Home » DIOCÈSE / ÉVÉNEMENTS » HAFATRA AVY AMIN’NY VAOMIERAN’NY EVEKA MISAHANA NY JUSTICE ET PAIX

HAFATRA AVY AMIN’NY VAOMIERAN’NY EVEKA MISAHANA NY JUSTICE ET PAIX

« Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy Sambatra izay tia fihavanana fa antsoina hoe zanak’Andriamanitra izy » Mt 5, 6.9

 

Anatin’ny vanim-potoana mavaivay ny firenentsika ankehitriny  satria raha tsy mbola tafiditra tamin’ny vanim-ptoanan’ny fampielezan-kevitra fiomanana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara mandritry ny dimy taona manaraka aza isika dia efa nisafotofoto be ihany ny fiainam-pirenena hatramin’ny nampahafantaran’ny andrim-panjakana misahana izany ny lisitr’ireo izay ho mpifaninana amin’izany fifidianana izany.

Teo koa ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitondra isan’ambatongany avy momba ny fitohizan’ny raharaha-panjakana sy ny fanapahana navoakan’ny fitsarana mahefa ny amin’ izany sy ireo ny fanehoan-kevitra, hetsika isan-karazany  zary nampisavorovoro sy nampizarazara ka niteraka korontana sy faharatràna ary fanafintohinana hoan’ny sarababem-bahoaka izay efa miaina anaty fahasahiranana lalina amin’ny lafiny maro toy ny tsy fandriam-pahalemana izay saika namoizana aina hatrany noho ireo asan-jiolahy manafika sy maka an-keriny ary manao takalon’aina tambazana vola, ny halatr’omby, ny vaky fasana sns.Eo koa ny fiakaram-bidin’ireo entana tena ilaina andavan’andro indrindra ny vary ; ny faharatsian’ny famatsiana herin’aratra sy rano . Tsy hay lazaina intsony ny adin-tsaina mahazo ireo ray aman-dreny amin’ny fidiran’ny mpianatra.

Manoloana izany toe-draharaha izany, izahay ato amin’ny Vaomiera misahana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fiadanana, izay nanatanteraka ny fivoriam-be fanaonay isan-taona teto Antanimena ny 10 sy ny 11 Ôktôbra 2023, tsy mihambo ho tompon’ny marina fa miezaka hatrany manambara sy mampianatra azy satria izay manao ny marina no hendry ary ny marina no manorina ny fiadanana, dia mahatsiaro manana adidy, amin’ny alalan’ny Eveka sy ireo pretra mpiahy ary ireo lahika miara-miasa amin’izy ireo ka manao izao hafatra izao izay tohin’ny fanambaran’ny Eveka tamin’ny 18 mai 2023 ary fanamafisana ny taratasinay Vaomiera Justice et Paix tamin’ny 21 avril2023 namakafaka manokana ny momba ny fifidianana sy ny pôlitka.

Ny fanamafisana ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna mampanjaka ny fahamarinana, ny rariny ka hampisy fampandrosoana ho an’ny olona manontolo sy ny olon-drehetra dia mitaky fifandimbiasana demôkratika mipoitra avy amin’ny fifidianana mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara (1).

Noho izany dia aoka ny tompon’andraikitra misahana izany mba hanao izay rehetra hampizotra ny fifidianana araka ny tokony ho izy, tsy misy fitanilàna (2).

Ny tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany dia tsy hitanila na hanome vahana na iza na iza, na an-kolaka izany na mivantana (3) .

Ianareo mpifaninana amin’ny fifidianana kosa dia tsy hijery sy tsy hikendry afa-tsy ny soa iombonana ka tsy hifampihantsy na hanao zavatra manonhintohina ny fiainan’ny vahoaka tsy mandady harona, na koa hitarika fifankahalàna sy fizarazarana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana amin’ny endriny maro ka ho môdely amin’ny fampivondronana, fampihavanana, fanarahan-dalàna sy fanajana ny zo aman-kasin’ny tsirairay amin’ny teny sy ny atao. Tadidio fa raha mora foana ny miditra amin’ny korontana mitarika rà latsaka sy famoizana ain’olona dia sarotra kosa ny mivoaka ao sy mamaritra izay fotoana hitsaharany (4). Ray aman-dreny no andraisan’ny vahoaka anareo ka aoka ho mendrika izany toerana irinareo izany ianareo ka ho taratra amin’ny fanarahan-dalàna sy fandalàna ny fahamarinana sy ny hitsiny ary ny zo aman-kasin’ny tsirairay, eny fa na dia ireo izay mpifaninana aminareo aza. Tadidio ihany koa fa tsy ampy ny milaza fotsiny hoe tia tanindrazana(nationaliste) fa mila mahafoy ho an’ny izany tanindrazana izany indrindra indrindra(patriote) (5).

Entanina isika vahoaka handala mandrakariva ny fiombonana sy hiaro ny aina ka tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra feno ka hanalavitra ny fifankahalàna sy fifampihatsiana ary ny herisetra amin’ny endriny isan-karazany manosihosy ny zo aman-kasin’ny tsirairay. Hitandro sy ho sarotiny amin’ny soa sy ny fanana iombonana ka hiezaka handala ny fitsipika aman-dalàn’ny fiarahamonina misy antsika. Tsy hivarotra ny safidy izay zo fototra amin’ireo izay mandrabiraby amin’ny tolotra feno fitaka sy fampanantenana poak’aty. Ny kôsiansintsika aoka handeha amim-pahitsiana (5) araka ireny fampahafantarana sy fomba fitsara naroson’ny Eveka tamintsika araka ny taratasy voalaza tery ambony.

Farany, manentana antsika rehetra hanao vavaka totoafo ho an’ny firenentsika  sy ny malagasy tsy an-kanavaka izay ankinintsika amin’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny Fiadanana.

Ny Fanahin’izy Tompo anie hanilo sy hitaridalana antsika mianakavy hiaro sy hitandro toy ny anakandriamaso ny fihavanana sy ny fahamarinana.

Homba anareo anie ny Fiadanana !

(1)         Joany Paolo II : « Taratasy Ansiklika Centessimus annus, 46 AAS 83

(2)         Joany XXIII : « Taratasy Ansiklika Pacem in Terris, AAS 55

(3)         Katesizin’ny Eglizy Katolika 1908. 1910

(4)         Jen 4, 1-16 ; 11, 1-9

(5)         Vat II ; Gaudium et Spes AAS58

(6)         Katesizin’ny Eglizy Katolika 1706

 

 

 

Natao teto Antanimena , anio 11 Oktôbra 2023, fetin’i Md Joany faha23

RP SATA Jean Noël, Sekretera Jeneraly

 

 

 

 

 

 

SE Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Filohan’ny JEP

 

 

 

 

 

 

Ny pretra mpiahy sy ireo lahika rehetra mpiara-miasa aminy

 

14/10/2023 commentaires (0)
Archidiocèse d'Antsiranana

EOV DIASPORA regroupe les originaires du diocèse d'Antsiranana résidant en Europe

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA

ECAR RADIO FANIRY ANTSIRANANA - Archidiocèse d'Antsiranana

Ecoutez la Radio Faniry en ligne

Archidiocèse d'Antsiranana

Mission 2020 - 2021 Les prêtres du diocèse Antsiranana

Association humanitaire AKAMASOA

Association humanitaire AKAMASOA - Archidiocèse d'Antsiranana

Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky

Archidiocèse d'Antsiranana

MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA

EXCLUSIF : LETTRE OUVERTE DE MGR BENJAMIN

Chaque région doit profiter de ses richesses ..