Hankalaza ny Zoma Masina isika tsy ho ela. Ny Zoma Masina, izay hahatsiarovantsika manokana ny nahafatesan’I Jesoa Kristy Tompontsika teo amin’ny hazo fijaliana teny an-tampon’ny Kalvery. Fahatsiarovana sy fankalazana ny fara-tampon’ny fitiavan’Andriamanitra no ataontsika fa moa ve fantatsika marina ny momba izany fotoana sarobidy izany?
Indro ary, ireo teboka fito hahalalana ny fotoana nahafatesan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Tsara ho fantatra mialoha:
A.D = Anno Domini = Anno Domini Nostri Iesu Christi = Andron’i Kristy. Izany hoe ny A.D 1 dia ny taona 1, miainga avy amin’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ka noraisin’ny fanjakana maneran-tany ho fanombohana ny fanisana ny taona rehetra mifandimby.
J.D = (tsy hita)
Ny Alahady ny SAKRAMENTA MASINA ny faha 29 Mey 2016 no namaranan'i Eveka Mgr Benjamin Ramaroson ny famangiana Pastoraly tao amin'ny paroasy NOTRE-DAME DE L'ASSOMPTION Tanambao Antsiranana. Tamin'ny andro faharoa ny Asabotsy dia nampianatra izy ny amin'ny tokony handalinantsika ny finoana amin'ny fidirantsika amin'ny vanim-potoana mandavan-taona izao. Ireo vakiteny atolotrin'ny Eglizy amintsika dia i Jesoa mampianatra atsika, manoro antsika ny lalan-kombana.
Ny fampianarana momba ny Sakramenta masina kosa no nataony ny Alahady famaranana ny famangiana pastoraly izay nifanojo indrindra tamin'ny andro nanaovana procession teto Antsiranana :Mila famantarana ny olombelona ka ny Sakramenta Masina, ny Eokaristia Vatana sy Ran'i Kristy dia manambara fa eo anivontsika Andriamanitra, Andriamanitra tsy lavitra ny Andriamanintsika.
- Fampianarana Asabotsy 28 Mey, hihaino tsindrio eto
Ny Alahady TRINITE MASINA ny faha 22 Mey 2016 no namaranana ny famangiana Pastoraly tao amin'ny Aumônerie Catholique Universitaire Antsiranana. Fa tsy isika fa ny fahasoavany no miaraka amintsika ary indrindra matetika aho miteny hoe tsy kisendrasendra fa atoron'Andriamanitra amintsika ny sitrany, tsy inona fa izao famangiana pastoraly izao dia ao anatin'ny fankalazana ny Trinité Masina izay fiombonann'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina na samy hafa izy ireo, hafa ny Ray, hafa ny Zanaka, hafa ny Fanahy Masina nefa Olo Araiky izy ireo.
Nanentana ny eveka mba ho tahaka izany koa isika na samihafa fiaviana : misy ny avy any Antsinanana, avy any Andrefana, avy any Avaratra sy Atsimo nefa natambatra ho iray isika, harena anankiray izay. Harena ny olona satria misy vatana, misy tanana, misy saina sy FO nefa mitambatra ho iray. Tahaka izany koa isika ao amin'ny Trinité Masina, harena io fahasamihafantsika io toy izay ho zary source de violence na division. " La différence est une richesse" raha fantantsika ny manararaotra an'izany.....[tohiny .....]
Tany Sambava no natao ny fihaonan'ireo voatokana ato amin'ny diosezy tamin'ity taona 2016 ity, ny faha-13 ka hatramin'ny 15 Mey lasa teo. Sorona masina lehibe no nentina namaranana ny fihaonana niaraka tamin'ireo kristianina faritra SAVA tamin'ny Alahady fankalazana ny Pantekôty.
Nampianatra ny Eveka ny tsara ho fantatra mikasika ny Fanahy, aoka hazava amintsika ny mahasamihafa ny Fanahy Masina sy ny fanahin'ny tromba.
- Ny fanahin'ny tromba tsy maintsy tompoina ary tanterahinao ny sitrapony, manompo izay tratrin'ny tromba, voafatopatotra. Ireo fady tsy maintsy tanterahina hatramin'ny lokon'ny lamba atao aza.
- Ny Fanahy Masina manafaka izany hoe ː Ny fivavahantsika dia i Kristy nandresy nefa tsy mpanjakazaka, manompo i Kristy, izy Andriamanitra no manompo atsika, izay no nidinany avy any an-danitra, tonga izy hanompo atsika mba ho soa, hihatsara, hiala amin'ireo ratsy mamatopatotra atsika fa indrindra ny fahotana, ny demony izay mamatotra fa ny Fanahy Masina manafaka. Izay no ankalazaintsika anio.
Antenaiko fa hanampy atsika izay fanazavana izay, mba tsy hisabàka isika no sady mamonjy tromba no mamonjy lamesa. Aza afangaro fa rehefa mifangaro dia mikorontana.
Anio mankalaza ny FANAHY MASINA isika, ahoana ary ny hahafantarana fa ny FANAHY MASINA no tonga amiko ?” [.......]
Ny Alahady fahatelo amin'ny fankalazana ny Paka ny faha 10 Aprily 2016 no namaranana ny famangiana Pastoraly tao Sirama.
Izao famangiana pastoraly izao, I Jesoa no mamangy atsika, izy no ilay mpiandry ondry tsara izay mivolagna amintsika, hoy ny tenin'ny Arseveka rehefa manao fitsidihana pastoraly izy.
Inona ny zava-dehibe ataontsika ?
Alatsaho ny haratonareo hoy i Jesoa dia namokatra, ary tena mahavariana fa samy nahita ireo mpianatra ireo fa i Jesoa io fa tsy nahasahy niteny izy ireo fa ny Tompo io. Tsy ny fitafatafana eran’ny tsena ny zava-dehibe fa isika miasa ho an’ny Tompo ary mamokatra ho an’ny Tompo ary izay no maha Eglizy “pilote” anareo. Mbola nanatona koa i Jesoa nangataka hoe ; “omeo sakafo aho” nefa izy no nampamokatra. Izay i Jesoa Eokaristia ho antsika, izay no Andriamanintsika. Nefa izy no tompon’ny zava-drehetra fa ny tadiaviny dia isika ho sambatra ao aminy ary hampamokatra ny fiainantsika. Raha mamokatra ny fiainantsika, raha Eglizy “pilote” ianareo dia fantaro ary fa tahaka ny nataony tamin’i Piera no ataony aminareo tsirairay, ataony amintsika tsirairay “moa ve tia ahy ianao ?”
Mametraka fanontaniana ho atsika koa Andriamanitra
Andro pantekôty, androm-pahasoavana ho antsika eto androany, manontany atsika tsirairay manomboka amin’ny tenako ka hatramin’ny ankizy madinika jiaby manontany Andriamanitra hoe moa ve tia ahy ianao ? izay ny dikan’ny fiekem-pinoana hiarahantsika manao rehefa avy eo, manavao an’izany atsika tahaka an’i Piera. Mamaly ary isika fa tiako ianao.
Fantaro ary ry Kristianina havana fa tsy “je t”aime, tiatiako anao” io. Tsy fitiavana mikombona fa tahaka ny nitiavan’ny Ray ahy, jereo ny hazo fijaliana, fahano ny zanakondriko fahano ny reniondriko.
Iza ary ireo ondry ?
Tsy iza fa ireo akaikinao indrindra, ireo miaraka aminao andavanandro, io no tsy maintsy fahanana dia fahanana an’i Jesoa.
Io no valin’ny fanontanianareo tamiko omaly hoe; “Ahoana ny atao an’ireo manohitra ny fivavahana, ny mbola tsy mino, ny mbola tsy mivavaka?“
Fahano an’i Jesoa izy ireo. Tsy maintsy misy “valeur” kokoa ny zavatra omentsika an’ireo manodidina atsika, raha tsy misy “valeur” dia fantaro fa tsy hanaitra an’izy ireo....
Ho tohin'ny taratasy pastoraly laharana faha-telo, toro-làlana avy amin'i Arseveka Ray aman-dReny tamin'ny septambra 2014,
”TSY TONGA MBA HO TOMPOINA FA HANOMPO….” (Mk 10, 45), ho antsika Vita Batemy jiaby sy ny olona tsara sitra-po rehetra, Olo Araiky ato amin’ny Diosezy, efa voasoratra fa ho hisy taratasy manokana atolotra ny isan-tsokajiny hanazavàna izay andrasana amintsika tsirairay mikasika ny maha-misionera antsika, dia indro ary ny taratasy fanentanana ny tsaiky madiniky zary misioneran'ny famindrampon'Andriamanitra :
TARATASY FANENTANANA ATSIKA JIABY TSAIKY MADINIKY
NIHINTSIKA OLOBE, NIHINTSIKA MPANABE
« Nisy tsaiky madiniky maromaro nandesigny tami-nany biaka
hamitrahan’ny tagnana ndrêky hivavahany nihindrô. Fa nandrara irô mare ny ampianatra-nany.
Kê nivolagna tamin-drô i Jesoa : « Avotsôra tsaiky aby io fa k’aza raràna tsy hagnatono Zaho ; fa
ny mira irô kony izy nihin’ny fanjakan’ny Lanitry. » Lêra baka namêtraka tanana tamin-drô i
Jesoa nanohy dia-nany. (Mt 19, 13 – 15).
Araka izay volagn’i Jesoa izay, Izy fo eky mikaiky ny tsaiky hagnatono Izy. Ah zalahy ! Teky
fitiavana bebe tamin’i Jesoa ankitigny anarô tsaiky jiaby ê ! Anarô tsaiky, tegna tian’i Jesoa ankitigny. Mety
araraotinarô zegny tombom-pitiavagna anarô zegny. Mandao magnatono Izy, k’aza misalasala !
Fanontaniana : Ino mà avian’i Jesoa mankatia ny tsaiky ?
Ravoravo zaho indrindra amin’ny fidiran’ny Diosezy amin’ny fahatsiôtampolo (60)
taogno vaovao kê mandefa volagna aminarô Tsaiky tsaraikaraiky amin’ny Taogno
Masignin’ny Famindrampo iziô ity izaho. Misiôneran’ny Famindrampo ankitiny anarô
tsaiky. Tia hagnano zaka nataon’i Jesoa tamindrô tsaiky fanôjy Izy Babanarô. Kê k’aza
mavozo anarô magnatono Jesoa fôtiny magnabiana fò-nany aminarô Izy. Mikaiky anarô
Izy hanjary Apôstôlin’ny Fo-nany Masiny. Hanjary Misiôneran’ny Famindrampo.
Mibiagna aminarô tsaiky ny tsiôtampolo taogno vaovao. Fôtotro itsanganan’ny
tsiôtampolo taogno vaovao anarô… Kê izikà tsara ny fôtotro hirafitry tsara ny
diosezintsika. Tsara ny fôtotro izikà magnabiagna fonarô amin’ny Fo Masign’i Jesoa anarô
kê manjary Apôstôlin’ny Fo Masign’i Jesoa, hanjary Misiôneran’ny Famindrampo.
Miambigny anarô tsaiky hiroso amin’ny lalindalina kê hanjary ho Apôstôlin’ny Fo Masign’i
Jesoa, hanjary Misiôneran’ny Famindrampo. « Iniany baka ny ho avy fa tsy amaray izikà
mirotsaka atsika Tsaiky jiaby! »
Ny Alahady fahefatra amin'ny fiavian'ny Tompo ny faha 20 desambra no namaranana ny famangiana Pastoraly tao Sambava.
Nizara roa ny fampianaran'i Arseveka Ray amandReny tamin'ny teny fampidirana nandritra ny sorona masina :
Natomboka taminy fanazava indrindra mikasika ny logo ny famindrampon'Andriamanitra ny fampianarana.
Ary notohizana kosa famin'ny firesahana ny fiainana pastoraly ny misiona Sambava izay nasongadin'i Arseveka ireo zavatra telo tsapa fa tena nanaovantsika ezaka ka niarahabany ny kristianina ao amin'ny misionan'ny Sambava dia :
Ny voalohany izay zava-dehibe tokoa dia ny firaisankina anatin'ny misiona anankiroa ao Sambava (Centre sy Antanifotsy).Marina fa samy manana ny fizarazarana hatramin’ny Eglizy fiombonana ka hatraty amin’ny Eglizy iraka, fa miezaka ny Kristianina ho tena Eglizy ary ao anatin’ny firaisankina.
Ny faharoa azo asongadina amin’ny ezaka vita tato ho ato ary tokony hohalalinina, tsy tokony ho afapo amin’ny ezaka lehibe izay vita ato amin’ny Eglizy iraka roa ny fandraisana an-tànana : ao ny hasim-pinoana, ao ny rakitra araka ny tatitra rehetra, tohizina izay ary hamafisina.
Ny fahatelo mila ho hatsaraina bebe kokoa satria mbola maro ny tsy mety aminy kanefa efa nisy ny ezaka vita, tsy inona fa ny fandalinam-pinoana ny katesizy izany. Tokony atomboka any amin’ny Eglizy fiombonana. Nisy ny ezaka amin’ny fandalinam-pinoana porofon’izany roanjato mahery no manao konfirmasio.
Raha izay telo izay no misongadina ka anaovana bravo ny kristianina amin'ny misiona Sambava, ireto kosa ny indro kely ka mila ezaka bebe kokoa ka tena hanaovana ezaka tsy hoe amin’ity taona ity fotsiny fa ilaina hitohy :
- Ny voalohany fametrahana any amin’ny Eglizy fiombonana ireo rafitra rehetra
- Ny faharoa fandalinana ny taratasy pastoraly telo, taratasy manazava ny fianakaviana Eglizy kely izay no voalohany, ny faharoa dia Eglizy mandray an-tànana ny Eglizy velona, ary ny taratasy faha-telo ny maha-Eglizy ny Eglizy
- Ny fanaovana programme manokana atao ho an’ireo tsaiky madiniky amin’ity taona ny famindrampo ity satria araka ny fantatrantsika natao ho misioneran’ny famindrampo ireo ankizy
Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana famangiana pastoraly tao SAMBAVA
Tamin'ny Alahady voalohany nanombohana amin'ny Eglizy Katokila eran-tany ny TAONA MASINA dia ny faha 13 desambra ny famangiana Pastoraly tao Andapa. Matetika ny eveka no milaza amintsika fa tsy mba misy zavatra kisendrasendra ao amin'Andriamanitra fa ataony izao rehetra izao mba hanampy atsika hifantoka bebe kokoa amin'izay finoana izay. Ny finoana tokoa no maha-voavonjy fa tsy misy zavatra hafa : na ny vola, na ny harena dia tsy hazahoana famonjena na oviana na oviana. Antintraterin'ny eveka Raiamandreny fa zava-dehibe ny pastoraly iombonana ato amin'ny diosezy ka tsara ary tsy maintsy haverina vakiana, fakafakaina, halalinina ireo taratasy pastoraly telo efa navoaka amin'ny diosezy nandritra ny roa taona zay :
- ny voalohany izay nanambarantsika fa ny fototra pastoraly eto amin'ny diosezy dia miainga amin'ny FIANAKAVIANA EGLIZY KELY
- ny taratasy faharoa dia ny fanazavana ny mikasika ny hasim-pinoana, ny fanazavana ny rakitra, ahoana ny velontegnan'ny Eglizy, ahoana ny velontegnan'ny pretra
- ny fahatelo manazava bebe kokoa an'izay fandraisana an-tànana amin'ny lafiny rehetra izay, tsy inona izay fa manazava hoe inona marina ny atao hoe Eglizy ary manazava ny rafitra eto amin'ny Diosezy izay miainga any amin'ny fototra fa tsy miainga any amin'ny lohany.
Tsara ho vakintsika ny taratasy telo ireo hahafahantsika, fa indrindra amin'izao faha-60 taona ny diosezintsika izao, mba hiroso lalindalina kokoa fa efa olombe, efa matoe ny olona 60 taona izany ka ilaina ny hirosoantsika lalindalina kokoa. Indrindra amin'izao taona masina izao indrindra no hanehoantsika an'izay
Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana famangiana pastoraly tao ANDAPA
Tsindrio eto hamaky ny toriteny famangiana pastoraly tao ANDAPA
Tamin'ny andro Alahady faha-25 oktobra, Alahady mamarana ny volan'ny raozery, ary mamarana ihany koa ny sinaodan'ny fianakaviana tany Roma no namaranana ny fitsidihana pastoraly tao Ambilobe. Feno zato taona no nanaovana batemy voalohany tao Ambilobe. Sarotra ny nanombohana azy, tahaka ny nahasarotra ny fitoriana ny vaovao mahafaly tamin'ny voalohany, tamin'ny niandohan'ny Eglizy tany Roma, sarotra koa ny tao Ambilobe. Isaorana an'Andriamanitra fa nisy firosoana amin'ny lalindalina kokoa sy ny ezaka goavana natao nefa mbola maro koa ny ezaka tsy maintsy atao satria na dia eo aza ny fanorenana Eglizy trano ao anatin'ny misionan'Ambilobe, dia ny fanorenana ny Eglizy olo no nantenanan'i Eveka manokana ny misiona :
1- Fametrahana rafitra tahaka ny manorina ny Eglizy trano no tsy maintsy ilana rafitra koa ny fanorenana Eglizy olo.
2 - Famakiana sy famakafakana ny taratasy pastoraly satria io no manome ny làlan-kombantsika eo amin’ny lafin’ny pastoraly mba tsy handeha fotsiny amin’izao isika fa misy làlan-kombana mazava
3 - Fiainana mba ho Eglizy Velona ny Eglizy olo zay arafitra satria :
- Velona ny Eglizy raha mivavaka
- Velona ny Eglizy mivavaka raha mandalina ny finoana
- Velona ny Eglizy raha mijoro ho vavolombelona
- Velona ny Eglizy, raha manompo, ary izay no maha-Eglizy ny Eglizy, ary itahafany amin’i Kristy
- Velona ny Eglizy raha mandray an-tanana
Tsindrio eto hamaky ny zava-misy sy ny fampianarana famangiana pastoraly tao Ambilobe
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA