Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS

DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS

02 desambra - Fandraisana ny Nonce Apostolique Mgr Paolo Rocco eto Sambava

Androany zoma 02 desambra 2016 no manomboka ny fitsidihan'ny Nonce Apostolique Mgr Paolo Rocco mandritra ny telo andro eto amin'ny faritra Sava izay ao anatin'ny fitsidihana pastoraly ataon'ny Arseveka tompon'andraikitra amin'ny faritra avaratra dia i Mgr Benjamin Ramaroson. Telo andro hiarahana mankalaza sy midera an'Andriamanitra sady mbola ao anatin'ny famaranana ny taona masina famindrampo rahateo. Hankalza koa ny faha-50 taona nahatongavan'ireo pretra redemptoriste eto amin'ny diosezy avaratra, izy ireo miasa ao Ampanefena sy Vohémar

Nonce Apostolique Mgr Paolo Rocco à Sambava
02/12/2016 commentaires (0)

Fanentanana amin'ny famangian'ny Nonce Apostolique eto SAVA

Mbola anatin'ny famaranana ny taona masina famindrampo, hitsidika ny faritra SAVA ny Nonce Apostolique ny Zoma 02 ka hatramin'ny Alahady 04 desambra 2016 mandritra ny famangiana pastoraly ataon'i Arserveka Mgr Benjamin Ramaroson amin'ny faritra iny, ka manentana ny olo araiky jiaby mba hiombona vavaka bebe kokoa amin'izao hateloan'andro hiarahana amin'ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, ambassadeur ny vatican no mpisolo tena ny Papa Ray Masina eto Madagasikara

Fanantenana famangiana ataon'i Nonce
02/12/2016 commentaires (0)

HAFATRY NY EVEKA MALAGASY tamin'ny 10 novambra 2016

 “Izay manao ny marina no hendry ary ny marina no maha olon’afaka antsika”. 

Efa nambara tamin’ny hafatra navoakanay tamin’ny volana Aogositra ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny endriny maro eto amin’ny firenena ka mamela ratra sy mamotika ny fiainan’ny malagasy. Mbola nampahatsiahivin’ny Papa Fransoa tamin’ny alatsinainy 7 novambra teo indray, fa ny anisan’ny kendren’ny Taonan’ny Famindram-po, dia ny hanasitrana ny ratra rehetra mahazo ny olombelona tamin’ny fijaliana mangirifiry niaretan’ny Zanak’Andriamanitra. Marihina fa ny fankalazana manokana ny taona masina Famindram-po no mifarana fa ny fiainantsika manontolo dia fiezahana hanahaka an’i Jesoa Endriky ny Famindrampon’Andriamanitra. Koa ny Fianakaviana no sehatra voalohany hampitàna ny Fahendren’Andriamanitra loharanon’ny fahamarinana mahavelona. Fianakaviana mivelona ny finoana, sy mampita fahendrena sy fitiavana amin’ny fanabeazana ny faramandimby, manomana ny ho aviny...[......] 

En version française cliquer ici : Message de la conférence episcopale malgache

 

15/11/2016 commentaires (0)

18 - 20 nov : Famaranana ny taonan'ny Famindrampon'Andriamanitra

18 - 20 nov : Famaranana ny taonan'ny Famindrampon'Andriamanitra - Archidiocèse d'Antsiranana

Ny Alahady hankalazana ny fetin'i Kristy Mpanjaka no hamaranana koa ny taona masina ny famindrampon'Andriamanitra.
Ho hisy fanamarihana manokana izany eto amin'ny diosezin'Antsiranana manomboka ny Zoma 18 novambra ka hatramin'ny Alahady 20 novambra ho avy izao.

Tsindrio eto hahitana ny fandaharam-potoana

17/11/2016 commentaires (0)

Hanaraka anao aho ry Tompo na aiza na aiza halehanao”Lk 9,58

Hanaraka anao aho ry Tompo na aiza na aiza halehanao”Lk 9,58 - Archidiocèse d'Antsiranana

Amin'ny finoana an'i Kristy nitsangan-ko velona no anambarana amintsika mianakavy fa nodimandry i Sr Germaine Nahita-
Fikambanana "Fo Madion'i Maria ny Diégo-Suarez na CIM" rehefa nivahiny 74 taona teto an-tany ary 49 taona naha-relijiozy

 

21 Aogositra Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra

21 Aogositra Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra - Archidiocèse d'Antsiranana

Malagasy renim-pianakaviana iray rà amintsika ankalazaina androany dia lahika nivelona teto anivontsika izay nahatsapa fa tsy maintsy miasa, mivelona ny finoana ary izay ny tena maha-Kristianina atsika

FANAMASINANA PRETRA an'i JEAN-DENIS RABESON tao Ampanefena ny 13 /08/16

FANAMASINANA PRETRA  an'i JEAN-DENIS RABESON tao Ampanefena ny 13 /08/16 - Archidiocèse d'Antsiranana

Androm-pahasoavana lehibe tato amin'ny diosezy ny Asabotsy faha-13 Aogositra 2016, nanamasinana an'i diakra Jean-Denis ho pretra.
Manorina Eglizy trano isika no manorina Eglizy olona, miara-mahita isika fa tsy lavorary izay fanorenantsika izay, maro ny zavatra tsy mety mifanaraka amin'ny sitrak'Andriamanitra, izay rahateo ny tarigetran'i Jean-Denis izay maniry dia maniry tokoa araka ny témoignage nataony mba hanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra satria ny fanatanterahana an'izany no hahafahantsika manorina ny Eglizy. 

Nampianatra ny Eveka nandritra ny sorona masina fanamasinana ho pretra an'i diakra Jean-Denis Rabeson ny hoe :

Inona marina moa ny mpiandry ondry tsara manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ?
maro ny azo lazaina amin'izay fa telo no ampitsiahiviny amintsika.... Tsindrio eto hamaky ny toriteny

19/08/2016 commentaires (0)

HAFATRY NY EVEKA MALAGASY tamin'ny 13 Aogositra

HAFATRY NY EVEKA MALAGASY tamin'ny 13 Aogositra - Archidiocèse d'Antsiranana

“ONENA IZY NAHITA ITY VAHOAKA NAFOY TOY NY ONDRY TSY MISY MPIANDRY (Mk 6,34) 

“Ny very hotadiaviko; ny nania haveriko; ny naratra hotsaboiko, ary ny marary hohatanjahiko, fa ny matavy sy ny matanjaka hokolokoloiko.  Samy handrasako ara-drariny avy izy ireo  (Ezekiela  34,15-16)

Ireo teny ireo no manainga anay EVEKA, Ray aman-dreninareo, izay nivory tsy ara-potoana, handinika ity fiainam-pirenentsika ity. Tahaka an’i Ezekiela Mpaminany Masina nahay nijery ny fiainan’ny vahoaka, mampahonena toy ny ondry tsy misy mpiahy, vokatry ny fifandimbiasan’ny fitondrana izay samy tsy nahay naka lesona tamin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao...[....]

 

 En version française cliquer ici

 

19/08/2016 commentaires (0)

JMJ CRACOVIE 2016

JMJ CRACOVIE 2016 - Archidiocèse d'Antsiranana

 « Soyez des semeurs d’espérance… »

 

Ce qui m’a frappé profondément tout au long de ces JMJ de Cracovie est qu’à chaque rencontre un vrai « tandem » entre le Pape François et les jeunes pour ne pas dire à la fin une « complicité » dans son sens le plus noble s’est créé. Tandem est une bicyclette à deux places que les deux cyclistes pédalent à la même cadence........une confiance s’est établie entre le « grand papa (Pape) sage » qui  conduit et qui indique où aller car il a un excellent « GPS » le meilleur de tous les temps et de toute la planète étant fidèle et ne changeant pas « hier, aujourd’hui et demain »: le « GPS » Jésus.....Lire la suite

 Temoignage d'un pélérin Père évêque Ramaroson Benjamin Marc 

09/08/2016 commentaires (0)

Antsiranana – Le Nonce apostolique inaugure un centre social

Antsiranana – Le Nonce apostolique inaugure un centre social - Archidiocèse d'Antsiranana
13.07.2016 | 8:30 Actualités, Region EXPRESS DE MADAGASCAR   Un Centre social polyvalent est ouvert à Antsiranana, après deux années de construction. Il porte le nom de Lucien Botovasoa, un instructeur...

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Taranaka mpanorina ETA sy EOV

Taranaka mpanorina ETA sy EOV - Archidiocèse d'Antsiranana

TWITTER DE MGR RAMAROSON BENJAMIN

https://x.com/OloAraiky

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..