Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » L'évêque

L'évêque

FIANAKAVIANA EGLIZY KELY TOHINY

« Amin’izao fotoam-pibebahana izao dia manavao ny finoantsika isika, manovo ilay "ranovelon’"ny fanantenana sy mandray amin’ny fo misokatra ny fitiavan’Andriamanitra izay manova antsika ho mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy (ho Olo Araiky isika jiaby). Hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika amin’ny alin’ny Paka, mba hateraka indray ka ho tonga lehilahy sy vehivavy vaovao, noho ny asan’ny Fanahy Masina….. »  

Io tenin’i Papa tamin’ny taratasiny tamin’ny Karemy no mbola entoko manolotra amintsika Olo Araiky Jiaby ny taratasy annexe 3 satria mifanraka tsara sy mamintina amin’izay ambarany  

Mankalaza ny Alahadin’ny Sampankazo isika Mandray an’ity hafatra ity. Feno tebiteby noho ity KORONTANAVIRUS ity….  

Alahadin’ny Sampakazo mamarana ny « ady » sady « dia » miakatra  ho an’ny Jerosalema noho izany varavarana mampiditra antsika ao Jerosalema miaraka amin’i Jesoa ao amin’izao Herinandro Masina.  

Tsy levona (lò) ao am-pasana i Jesoa fa « nandevona » ny ratsy rehetra ary ny ratsy faratompony dia ny fahafatesana. Havoazin’i Kristy Fihavanantsika ny zava-drehetra ary isika miaraka Aminy, sy amin’ny alalany ary ao Aminy. Izay ny « départ vaovao »…  

MIRARY PAKA MASINA SAHADY HO ANTSIKA JIABY ALELOIA NITSANGAN-KO VELONA NY TOMPO ALELOIA  

Indro ny taratasy annexe FAHA-3 hanampy antsika hanohy ny « départ vaovao » : TONDRON-JOTRA, TORO-LALANA … HANAMPY ANTSIKA MBA HO FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFAMPITSIMBINA,MIFANASOA, MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA MBA HO OLO ARAIKY ISIKA JIABY VOKATRY NY PAKA 

 

 

FIANAKAVIANA EGLIZY KELY

Miditra amin’ny dingana faharoa amin’ny « ady sy dia » vokatry ny « départ vaovao », vokatry ny fiaingana vaovao, ainga vaovao isika. Ady amin’ny ratsy fa indrindra vokatry hetraketraka nataontsika olombelona ihany ka niteraka ny fiovan’ny toetrandro (changement climatique) nanapotika ny fivelarana ny maha olona manontolo sy ny olon-drehetra. Io ilay fomba fijery sy fisainana momba ny tontolo iainana mivelatra amin'ny lafiny rehetra sy amin'ny lafiny manontolo velabelarin'i Papa ao amin' ny Ansiklika « Hankalazaina Andriamanitra » (Laudato si) . Ao ny Papa no mamaritra ireo fanamby entintsika miaro ny tontolo, dia ny TRANOBE IOMBONANA, tsy ho potika intsony izany hoe fomba fisainana ny tany sy fisainana mivelatra sy manontolo mifanaraka amin’ny maha olo araka ny naharian’Andriamanitra azy (écologie humaine intégrale) Fanontaniana ifampisedraina Inona marina ny zava-misy eo anivon'ity Tranobe iombonana ity raha fitinintsika. Raha mijery ny aty amintsika inona no azonao lazaina ? Aza mitanisa fotsiny fa jereo tsara ny mety nahatonga izany.......

Taratasy pastoraly laharana faha-8

HO ANTSIKA EOV VITA BATEMY REHETRA PRETRA, VOATOKANA, LAHIKA: TOLAGNA HOMBA ANTSIKA MIANAKAVY ANIE NY FIADANAN’NY TOMP “TSY ISIKA FA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA MIARAKA AMINTSIKA....”

Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be (KORONTANAVIRUS) sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina (PANTEKOTY VAOVAO), dia tonga nanahaka ny Tompo ianareo, ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra…” (1Tes 1, 6) Milaza miara-mahita isika fa maro ny zavatra mikorontana nentin’ity Krizy ity izay azo lazaina fa tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny fa maro lafy indrisy ka betsaka ny zavatra potika : very fanahy mbola velona ny maro, very repères (tondrom-piainana), very identité (ny maha-izy azy), very ny soatoavina ….

FILAN-KEVITRA IOMBONAN’NY DIOSEZY - FEHIN-KEVITRA

« Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo » « Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika… » Ho antsika Olo Araiky Pretra, Voatokana, Lahika

Notanterahina ny faha-16 ka hatramin’ny faha-21 jolay 2018 tao amin’ny Centre Spirituel Saint Augustin ny Filan-kevitra pastoraly voalohan’ny Diosezin’Antsiranana. Nandray anjara feno tamin’izany ny tolagna, dia ny Pretra, Voatokana, lahika izay miisa 112, avy amin’ny lafivalon’ny Diosezy. Miaramisaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitantanany sy ny fanilovan’ny Fanahiny; isaorana indrindra isika niara-niasa loha na ny lavitra na ny akaiky tamin’ny fanohanana am-bavaka.

Taratasy pastoraly laharana faha-5

« Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be……. Izaho no milaza izany
aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny
fifalianareo » (Jn 15, 6, 11)
Efa manomboka mipetraka ny rafitra eto anivon’ny diosezintsika. Isaorana Andriamanitra. Isaorana
koa isika Olo Araiky. Miroso àry ny dia amin’ny fanorenana ny Eglizy trano fa indrindra ny Eglizy Olo.

Lettre pastorale N°4 du 27 septembre 2016

Lettre pastorale N°4 du 27 septembre 2016 - Archidiocèse d'Antsiranana

 L'évêque nous invite à prendre en compte de sa 4ème lettre pastorale nous invitant à continuer d'avancer vers le large : 

"Ayons donc courage car le défi nous attend. Les instruments tels que le catéchisme, la maison de formation, le personnel
enseignant sont là prêts, à notre portée. Il nous appartient de les faire tous fructifier. Prenons effectivement en mains soit spirituellement (par la prière), soit intellectuellement (par les conseils), soit matériellement (argent...), Levons nous ! …avançons-nous au large en vue de la construction d’une Eglise Vivante Eglizy Olo (Église de personnes vivantes de leur foi)... Non, nous mais la grâce de Dieu avec nous."

Taratasy pastoraly laharana faha-4

Taratasy pastoraly laharana faha-4 - Archidiocèse d'Antsiranana

Manasa antsika ny Ray aman-dreny Arseveka amin'ny alalan'ity taratasy pastoraly laharana faha-efatra ity mba hanohy ny ezaka izay efa vitantsika hatrizay "Mahereza fa maro ny fanamby miandry antsika e". Eo ampelatantsika izao ny fitaovana rehetra : katesizy, trano fiofanana, mpampianatra...
Anjarantsika ny mampiasa azy ireo mba hamokatra. Handray an-tanana isika na ara-panahy (vavaka...) na ara-tsaina (toro-hevitra....) na ara-nofo (vola....), Alao hery sy tanjaka àry fa miroso ny dia hanorenantsika ny Eglizy Olo... Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika..."

Lettre pastorale N°3 du 14 septembre 2015

Lettre pastorale N°3   du 14 septembre 2015 - Archidiocèse d'Antsiranana

L'évêque nous invite à prendre en compte de sa 3ème lettre pastorale intitulée "LE FILS DE L’HOMME EST VENU NON POUR ETRE SERVI MAIS POUR SERVIR" ….
(Mc 10, 45), et propose cette fois-ci une réflexion très simple sur l’Eglise, surtout en ce moment de 60 ans de diocèse. 
Le Diocèse nous tend les bras pour ces 60 prochaines années. Nous allons le prendre en mains.....

 

 

Taratasy pastoraly laharana faha-3

Taratasy pastoraly laharana faha-3 - Archidiocèse d'Antsiranana

Manasa antsika ny eveka hamaky ny taratasy pastoraly faha 3 " Tsy tonga mba ho tompoina fa hanompo..." (Mk 10, 45) izay manolotra antsika ny dinika mikasika ny Eglizy fa indrindra amin'izao faha 60 ny diosezy. Handray an-tanana azy isika....

 

Lettre pastorale n° 2 du 02 Février 2015

Lettre pastorale  n° 2  du 02 Février 2015 - Archidiocèse d'Antsiranana

L'évêque vous invite à découvrir sa lettre pastorale intitulée « Le Diocèse compte sur Vous, sur toi, sur chacun de Nous, Olo Araiky", comme Saint Paul sur la route de Damas,  nous avons demandé au Seigneur ce que « chacun devait faire, et ce que nous devions faire ensemble » (Ac 9, 6)

Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..