VAVAKA nataon'i Jesoa mba ho iray tokoa isika rehetra hiombona ao aminy tokoa isika, izy no mampivondrona atsika. "Tahaka ny maha iray atsika amin'ny Ray no aoka hampiray azy ireo koa" izay no vavaka nataony ho antsika satria izy no mampivondrona tokoa ary izy no mampiombona atsika ao aminy. Io vavaka nataon'i Jesoa io no iombonantsika aminy tokoa, tahaka ny fiombonany izy sy ny Ray no aoka hampiombona atsika, izy izany no mampiombona atsika. Tahaka ny nanirahan'ny Ray azy no anirahany atsika. Io fiombonana io ihany koa izany no maha-Eglizy ny Eglizy no sady famantarana farantampony amin'ny maha mpianany atsika. Izay no hahafantaran'izao tontolo izao fa mpianany tokoa isika. Hoy ny Philosophe anankiray raha nanambara rehefa nanontaniana ny finoana Kristianina izy, zavatra anankiroa no hahatonga ahy hino anareo Kristianina satria tsy mpivavaka ilay Philosophe : raha mivondrona sy mifankatia tokoa ianareo ka maneho an'izay fiombonana izay, raha mizara hafaliana..[.....]
Marina fa ny andron'ny pantekôty no azo lazaina fa ny andro nahaterahan'ny Eglizy rehefa nidinan'ny Fanahy masina ireo Apostôly kanefa azo lazaina ihany koa fa amin''ny fanirahana napetrak'i Jesoa amin'ny andro fankalazana ny niakarany amboninahitra any an-danitra eo ankavanan'Andriamanitra Ray no mampibaribary an'izay famonjena nentin'i Kristy izay ary dia tanteraka eo anivon'ny Eglizy ary ny Eglizy no nametrahan'i Jesoa hanohy ny asam-pamonjena izany hoe isika izao olo araiky amin'i Jesoa no hitondra an'izay famonjena sy hafalian'ny vaovao mahafaly izay. Tsy tian'i Jesoa hibanjina ny lanitra isika satria ny lanitra dia io fiainantsika io raha miaraka aminy isika, raha avelantsika hiasa ao amintsika ny Fanahy masina, izany no dikan'ny "ascension" androany [.....]
Amin'izao Alahady faha-enina ny Paka izao dia mifanojo amin'ny voalohany volana Mey, andro hibanjinana mikasika ny asa sy ny mpiasa. Raha ny tantara dia izao voalohany volana Mey izao no natokan'ny fiangonana ho an'ireo mpiasa sy ireo mpiandraikitra an'izany ary ankalazana manokana an'i Masindahy Josefa mpiaro ny mpiasa. Izy izay namelona ny fianakaviana masina tao Nazareta dia izay koa no mahatonga atsika fa indrindra amin'izao taona masina izao hivavaka ho an'ny lohan'ny fianakaviana rehetra, ho an'ny lehilahy rehetra amin'izany fetin'ny Md Josefa mpiasa izany. Hivavahantsika mba hanana ny asa sahaza azy avy ny tsirairary ary hivelona ao anatin'izay asa izay [.....]
Ry kristianina havana, tsy nitsahatra isika namerimberina nanomboka tamin’ny Paka fa isaky ny Alahady dia misy endrik’i Kristy ilay famindrampon'Andriamanitra no asongadin'ireo vakiteny. Tamin’ny Alahady lasa teo isika dia nibanjina ary niezaka hahalala bebe kokoa fa i Kristy no endriky ny famindrampon'Andriamanitra mpiandry ondry tsara. Amin’izao Alahady fahadimy amin’ny Paka izao dia endrika anankiray no banjinintsika dia i Kristy loharano niavian’ny anarana hoe Kristianina. Izay anarana niaviantsika izay no “identité”ntsika ka banjinintsika izany hoe - inona ny maha-Kristianina mpanaradia an’i Kristy atsika ? - aiza ny fototra sy loharano maha-Kristianina atsika ?
- iza marina i Kristy arahintsika io ? ...tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny
Ry kristianina havana, anio alahady faha-4 amin'ny Paka, raha mahatsikaritra ianareo dia isaky ny Alahady anankiray dia misy endrik'i Jesoa asongadin'ireo vakiteny, ny endrik'i Jesoa famindrampo ary indrindra amin'izao taona masina ny famindrampo izao. Ny vakiteny tamin'ny Paka dia fantantsika fa i Jesoa nitsangan-ko velona ka niaraka tamin'ny mpianatra tany Emaosy, ary izy miara-dàlana amintsika tokoa. Ny Alahady faharoan'ny Paka sady Alahady ny famindrampo rahateo, misongadina izany famindrampon'Andriamanitra izany. I Jesoa no endriky ny famindrampon'Andriamanitra ka i Tomà izay sarotra nino dia nahatsapa fa famindrampo tokoa Andriamanitra ka tsy nisalasala nilaza hoe "Tompoko sy Andriamanitro", dia isika koa niaraka tamin'i Tomà tamin'iny Alahady faharoa ny Paka iny nanambara ny fiekem-pinoantsika. Ny Alahady fahatelo kosa tsapantsika fa eo anivon'ny fiainantsika Andriamanitra, tsy Andriamanitra lavitra ny Andriamanintsika na dia eo aza ny haizin'ny fiainantsika tahaka ny nanjo an'i Piera sy ireo namany. Raha tsy miaraka amin'ny Tompo isika dia tsy mamokatra, inona tokoa moa no nitranga ? Teo ny Tompo ary niteny tamin'i Piera : "alatsaho ny haratonao", dia namokatra ny fiainany, Tsindrio eto hamaky ny tohin'ny toriteny.....
Père Pedro fait partie des individus exceptionnels dont la vision, les réalisations et les bonnes œuvres, incarnent l’essence de Saint-Vincent de Paul (Apôtre et témoin de la charité du Christ auprès des pauvres). Actuellement 25 000 personnes vivent dans les villages d’AKAMASOA (Antananarivo) et sont à la charge directe de cette association de laquelle le père Pedro est fondateur en 1989. Avec toute son équipe, il mène un combat sans relâche et sans fin depuis 26 ans... Faire connaître son site internet est une manière de participer à son combat qui est aussi le nôtre, nous sommes Oloaraiky
MARTYR de la foi et de la charité, béatifié le 15 avril 2018. Prenons le temps pour une NEUVAINE DE PRIÈRE AVEC RAMOSE LUCIEN BOTOVASOA OLOTSAMBATRA