin'ny Paka dia abaribarin'ireo vakiteny fa ho an'izay mandray an'i Jesoa eo amin'ny fiainany dia Jesoa mpiara-belona, I Jesoa nitsangan-ko velona, nandresy ny ratsy ary anisan’izany ratsy izany izao krizy izao dia tsy mandeha irery izy fa miara-dalana aminy I Jesoa satria tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanintsika fa Andriamanitra lavitra no Andriamanitsika fa Andriamanitra miara-dalana amintsika......[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

ALAHADY FAHA-4 NY PAKA TAONA A2023

« Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry »


Ry Kristianina havana, Alahady fahaefatra amin'ny Paka anio ka mahatsiaro manokana an'i Jesoa mpiandry ondry tsara isika, Izy ilay mpiara-belona amintsika, eo anivontsika. Tsy lavitra antsika i Jesoa izay nitsangan-ko velona. Miara-dalana amintsika Izy. Aoka hahatsapa izany bebe kokoa isika amin’izao Sinaody izao. Izany hoe miara-dalana amintsika Jesoa Mpiara-belona mba hivelomantsika indray NY VOKASIONTSIKA ARAKA NY NAHARIAN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA HATRAMIN’NY VOALOHANY, izany hoe ny maha endrik’Andriamanitra antsika ka hanavao indray ny fifandraisana efa potika dia ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy isika eo anivon’ny fiaraha-monina ary amin’Andriamanitra.
Noho izany, ezahin' ny Eglizy ny mampianatra sy mampita amintsika mandritra ny Alahady rehetra fankalazana ny vanim-potoanan'ny Paka amin'ny alalan'ny litorjia izay ankalazantsika ny finoana ny maha eo akaikintsika an'i Jesoa Kristy izay nitsangan-ko velona, amin’ny maha-Kristy miara-dalana amintsika......[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

 

 

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..