Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » HAFATRY NY EVEKA tamin'ny nahafatesan'i mompera Miandra Alison Bezaka

HAFATRY NY EVEKA tamin'ny nahafatesan'i mompera Miandra Alison Bezaka

Mitebiteby ny fontsika mibanjina ny vatana mangatsiaka. Mitebiteby miatrika ny fahafatesana.
Marina izany satria io fahafatesana io no faratampon’ny olana misy amintsika. Tsy miafina amin’i Kristy izany,

Monseigneur Benjamin Marc Ramaroson, c.m.
Archevêque d’Antsirananana
Tél : (261) 32 11 539 39
BP 415
5 Boulevard Le Myre de Villers
201 ANTSIRANANA
Madagascar
bramaroson@gmail.com

 


Ho antsika Olo Araiky Pretra, Voatokana, Lahika
Raha ny marina ary raha ny sitrako dia hiombona amintsika Olo Araiky aho miatrika ny voina mihatra amin’ny
diosezintsika izao nefa araka ny efa fantatrareo tsy maintsy miatrika adidy sy andraikitra hafa aho.
Ny vatana no tsy mifanatrika amintsika Olo Araiky vory marobe hanao veloma farany an’i Mompera Miandra fa ny fo
amam-panahiko dia miaraka aminareo mitodika amin’Andriamanitra mitalaho ny Famindrampony ho an’ity
rahalahintsika, havantsika ity. Nahavita ny pakany izy niaraka amin’i Jesoa izay nanolorany ny tenany, hanompo azy
sy ny vahoakan’Andriamanitra na ireo mino na ireo tsy mpino. Ho tsaraina izy tahaka ny olombelona rehetra ka ny
famindrampon’Andriamanitra Ray no hitsena azy araka ny voalazan’i Kristy ao amin’ny Evanjely :“Aoka tsy hitebiteby
ny fonareo….” Hoy i Jesoa.
Mitebiteby ny fontsika mibanjina izao vatana mangatsiaka izao. Mitebiteby miatrika ny fahafatesana. Marina izany
satria io fahafatesana io no faratampon’ny problemantsika. Tsy miafina amin’i Kristy izany. Tsy miafina amin’i Kristy
izao alahelontsika izao, ka hoy izy “Mino an'Andriamanitra ianareo, ka minoa ahy koa.... Ny finoana irery, ny finoana
an’i Kristy nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana “namono” ny fahafatesana ka nitsangan-ko velona irery no
hany “lakile” mamaha ny probleman’ny fahafatesana araka ny voalazan’i Md Paoly : Ry fahafatesana ô! aiza ny
fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny
Lalàna no herin'ny fahotana. Isaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin'ny alalan'i Jeso-
Kristy Tompontsika! (I Kor 15, 55-57)
Io teny finoana io izay nampianaran’i Mompera Miandra antsika na tamin’ny soratra nataony anisan’ireny gazety
Boky Fanjava volananao ireny ... na tamin’ny fampianarana maro nataony tao amin’ny Radio ary indrindra ny
fampianarana nataony teny amin’ny Seminera zokiny Olontsambatra Paoly VI .... Ary farany teo anivon’ny
communauté francophone sy amin’ireo Vaomiera sy fikambanana masina ary firohotana... Fa ny tena nisongadana
dia tamin’ny Taona masina izay nandraisany an’ireo tonga hikonfesy.... Io teny finoana nampitain’i Mompera io
tokoa àry no hery entintsika miatrika izao fotoana manjombona...Nandalina manokana ny Tenin’Andriamanitra
raahateo i Mompera Miandra ka faly nizara izany araka ny deviseny : “Ary ny Teny tonga nofo , ka niara-nonina
tamintsika”(Jn 1, 14)
Matoky àry isika fa misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Ray .... Ary mino isika fa efa voavoatra ny toeran’i
Mompera Miandra ka tonga i Jesoa naka azy hiaraka aminy.
Misaotra an’Andriamanitra isika amin’ireo fahasoavan’Andriamanitra maro nampitain’i Mompera. Ireny
manaporofo fa miara-dalana amintsika tokoa i Jesoa Mpiarabelona amintsika. Izy tokoa no lalana sy fahamarinana
ary fiainana.
Mavesatra tokoa ny fisarahana kanefa nasehon’Andriamanitra amintsika ny fitiavany. Ireny fihetsika maro
nataonareo na tsirairay na mitambatra ireny dia manamporofo fa tena tianareo tokoa ny pretranareo satria tsy i
Mompera Miandra irery no hanehoanareo izany fitiavana izany fa ny pretra rehetra. Ireny fitiavana ireny
mampibaribary fa ny fiainana no mandresy fa tsy ny fahafatesana.
Tohizantsika tokoa àry ny dia fa i Jesoa tokoa no Lalana. Ary ataontsika tsaratsara kokoa hanambarantsika fa Olo
Araiky entan’ny fahamarinana dia i Jesoa Kristy isika. Ireny rehetra ireny mampibaribary fa nandaitra tamintsika
tokoa ny fampianaran’i Mompera Miandra, fampianarana manosika antsika hiroso amin’ny lalindalina hatrany
satria mandresy ny Fiainana dia i Kristy.
Ankinintsika amin’i Masina Maria Renin’ny Pretra ny fialan-tsasatry Mompera Miandra. Ary izy anie hivavaka ho
antsika mba ho tody soa aman-tsara any an-danitra koa isika indray andro any. Mitsodrano anareo aho. Mivavahà
ho ahy
Mandria am-piadanana Mompera. Veloma mandram-pihaona.

 


Anio 25 Janoary 2017
Fankalazana ny Fibebahan’i Mf Paoly
Faha-3 taona nanompoana ny Arsidiosezin’Antsiranana
+ Marc Benjamin Ramaroson, cm

27/01/2017 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..