"Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba
ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo" Lk 21, 35
Ry Kristianina havana, anio no hanombohantsika ny taona litorjika vaovao, Alahady voalohany Avent, Alahady fahatongavan'ny Tompo. Taona vaovao isika izao ka ankafaliana sy ankaravoana no iarahabana atsika OLo araiky sika jiaby amin'izao taom-baovaon' ny litorjika izao. Eto moa dia mampatsiahy atsika fa ny litorjia dia asan'Andriamanitra, atao hampiditra atsika tsikelikely ao anatin'izay fiainan'Andriamanitra izay. Ny fiainan'Andriamanitra dia izay nambaran'i Kristy ka izay indrindra ry Kristianina havana. Alahady "Avent" izao no anombohantsika ny taona vaovao. Zay no mahatonga ahy miarahaba atsika tratry ny taona vaovao izay mampiditra atsika tsikelikely amin'izay fiainan'Andriamanitra, izay fiainan'i Kristy. Kristianina isika midika izany fa ny fiainan'i Kristy no fiainantsika Kristianina. Ny litorjia dia asan'Andriamantira ataontsika mba (····· tsindrio eto hamaky ny toriteny)
Alahady Faha – 34 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
Fankalazana manetriketrika an’i
I JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady faha-34 mandavan-taona izao no ankalazantsika an’i Kristy Mpanjaka no sady hamaranana ny taona litorjika. Rehefa mamarana taona isika dia voalohany miara-misaotra an’Andriamanitra ary mifampiarahaba satria nahavita namakivaky an’izay taona izay. Araka ny efa matetika lazaina amintsika, tsy mitovy ny taona litorjika sy ny taona izay mahazatra atsika amin’ny calendrier. Fa ny taona litorjika dia natao mba hiainantsika ny fianan’Andriamanitra, ny fiainan’i Kristy. Ny fiainan’i Kristy manko dia fiainan’Andriamanitra. Izay ny litorjia, asan’Andriamanitra ka mampiditra atsika tsikelikely ao amin’izay fiainan’Andriamanitra zay. Ary izao Alahady izao faha-34 tsotra mandavan-taona no ankalazan’ny Eglizy an’i Kristy Mpanjaka. I Kristy no mampivondrona izao rehetra izao, izy no mpanjakan’izao tontolo izao ary izy no faran’izao rehetra izao araky ny (tsindrio eto hamaky ny toriteny....)
Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny taona litorjika isika. Ny Alahady Faha-33 tsotra Mandavan-taona no anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay iresahan’i Jesoa indrindra ny amin’ny hiverenany amim-boninahitra....
Toussaint, fankalazana manetriketrika ny fetin’olomasina rehetra. Ambaran’ny tenin’Andriamanitra androany fa nandresy tokoa i Kristy ary nomen’Andriamanitra ny fahasoavana isika hiombona aminy tanteraka hidera sy hanome voninahitra azy....
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA